Tahirim-pitaovana
Lesona 17: Ireo Fampianaran’ny Filazantsara tany Nauvoo


Lesona 17

Ireo Fampianaran’ny Filazantsara tany Nauvoo

Fampidirana

Fiadanana sy firoboroboana no nanamarika ireo taona maro voalohany niainan’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois. Nandritra io fotoana io dia nandray fanambarana sy nampianatra ary nanazava ireo fotopampianarana sasany izay an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manokana i Joseph Smith. Anisan’izany ny tanjon’ny tempoly sy ny fahafahana masina izay ananantsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra ary ireo fotopampianarana hafa izay ampianarina ao amin’ny Fanekem-pinoana. Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny halehiben’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina

  • “Dieu le Père Éternel,” toko 2 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 41–48.

  • “Doctrinal Developments in Nauvoo,” toko 20 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 251–62.

  • “Becoming Like God,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fanekem-pinoana

Ireo fanambarana mikasika ny fotopampianaran’ny filazantsara

Hazavao fa tao Nauvoo, Illinois, i Joseph Smith dia nanoratra taratasy ho an’i John Wentworth, mpamoaka lahatsoratry ny gazety iray antsoina hoe Chicago Democrat, izay nangataka fampahalalana momba ny Môrmôna. Nitantara mikasika ny tantaran’ny Olomasin’ny Andro Farany i Joseph Smith tao amin’ilay taratasy ary nasiany lisitra fohy misy ireo finoana ara-potopampianarana izay fantatra taty aoriana amin’ny hoe Fanekem-pinoana. (Hita ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 467–78 ny taratasy iray manontolo.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona L. Tom Perry

“Anisan’ny fanambarana manan-danja indrindra [ireo Fanekem-pinoana] ary azo antoka fa fanambarana tsara fintina indrindra mikasika ny fotopampianarana ato amin’ny Fiangonana. Raha mampiasa azy ireo ianareo ho toy ny torolalana hitantanana ny fandalinanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ho hitanareo fa ho vonona ianareo hanambara amin’izao tontolo izao ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny fahamarinana naverina amin’ny laoniny. Ho vitanareo ny hanambara amin’ny fomba tsotra sy mivantana ary lalina ireo zavatra fototra inoanareo mafy amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anareo” (“Ireo Fotopampianarana sy Fitsipika ao anatin’ireo Fanekem-pinoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 48).

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Loholona Perry? (Rehefa mizara ireo teny famintinany ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra izao fahamarinana izao: Ho vonona tsara hilaza amin’ny hafa momba ny finoantsika isika rehefa mianatra ireo fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo Fanekem-pinoana.)

  • Oviana ianao no efa nampiasa ireo Fanekem-pinoana mba hanampiana ny hafa hahatakatra ny filazantsara?

Asaivo mijery ao amin’ireo Fanekem-pinoana ireo mpianatra ka hamaky izany am-pahanginana. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nanome fotoana ampy tsara ho an’ireo mpianatra:

  • Inona amin’ireo fanekem-pinoana no tena ankasitrahanao manokana ary nahoana?

  • Ahoana no anampian’ireo fotopampianarana ao amin’ireo Fanekem-pinoana mba hitari-dalana anao sy hampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–28, 37–42

Famerenana amin’ny Laoniny ny ôrdônansin’ny tempoly

Hazavao fa nahazo didy mba hanorina tempoly ny Mpaminany Joseph Smith taorian’ny nitoeran’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois. Tamin’ny nanorenana ny tempoly tao Kirtland, Ohio, dia nitaky fahafoizana lehibe avy tamin’ireo Olomasin’ny Andro farany ity asa ity.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–28, 37–42. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny antony nilan’ireo Olomasina tempoly. Alohan’ny handinihana ireo andininy ireo dia hazavao fa miresaka momba ny tabernakely izay namboarin’i Mosesy sy ny vahoakany izany. Tsy nanatanteraka batisa ho an’ny maty ny vahoakan’i Mosesy. Tsy mbola nisy asa ho an’ny maty notanterahina talohan’ny nametrahan’ny Mpamonjy izany asa izany tao amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Nahoana no mila Tempoly ireo Olomasina tao Nauvoo araka ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia hamafiso izao fotopampianarana izao: Misy ireo ôrdônansin’ny famonjena sasany izay tsy eken’ny Tompo raha tsy any amin’ny tempoly ihany no anatanterahana azy.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Tempolin’ny Kirtland “tamin’ny voalohany dia naorina ho amin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fahefana” (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3 [1954–56], 2:242). Nampiasaina mba hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ny velona sy batisa isoloana tena ho an’ny maty ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo. Nandritra ny roa taona farany tamin’ny fiainany dia nampiditra ny fanafiana masina tao amin’ny tempoly i Joseph Smith ho an’ny vondrona mpikambana mahatoky vitsivitsy. Nampiditra ny ôrdônansin’ny famehezana mandrakizay ny mpivady koa izy.

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity. Asao ireo mpianatra mba hihaino ny antony maha-zava-dehibe ireo ôrdônasin’ny tempoly ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra:

“Ho valin’ny didin’ny Tompo [mba hanorina tempoly tao Nauvoo], dia nandroso haingana araka izay azony natao ny Mpaminany sy ireo Olomasina mba hanomboka amin’ny fanorenana ny tranon’ny Tompo. Saingy fantatry ny Mpaminany fa haharitra aman-taona ny fanorenana ary fantany koa fa nila ireo fitahiana fenon’ny tempoly ireo Olomasina. Noho izany dia nanatanteraka ny fanafiana masina ho an’ny vondron’ny rahalahy mahatoky vitsivitsy izy tamin’ny 4 mey 1842, na dia mbola tsy vita aza ny tempoly.

“Nihaona tao amin’ny efitrano lehibe ambony rihan’ny Trano Fitehirizam-bokatry ny Mpaminany vita amin’ny biriky mena io vondrona io. …

“Toy izao ny firaketana ara-tantara an’ny Mpaminany: ‘Tao amin’ny rihana ambonin’ilay trano fitehirizam-bokatra no nandaniako ny tontolo andro, … nivory niaraka tamin’ny Jeneraly James Adams, avy tao Springfield, ny Patriarka Hyrum Smith, ny Eveka Newel K. Whitney sy i George Miller, ny Filoha Brigham Young sy ny Loholona Heber C. Kimball ary i Williard Richards, nampianatra azy ireo ny fitsipika sy ny lamin’ny Fisoronana, ny fanatanterahana ny fanasana, fanosorana, fanafiana ary ny fifandraisan’ireo fanalahidy izay an’ny Fisoronana Aharôna sy ny sisa, ho amin’ny lamina ambony indrindra an’ny Fisoronana Melkizedeka, namelabelatra ny lamin’ilay Fahagolan’ny Andro, ireo drafitra sy fitsipika izay ahafahan’ny tsirairay mandray ny fahafenoan’ireo fitahiana izay efa nomanina ho an’ny Fiangonan’ny Lahimatoa, ka ho tonga sy hitoetra eo anatrehan’ilay Elohima ao amin’ilay tontolo mandrakizay’” (Teachings: Joseph Smith, 413–14).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no antony nilàna ny famerenana ireo ôrdônansin’ny tempoly amin’ny laoniny?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampitomboy ny fahatakaran’izy ireo amin’ny fizarana izao fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hanome ireo ôrdônansy ilaina ho an’ny fisandratantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Mitari-dalana antsika mankany amin’ny Mpamonjintsika ireo ôrdônansin’ny tempoly ary manome antsika ireo fitahiana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (“Blessings of the Temple,” Ensign, ôkt. 2009, 48).

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny famerenana ireo ôrdônansin’ny tempoly tamin’ny laoniny ny fiainanao?

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina mandritra ny herinandro ho avy ny fomba hanaovany ny fitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany.

Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera 1:3–4; 1 Jaona 3:2–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–20; 132:20

Ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra

Hazavao fa mirakitra ny soratr’ireo mpaminany fahiny ny Baiboly izay nanoratra momba ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto ary asao ny mpianatra mba hamaky izany ka hitady ny zavatra izay ampianarin’izany momba ny hery anaty ananantsika mandrakizay: Salamo 82:6; Matio 5:48; Jaona 10:32–34; Romana 8:16–17; 2 Petera 1:3–4; 1 Jaona 3:2–3. Azonao amporisihina ireo mpianatra mba hampifandray na hampifandrohy ireo andinin-tsoratra masina ireo eo am-pandalinan’izy ireo izany.

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra, dia tokony hahatakatra izao fotopampianarana izao izy ireo: Amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra antsika dia manana ny fahafahana ho lasa tahaka Azy isika.)

  • Inona tao amin’ireo andininy ireo no andian-teny mamariparitra ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra?

Hazavao fa ampianarina ao amin’ny soratra masina maoderina ihany koa ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–13, 19–20 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:20. Ampio ireo mpianatra hahatakatra izao fotopampianarana izao: Tahaka ny mpamonjy, dia afaka mitombo amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana isika ambara-pandraisantsika ny fahafenoan’ny Ray.

Hazavao fa iray tamin’ireo lahateny lehibe indrindra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ny lahateny izay nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 1844. Nandritra io lahateny io dia nahatsiaro an’i Rahalahy King Follett, izay maty vao haingana, ny Mpaminany. Lasa fantatra tamin’ny hoe lahateny King Follett izany lahateny izany. Omeo ny tahadikan’ny taratasy zaraina “Sombin-dahateny avy tamin’ny Lahateny King Follett” ny mpianatra rehetra. Asao izy ireo mba hamaky ilay sombin-dahateny ka hanipika ireo teny na andian-teny izay manazava ny antony tokony hikatsahantsika ny hahatakatra ny toetran’ Andriamanitra.

Sary
taratasy zaraina, Lahateny King Follett

Sombin-dahateny avy tamin’ny Lahateny King Follett

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny—Lesona 17

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Raha tsy mianatra na inona na inona ankoatra ny mihinana sy misotro ary matory ny olona, ka tsy mahatakatra ny fikasan’ Andriamanitra, dia mitovy amin’izany ny zavatra takatry ny biby. Ny biby dia mihinana, misotro, matory, ary tsy mahafantatra zavatra ankoatra izany momba an’ Andriamanitra. Ka dia mitovy amin’ny zavatra fantatsika ny zavatra fantany raha tsy hoe afaka mahatakatra isika amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra Tsitoha. Raha tsy mahatakatra ny toetran’ Andriamanitra ny olombelona dia tsy mahatakatra ny tenany manokana izy. …

“Ny tanjoko voalohany dia ny hijery ny toetran’ilay hany Andriamanitra hendry sy marina sy ny hoe karazan’olona manao ahoana Izy. …

“Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra izy ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra ambony any! Zava-miafina lehibe izany. Raha tritra ny voaly ankehitriny, ka mampiseho ny tenany ilay Andriamanitra lehibe izay mihazona ity tontolo ity sy ny manodidina azy, ary mihazona izao tontolo rehetra izao sy ny zava-drehetra amin’ny heriny,—dia hoy aho hoe raha toa ka mahita azy ianareo androany, dia ho hitanareo izy fa tahaka ny olona—tahaka anareo, ny endrikareo, satria i Adama dia noforonina araka ny hatsara sy endrika ary mitovy amin’ Andriamanitra, ary nandray ny torolalana, nandeha, niresaka ary nifanakalo hevitra taminy, tahaka ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 44-45).

“Izao ary no fiainana mandrakizay—ny mahafantatra an’ilay hany Andriamanitra hendry sy marina; ary hianatra ny fomba ahafahana ho lasa andriamanitra koa ianareo, ary ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra, … amin’ny fiaingana avy amin’ny ambaratonga kely iray miampy iray hafa, sy avy amin’ny fahafahana kely iray miampy iray lehibe; avy amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana, avy amin’ny fisandratana miampy fisandratana, mandra-pahatratraranareo ny fitsanganan’ny maty, ka afaka mitoetra ao amin’ny lelafo mandrakizay, sy hipetraka amim-boninahitra, tahaka ireo izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny hery maharitra mandrakizay” (Teachings: Joseph Smith, 221).

Ampio ireo mpianatra mba handinika ireo fampianarana ireo amin’ny fametraha fanontaniana hoe:

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mianatra momba ny toetra sy ny toetoetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika aminy amin’ny maha-Raintsika any An-danitra Azy?

  • Inona no dingana hahatongavana ho tahaka ny Ray any An-danitra?

Mba hampitombo bebe kokoa ny fahatakaran’ireo mpianatra ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra dia asehoy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity. Asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ny tanjon’ny filazantsara manontolo dia ny hitarika antsika handroso sy hiakatra ho amin’ny fahombiazana tsaratsara kokoa dia ny ho lasa andriamanitra amin’ny farany. Nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith io fahafahana lehibe io tao amin’ny lahateny King Follett [jereo ny History of the Church, 6:302–17] ary nohamafisin’ny Filoha Lorenzo Snow. Izao no fotokevitra lehibe sy tsy manam-paharoa: Ny toetran’ Andriamanitra amin’izao, afaka ny ho tahaka izany ny olona! [Jereo ny The Teachings of Lorenzo Snow, natambatr’i Clyde J. Williams (1984), 1.]

“Nitsikera antsika ireo fahavalo noho ny finoantsika izany. Ny havalintsika manoloana izany dia hoe tsy mampihena an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay velively io fotokevitra avo io. Izy no ilay Tsitoha. Izy no Mpahary sy Mpanapaka izao rehetra izao. Izy no lehibe indrindra ary ho izany foana mandrakizay. Fa tahaka ny ray ety an-tany izay maniry ny fahombiazana rehetra ho an’ny zanany, dia toy izany koa no inoako fa maniry ireo zanany mba ho tonga lehibe tahaka Azy sy hitsangana eo anilany, feno voninahitry ny hery sy ny fahendrena araka an’ Andriamanitra ny Raintsika any An-danitra” (“Don’t Drop the Ball,” Ensign, nôv. 1994, 48).

Ho famintinana dia apetraho ireto fanontaninana manaraka ireto:

  • Inona no fahasamihafana nentin’ny fahalalana ireo fahamarinana manan-danja momba ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ireo eo amin’ny fiainantsika?

  • Rehefa misaintsaina ireo zavatra izay nodinihantsika androany ianao (ireo Fanekem-pinoana, ireo ôrdônansin’ny tempoly ary ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra), nahoana no hahatonga anao hankasitraka ny Mpaminany Joseph Smith ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo? Ahoana no fomba hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo anao mba hahatakatra ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisanao aminy amin’ny maha-Rainao any An-danitra Azy? (Omeo fotoana ireo mpianatra mba hahafahany manoratra ny fahatsapany.)

Asao ireo mpianatra mba hijoro ho vavolombelona na hizara ny sasany amin’ireo fahatsapana izay nosoratany, raha toa ka tsy dia mahakasika azy irery ihany loatra izany. Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fotopampianarana izay nianarana tato amin’ity lesona ity sy mikasika ny Mpaminany Joseph Smith amin’ny maha mpanambara mahery azy.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy