Tahirim-pitaovana
Lesona 4: Ny Bokin’i Môrmôna—Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika


Lesona 4

Ny Bokin’i Môrmôna—Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

Fampidirana

Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika ary porofo fa Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teto an-tany, ho an’ny vanim-potoana iainantsika. Ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nampianatra fa ny Bokin’i Môrmôna “no vato ifaharana ao amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona izany” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5). Rehefa manao izay hahatonga ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ho lalina kokoa ny mpianatra, dia afaka ho mafy orina manoloana an’ireo izay mikatsaka ny hanaporofo ny tsy fahamarinany izy ireo.

Vakiteny enti-mandalina

  • Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 4–7.

  • Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

  • “Book of Mormon and DNA Studies,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6; 19:26; 20:5–12

Ny Bokin’i Môrmôna no mampiseho fa Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoniny fahamarinana amin’izao fotoana izao.

Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto daty sy zava-nitranga manaraka ireto.

1820 Nandraisana ny Fahitana Voalohany

1823 Nanomboka namangy i Môrônia

1829 Naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana

Jona 1829 Vita ny fandikan-teny ny Bokin’i Môrmôna

6 aprily 1830 Natsangana ny Fiangonana

  • Inona no zavatra afaka ianarantsika momba ny fomba nifandimbiasan’ireo trangan-javatra ireo mikasika ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara? (Tsy maintsy vitaina aloha ny Bokin’i Môrmôna izay vao afaka averina amin’ny laoniny ny Fiangonana. Hanana anjara asa manan-danja amin’ny fampielezana ny filazantsara izany.)

Hazavao fa rehefa naorina tamin’ny aprily 1830 ny Fiangonana, dia vao tapitra tsy ela ny nanaovana printy ny Bokin’i Môrmôna, ary ny boky dia vao natao doka ho amin’ny varotra latsaky ny roa herinandro talohan’izay. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8–12 ary hitady ny zavatra hita ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ary ny zavatra izay porofoiny. Azonao atao ny miteny ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. (Fanamarihana: Mandritra ity fandaharam-pianarana ity, dia azonao atao ny mamporisika ny mpianatra ny hanisiany marika ny fahamarinana manan-danja izay hitany ao amin’ny soratra masiny.) Rehefa eo am-pamakiana ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanambarana tsy feno manaraka ity:

Manaporofo amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna fa …

Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny zavatra izay novakianao, ahoana no hamenoanao ny fanambarana tsy ampy eo amin’ny solaitrabe. (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny Bokin’i Môrmôna dia manaporofo amin’izao tontolo izao fa marina ireo soratra masina, fa Andriamanitra dia mitaona ny olona am-panahy sy miantso azy ho amin’ny asany amin’izao fotoana izao, ary Andriamanitra dia tsy miova.)

  • Ahoana no fomba hanaporofoin’ny Bokin’i Môrmôna fa Andriamanitra dia mitaona ny olona am-panahy sy miantso azy ho amin’ny asany amin’izao fotoana izao?

  • Inona ny fahalalana azon’ny olona iray momba an’i Joseph Smith, rehefa tonga amin’ny fahafantarana izy fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6 sy 19:26 ka hitady ny zavatra izay mampitovy ireo andininy roa ireo.

  • Inona no mampitovy ireo andininy roa ireo? (Ny fanambaran’ny Tompo momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Inona no lanjan’ny fahafantaranao fa ny Tompo dia nanambara ny tenivavolombelony momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no dikan’izany araka ny eritreritrareo?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona izany” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5).

Zarao ho vondrona madinidinika ireo mpianatra. Omeo anjara ny vondrona tsirairay mba hifanakalo hevitra momba ireto lohahevitra manaraka ireto: nahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy”, nahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fotopampianarantsika”, na nahoana ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona”. (Mety ho ilaina ny hanomezanao anjara ny lohahevitra tsirairay ho an’ny vondrona maromaro.) Omeo ny vondrona tsirairay ny tahadika mitovy amin’ity taratasy zaraina manaraka ity ary asao izy ireo hampiasa ny fanambarana izay mifandray amin’ny lohahevitry ny fifanakalozan-kevitra voarainy.

Sary
taratasy zaraina, Vato ifaharan’ny Fivavahantsika

Ny Bokin’i Môrmôna— Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny—Lesona 4

“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy”

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona izany fa tena misy Izy. … Ny fijoroany ho vavolombelon’ny Tompo dia mazava, madio tsara ary feno hery. … Maro amin’ireo Kristianina eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no mandà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy. Mametra-panontaniana mikasika ilay Fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay Fiainany tonga lafatra ary ilay Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra izay tena nisy marina. Mampianatra mikasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireo mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Mitondra ny fanazavana feno indrindra ny amin’ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana koa izany” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5).

“Vato ifaharan’ny Fotopampianarantsika”

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no ahitantsika ireo fahafenoan’ny fotopampianarana izay ilaina amin’ny famonjena. Ary nampianarina amin’ny fomba mazava sy tsotra izy ireo ka na dia ny zaza madinika aza dia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena sy fisandratana. Manolotra zavatra maro izay mampivelatra ny fahatakarantsika ny fotopampianaran’ny famonjena ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy teo izany, dia tsy ho feno sy sarobidy toy izao ny ankabeazan’ny fampianarana any amin’ny soratra masina hafa” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

“Vato ifaharan’ny Fijoroana ho Vavolombelona”

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. … Raha marina ny Bokin’i Môrmôna … dia tsy azo lavina ireo zavatra takian’ny Famerenana amin’ny laoniny sy izay rehetra miaraka amin’izany” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6).

Rehefa nomena fotoana ampy, dia asao ny vondrona tsirairay hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra izay nanaovany fifanakalozan-kevitra.

Farano ity ampahan-desona ity amin’ny fangatahana ny mpianatra mba hizara ny zavatra tsapany momba ny Bokin’i Môrmôna ary mba hizara ny nahatonga izany ho vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany manokana.

Ireo fahavalo dia miezaka ny hanaporofo fa diso ny Bokin’i Môrmôna

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Nandritra ny fotoana [mihoatra ny 180] taona dia nodinihina sy nenjehina, nolavina sy nofakafakaina tamin’ny singany rehetra ary natao tsikera fatratra mihoatra lavitra noho ny boky hafa tamin’ny tantaran’ny fivavahana maoderina—na mihoatra lavitra noho ny boky rehetra amin’ny tantaran’ny fivavahana ity boky ity. Ary mbola mijoro izany. Ny foto-kevitra tsy nahomby momba ny niandohany dia niforona sy niverimberina ary nanjavona—izay nanomboka tamin’i Ethan Smith ka hatrany amin’i Solomon Spaulding sy hatrany amin’ny olona nifikitra tamin’ny hadalany ary hatrany amin’ny olona nanana fahaizana ambony manokana izay nanana hevi-dratsy manoloana ny boky. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo valinteny tena mampalahelo tokoa ireo no nahomby tamin’ny fanadihadiana satria tsy misy valinteny hafa ankoatra ny hany izay nomen’i Joseph, ilay mpandika teny vao herotrerony tsy nanam-pahaizana. Amin’izany no hijoroako miaraka amin’ny razambeko, izay nilaza tsotra fotsiny hoe: ‘Tsy misy olon-dratsy afaka nanoratra boky tahaka ity; ary tsy misy olona tsara afaka nanoratra izany, raha tsy hoe marina izany ary nodidian’ Andriamanitra hanao izany izy’” (“Safety for the Soul,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 89).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa ireo fahavalon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia matetika manandrana ny hanoso-potaka ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no hanohanan’ny fanambarana nataon’ny razamben’i Loholona Holland ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Ho ohatra, dia azonao atao ny manazava fa ny fomba iray hanandraman’ny fahavalon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao amin’ny fanosoram-potaka ny Bokin’i Môrmôna dia ny fampiasana ny porofo amin’ny alalan’ny ADN mba hanandramana ny fanaporofoana fa diso ny rohy rehetra izay mety hisy amin’ny vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Amerikana Indiana. Raha manana olana manoloana an’ity zavatra ity ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hamaky ny lahatsoratra ao amin’ny Ireo Lohahevitry ny Filazantsara “Book of Mormon and DNA Studies,” izay hita ao amin’ny lds.org/topics.

Hazony mafy ny fahamarinana fantatrao

Asaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra hoe misy namany iray izay nilaza fa nahare zavatra izay toa mifanohitra amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no torohevitra izay homenao an’ilay namanao?

  • Ahoana no hanampian’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna anao rehefa miatrika tsikera manenjika ny Bokin’i Môrmôna ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Amin’ny fotoan’ny … ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. … Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (“Tompo ô, Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

  • Ahoana no mety hampiharanao ny fanambarana nataon’ny Loholona Holland rehefa miatrika fanontaniana momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ianao? (Mety handroso valinteny isan-karazany ny mpianatra, kanefa tokony antitranterinao ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miatrika fanontaniana na fisalasalana momba ny filazantsara isika, dia tokony hihazona mafy izay efa fantatsika fa marina isika ary mahatoky fa na hahita valinteny amin’ny fandalinana misimisy kokoa isika na Andriamanitra no hanambara ny valinteny amin’ny fotoana ho avy.)

  • Inona ireo fahamarinana efa fantatrao momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fitsipika hita ao aminy? Ahoana no nahafantaranao izany?

Farano ny lesona amin’ny fampisehoana ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza ny fanahiny ary mandà ireo zavatra izay tokony hitondra firaisan-kina ara-panahy sy ara-pahalalana eo amin’ny fiainany manontolo izy. Misy maha-samy hafa azy ny olona iray izay niova fo ka miorina eo amin’ny vatolampin’i Kristy amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna ary mihazona mafy ny anjam-by, sy ny olona izay tsy manao izany” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, jan. 1988, 5).

  • Ahoana no fomba niarovan’ny fandalinana tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna anao ho afaka amin’ireo izay mikasa ny hamotika ny finoanao?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireo mpianatra handinika ny fomba nisian’ny Bokin’i Môrmôna fiantraikany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra afaka ataony mba hanaovany laharam-pahamehana bebe kokoa ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fampanantenana nomen’i Môrônia, izay hita ao amin’ny Môrônia 10:3–5, fa ireo izay maniry ny hankahery ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manao izany amin’ny fandalinana ny boky sy amin’ny fivavahana mikasika ny fahamarinany.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy