Tahirim-pitaovana
Lesona 18: Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Fiangonana


Lesona 18

Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Fiangonana

Fampidirana

“Ny Fikambanana Ifanampiana dia manomana ny vehivavy amin’ireo fitahiana avy amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hampitombo ny finoany sy ny fahamarinany, hampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano, ary hanampy ny sahirana” (“The Purpose of Relief Society,” lds.org/callings/relief-society/purposes). Hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fananganana ny Fikambanana Ifanampiana sy ny tanjony ity lesona ity. Ho hitan’ireo mpianatra ihany koa fa ny vehivavy dia manana fahafahana sy andraikitra lehibe izay manokana ho azy ireo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25

Ny torolalan’ny Tompo ho an’i Emma Smith

Asehoy ity fanambarana ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Ny ankamaroan’ny fitomboana izay hitranga amin’ny Fiangonana amin’ny andro farany dia hiseho satria maro amin’ireo vehivavy tsara eto an-tany … no ho voasarika ho ato amin’ny Fiangonana. Hitranga izany amin’ny fomba izay hahatonga ny vehivavin’ny Fiangonana ho fitaratry ny fahamarinana sy ho afaka haneho hevitra tsara eo amin’ny fiainany ary amin’ny fomba izay hahatonga ny vehivavin’ny Fiangonana ho hita miavaka sy hafa—amin’ny fomba mahafaly—amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao” (Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball [2006], 247).

  • Inona no eritreritrao rehefa mandinika io fanambarana io ianao?

  • Mahafantatra vehivavy ve ianao izay ohatra tsara azo alain-tahaka amin’ny hoe mahazo fifaliana rehefa miaina amim-pahamarinana? Tamin’ny fomba ahoana no nitondrany fiovana teo amin’ny fiainan’ireo izay mahafantatra azy?

Hazavao fa ifantoka amin’ny fomba itahian’ny Fikambanana Ifanampiana an’ireo zanakavavy sy zanakalahin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ity lesona ity.

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 ka hijery ny sasin-tenin’ny fizarana hitadiavana ny olona izay resahin’ny Tompo ao amin’io fanambarana io. Avy eo dia vakio mafy ny andininy 3. Hazavao amin’ny mpianatra fa teo imason’ny Tompo dia “vehivavy nofinidy” i Emma Smith. Tamin’ny fivoriana voalohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny Vehivavy tao Nauvoo dia nanazava i Joseph Smith fa “ny hoe nofinidy dia nidika hoe voafidy ho amin’ny asa iray.” Nilaza ihany koa izy fa ilay fanambarana nomena an’i Emma Smith dia “tanteraka tamin’ny fifidianana an’ny Rahavavy Emma ho ao amin’ny Fiadidian’ilay Fikambanana [Ifanampiana]” (ao amin’ny History of the Church, 4:552–53). Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra, ary asao ny antsasany mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:4–9 ary ny antsasany hafa mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10–15. Asao ireo mpianatra mba hitady ireo andraikitra na antso izay nomen’ny Tompo an’i Emma Smith. Afaka manao ny lisitr’ireo andraikitra ireo izy ireo na hanamarika izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra izay hitany.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety handraisan’ny fahatanterahan’ireo andraikitra ireo anjara amin’ny fitomboan’ny Fiangonana?

  • Inona no fitahiana izay nampanantenan’ny Tompo an’i Emma Smith raha toa ka nankatò ny didiny izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:16.

  • Raha toa ka nomena an’i Emma Smith io fanambarana io, dia amin’ny fomba ahoana kosa no azo ampiharina amintsika ireo tenin’ny Tompo tamin’i Emma ireo? (Ny fampianarana mikasika ny fankatoavana sy ny fotopampianaran’ny filazantsara izay ampianarina ao amin’io fanambarana io dia azo ampiharina amin’ny olon-drehetra. [Fanamarihana: Hazavao fa ny fampiharana ny soratra masina amin’ny fiainantsika manokana dia fahaizana mandalina ny soratra masina tena manan-danja izay manampy antsika hahita ny fitoviana misy eo amin’ny fiainantsika manokana sy ny an’ireo izay ao anatin’ny soratra masina.])

Rehefa mizara ny valinteniny mikasika io fanontaniana io ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra izao fahamarinana manaraka izao: Raha toa ka mitandrina amim-pahatokiana ny didy sy manatanteraka ireo andraikitsika avy amin’ny Tompo isika, dia hahazo ny satroboninahitry ny fahamarinana. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona ny amin’io fahamarinana io.

Ny Fikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra manan-danja ao amin’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny.

Lazao ny mpianatra fa nambaran’ny Tompo andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny firafitry ny Fiangonana. Tao anatin’ny dingan’izany no nanomezany antso iray tena manan-danja an’i Emma Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity famintinana manaraka ity mikasika ny fananganana ny Fikambanana Ifanampiana. Asao ireo mpianatra mba hihaino ny fomba ahafahan’ny fijerin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Fikambanana Ifanampiana nampivelatra ny fijerin’ny vehivavy tamin’ny voalohany.

Tao Nauvoo dia voatahy ny vehivavin’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny nananan’izy ireo manokana fikambanana tao amin’ny Fiangonana. Nanomboka izany rehefa niara-niasa ireo vehivavy maromaro, izay notarihin’i Sarah Granger Kimball, nanamboatra lobaka ho an’ireo lehilahy niasa tao amin’ny tempoly. Nanapa-kevitra ireo vehivavy fa hatsangana ara-dalàna ny fikambanana ka nangataka an’i Eliza R. Snow izy ireo mba hanoratra ny sata mifehy ny fikambanana. Rehefa nakàna hevitra ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izy fa tena tsara ny satan’izy ireo saingy nanoro hevitra izy ny handamina ny vehivavy amin’ny fomba tsaratsara kokoa. Tamin’ny 17 martsa 1842, dia nivory ny Mpaminany, niaraka tamin’ny Loholona John Taylor sy i Willard Richards ary vehivavy niisa 20 tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny Trano Fitehirizam-bokatra vita amin’ny biriky mena, izay nananganan’ny Mpaminany an’ilay Fikambanana Ifanampian’ny vehivavy tao Nauvoo. I Emma Smith no voafidy ho filohan’ilay fikambanana, dia toy izany no nahatanterahan’ilay fanambarana nilaza azy ho “vehivavy nofinidy” (F&F 25:3). Nolazain’ny Mpaminany taty aoriana ny tanjon’ilay fikambanana dia ny “hanampy ny mahantra” sy “hamonjy fanahy” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 453).

Ny 28 aprily 1842 dia nivory niaraka tamin’ireo vehivavy indray ny Mpaminany. Nolazainy izy ireo fa hahazo toromarika amin’ny alalan’ny lamin’ny fisoronana izy ireo ary nilaza izy avy eo hoe: “Atolotro anareo izao ny fanalahidy amin’ny anaran’ny Tompo, ary ity fikambanana ity dia hifaly, ary ny fahalalana sy ny faharanitan-tsaina no hirotsaka manomboka amin’izao fotoana izao” (Teachings: Joseph Smith, 484).

Azonao marihina amin’ny mpianatra fa afaka vakiany ao amin’ny josephsmithpapers.org/paperSummary/Nauvoo-relief-society-minute-book ny tantaran’ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana tany am-boalohany.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fijerin’ny Mpaminany ny zavatra mety ho vitan’ny Fikambanana Ifanampiana mampivelatra ny tolokevitra nomen’i Sarah Kimball tany am-boalohany?

  • Inona, araka ny hevitrao, no tiana hambara amin’ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith manaraka ity: “Atolotro anareo izao ny fanalahidy amin’ny anaran’ny Tompo”? (Natsangana teo ambany fitarihan’ny fisoronana ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny alalan’ireo izay nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.)

Asehoy ity fanambarana manaraka mikasika ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana izay nataon’ny Rahavavy Zina D. H. Young (1821–1901) sy Rahavavy Julie B. Beck, filoha teo aloha an’ny Fikambanana Ifanampiana ity ary angataho ny mpianatra telo mba hamaky ny fanambarana. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hijery ny zavatra ampianarin’ireo fanambarana ireo mikasika ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana.

Sary
Zina D. H. Young

“Ny Fikambanana Ifanampiana … dia natsangan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny voalohany, efa ho dimampolo taona lasa izay; araka ny lamin’ny fisoronana sy teo ambany fitarihany mba hitondra fitahiana ara-nofo ho an’ny mahantra sy ny sahirana: ary hanome fankaherezana ho an’ny ketraka, hitazona ireo izay nania, ary ho an’ny fandrosoana tsara kokoa, sy ho an’ny fampiasana ny fangorahana sy ny fiantran’ny vehivavy, mba hananany fahafahana mahatratra ny tanjaka ara-panahy, sy ny hery hanatanterahana ny soa lehibe kokoa ao amin’ny asan’ny fanavotana ny fianakaviamben’ny olombelona” (Zina D. H. Young, “Fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany,” Woman’s Exponent, 15 apr. 1889, 172).

Sary
Julie B. Beck

Busath.com

“Ny Mpaminany Joseph Smith no namaritra ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ary nampianatra ireo vehivavy mikasika ny tanjon’izy ireo. … Mbola tarihin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny fikambanantsika ankehitriny” (Julie B. Beck, “Relief Society: A Sacred Work,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 110–11).

“Toy ny nampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo an’ireo loholona sy ireo mpisorona avo mikasika ny tanjony sy ny adidy dia nizara ny fahitan’izy ireo mikasika ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo. Raha jerena ny torohevitra nomen’izy ireo dia mazava fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hampitombo ny finoana sy ny fahamarinan-toetran’ny tena manokana, hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano ary hitady sy hanampy an’ireo izay mila fanampiana. Finoana, fianakaviana, ary fanampiana—ireo teny tsotra telo ireo dia lasa maneho ny tanjon’ireo mpaminany mikasika an’ireo rahavavy ao amin’ny Fiangonana” (Julie B. Beck, “Ny Tanjon’ireo Mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana: Finoana, Fianakaviana, Fanampiana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 83).

  • Ahoana no hitahian’ireo tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ny Fiangonana manontolo? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Ny Fikambanana Ifanampiana dia mikatsaka ny hampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana, mampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano ary mitondra fanamaivanana fahasahiranana amin’ny fitadiavana sy fanampiana ireo izay mila fanampiana. Voatahy ny fiangonana manontolo rehefa manatanteraka ireo tanjona ireo ny vehivavy.)

  • Oviana ianao no nahita ny Fikambanana Ifanampiana nanatanteraka ireo tanjony?

Asehoy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Hoy ny Mpaminany Joseph Smith: ‘Tsy mbola tafatsangana tsara mihitsy ny Fiangonana raha tsy voarindra toy izao ny vehivavy’ [Teachings: Joseph Smith, 451]. …

“Ankoatra an’i Joseph Smith, dia nijoro ho vavolombelona ireo mpaminanin’ny andro farany hafa fa ny fananganana ny Fikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra nentanim-panahy tao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny, izay ahafahan’ny vehivavy ato amin’ny fiangonana ho voantso amin’ny toerana ao amin’ny Fiangonana mba hifanompo sy hitondra fitahiana ho an’ny Fiangonana manontolo. Hoy ny Filoha Joseph F. Smith: ‘Ity fikambanana ity dia natao araka an’ Andriamanitra, nahazo fankatoavana avy amin’ Andriamanitra, natsangana araka an’ Andriamanitra, voatendry araka an’ Andriamanitra mba hanompo amin’ny famonjena ny fanahin’ny vehivavy sy ny lehilahy’ [Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 184]” (Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours [2011], 7).

  • Inona no ampianarin’ity fanambarana ity mikasika ny anjara asa sahanin’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia ataovy izay hahatakarany izao fahamarinana izao, na dia lazaina amin’ny teny hafa aza izany: Ny Fikambanana Ifanampiana dia anisan’ny zavatra nentanim-panahy araka an’ Andriamanitra ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Mitondra fiovana manao ahoana eo amin’ny fiainanao ny fahafantarana fa ny nananganana ny Fikambanana Ifanampiana dia ao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny?

  • Ahoana no anampian’ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ireo antso ao amin’ny Fiangonana ny Fiangonana mba ho “tafatsangana tsara”?

Ny vehivavy sy ny fisoronana

Hazavao amin’ny mpianatra fa misy ny sasany izay manontany ny antony mahatonga ny vehivavy tsy ho tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana. Hamafiso fa na dia tsy fantatsika aza ny antony mahatonga ny vehivavy tsy ho tendrena amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana, dia fantatsika fa ny vehivavy dia mandray anjara ao amin’ny fisoronana ao amin’ny antsony ao am-piangonana sy any an-tokantranony.

Zarao amin’ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary angataho ny mpianatra iray hamaky mafy izany. Asao ireo mpianatra mba hamantatra ireo fomba ahafahan’ny vehivavy mampiasa ny fahefan’ny fisoronana:

Sary
taratasy zaraina, Ny Vehivavy sy ny Fisoronana

Ny Vehivavy sy ny Fisoronana

Hoy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Tao amin’ny lahateny izay nataony tamin’ny Fikambanana Ifanampiana, ny Filoha Joseph Fielding Smith, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nilaza izao: ‘Na dia tsy nomena ny Fisoronana aza ny vehivavy, tsy nomena ho azy ireo izany, dia tsy midika akory izany fa ny Tompo dia tsy nanome azy ireo ny fahefana. … Mety misy olona manana fahefana izay nomena azy, na vehivavy izay manana ny fahefana, mba hanaovany zavatra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izay tsy afa-misaraka sy tena ilaina amin’ny famonjena antsika, toy ny asa izay ataon’ireo rahavavintsika any amin’ny Tranon’ny Tompo. Manana ny fahefana izay nomena azy izy mba hanaovana zavatra lehibe sy mahatalanjona, masina eo anatrehan’ny Tompo, ary mamehy mitovy tsy misy hafa amin’ireo fitahiana izay omen’ny lehilahy mihazona ny Fisoronana’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ Relief Society Magazine, jan. 1959, 4].

“Tao anatin’io lahateny manan-danja io ny Filoha Smith dia namerimberina hatrany fa ireo vehivavy dia nomena fahefana. Hoy izy tamin’ireo vehivavy hoe: ‘Afaka miteny ombam-pahefana ianareo satria nametrahan’ny Tompo fahefana.’ Nilaza ihany koa izy fa ny Fikambanana Ifanampiana ‘[dia] nomena hery sy fahefana hanao zavatra lehibe maro. Ny asa izay ataon’izy ireo dia atao amin’ny alalan’ny fahefan’ Andriamanitra.’ Ary mazava ho azy fa ny asam-piangonana izay ataon’ny vehivavy na ny lehilahy, na any amin’ny tempoly izany na any amin’ny paroasy na sampana dia atao eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Noho izany, raha niresaka momba ny Fikambanana Ifanampiana ny Filoha Smith dia nanazava hoe: Nomen’ny [Tompo] azy ireo ity fikambanana lehibe ity ary ao izy ireo no manana fahefana hanompo eo ambany fitarihan’ireo evekan’ny paroasy … , mikarakara ny tombontsoan’ny vahoakantsika na ara-batana izany na ara-panahy’ [‘Relief Society—An Aid to the Priesthood,’ 4–5]. …

“Tsy mahazatra antsika ny fitenenana mikasika ny fananan’ny vehivavy ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny antson’izy ireo ato am-piangonana, saingy fahefana hafa inona ary izany? Rehefa atokana ny vehivavy iray—na tanora na antitra—hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, dia omena fahefan’ny fisoronana izy hanatanterahana andraikitra iray izay an’ny fisoronana. Marina koa izany rehefa atokana amin’ny andraikitra toy ny mpiandraikitra na mpampianatra ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana ny vehivavy iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana. Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy” (“Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 50–51).

  • Inona no fahamarinana nianaranao mikasika ny anjara asa sy andraikitry ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana avy amin’ny Loholona Oaks? (Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra, dia ataovy izay ahatakarany izao fahamarinana manaraka izao: Rehefa atokana ny vehivavy mba hanompo ao amin’ny Fiangonana, dia mandray ny fahefan’ny fisoronana izy ireo mba hanatanterahana ny andraikiny.)

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ireo mpianatra sy ny fahatsapany mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozany hevitra tao an-dakilasy dia zarao ho tsiroaroa izy ireo ka asao mba hifanakalo hevitra momba ity manaraka ity:

  • Ahoana no ahafahantsika manatsara ny zavatra lazaintsika mikasika ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana mba hifanaraka amin’ny tena dikan’ny fandraisan’izy ireo anjara?

Asao ireo mpianatra mba hizara ny fahatsapany mikasika ny fitaoman’ny vehivavy sy ny asa ataony amin’ny maha-mpianatra ao amin’ny fanjakan’ny Tompo azy ireo. Amporisiho ireo mpianatra mba hanao zavatra mifanaraka amin’izay tsapan’izy ireo nandritra ny lesona, indrindra indrindra amin’ny fampiakarana ny lanjan’ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy