Tahirim-pitaovana
Lesona 1 : Asa Mahagaga sy Mahatalanjona


Lesona 1

Asa Mahagaga sy Mahatalanjona

Fampidirana

Hatrany am-piandohan’ny tantara, dia namarana ny vanim-potoan’ny apôstazia ny Ray any an-danitra tamin’ny fiantsoana mpaminany izay mandray fahefana avy any an-danitra mba hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara sy hanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. I Joseph Smith io mpaminany io, izay an’ny fotoampitantanana misy antsika. Ny fahatakarana ny fomba hitarihan’ Andriamanitra ny vahoakany sy ny fomba hananganany ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminany dia hanampy ny mpianatra hampitombo bebe kokoa ny fankafizany ny antony ilàna ny Famerenana amin’ny laoniny sy hampitombo ny fahaizany hampianatra ny hafa momba ny Famerenana amin’ny laoniny.

Vakiteny enti-mandalina

  • M. Russell Ballard, “The Miracle of the Holy Bible,” Ensign na Liahona, mey 2007, 80–82.

  • Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 72–74.

  • Neal A. Maxwell, “From the Beginning,” Ensign, nôv. 1993, 18–20.

  • Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 36–43.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Amosa 8:11–12; Joseph Smith—Tantara 1:5–10

Ny Apôstazia Lehibe sy ny antony ilàna ny Famerenana amin’ny laoniny

Atombohy amin’ny fanoratana izao manaraka izao eo amin’ny solaitrabeny lesona:

Mosary =

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Amosa 8:11–12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ny fomba nampiasana ny teny hoe mosary ho tandindona.

  • Karazana mosary manao ahoana no naminanian’i Amosa fa hitranga? (Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny hoe “Mosary =” ny valintenin’ny mpianatra.)

  • Inona ny faminanian’i Amosa mikasika ny zavatra hataon’ny olona noho io mosary io?

  • Inona ny porofo hitanao eo amin’izao tontolo izao izay maneho fa nisy hatrany ny mosary momba ny “[fandrenesana] ny tenin’i Jehovah”? (Amosa 8:11).

Hazavao fa na dia tena nitranga tamin’ny fotoana maro teo amin’ny tantara aza ny faminaniana ao amin’ny Amosa 8:11–12, ny fahatanterahan’izany iray lehibe dia fantatra amin’ny hoe ny Apôstazia Lehibe. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra hoe Apôstazia, anisan’izany ny Apôstazia Lehibe eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masina eo akaikin’ny Amosa 8:11–12.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy. Asao ny mpianatra hijery ny antony sasany izay nahatonga ny Apôstazia Lehibe.

“Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nenjehin’ireo olona ratsy fanahy ireo Apôstôly sy ireo mpikamban’ny Fiangonana ary novonoiny ny maro tamin’izy ireo. Niaraka tamin’ny fahafatesan’ny Apôstôly, dia nesorina teto an-tany ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny fahefana miahy ao amin’ny fisoronana. Ireo Apôstôly dia nitazona ireo fotopampianaran’ny filazantsara ho madio tsy misy pentina ary nitandrina ny filaminana sy nametraka ny fitsipiky ny fahamendrehana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana. Noho ny tsy fisian’ny Apôstôly dia niova ireo fotopampianarana rehefa nandeha ny fotoana, ary nisy ireo fanovana tsy nahazoana lalana natao teo amin’ny rafitry ny Fiangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.

“Noho ny tsy fisian’ny fanambarana sy ny fahefan’ny fisoronana dia niantehitra tamin’ny fahaizan’olombelona ny olona nentina nanazavana ny soratra masina sy ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hevi-diso no nampianarina ho fahamarinana. Very avokoa ny ankamaroan’ny fahalalana momba ny toe-tena sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Ireo fotopampianarana momba ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina dia novaina na nohadinoina. Ny fahefan’ny fisoronana izay nomena ireo Apôstôlin’i Kristy dia tsy teto an-tany intsony” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 41).

  • Inona ireo antony sasany izay nahatonga ny Apôstazia Lehibe, araka ny voalazan’io fanambarana io?

  • Inona ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana fa tena nitranga tokoa ny Apôstazia Lehibe? (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’ny mpianatra, saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Ny fahafantarana fa nisy ny Apôstazia Lehibe dia afaka manampy antsika hahita fa nilaina ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.)

Hazavao fa nandritra ny vanim-potoan’ny apôstazia, ny Ray any an-danitra dia tsy nitsahatra nampiasa ny fitaomany teo amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy, izay “omena ny olona tsirairay” (Môrônia 7:16), sy tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, izay mijoro ho vavolombelona fa marina ny filazantsara (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masina,” scriptures.lds.org). Nanome fanentanam-panahy ny lehilahy sy vehivavy avy amin’ny kolontsaina maro izay nikatsaka ny fanampiany Izy tamin’io vanim-potoana io. Niasa mafy ireo mpitondra fanavaozana Kristianina toa an’i Martin Luther sy i William Tyndale mba hanampy ny Kristianina hanana fiainana akaiky kokoa ireo fitsipika marina izay hitany tao amin’ny Baiboly. Nanamafy hatrany ny fahamendrehana amin’ny maha-olombelona sy ny fahalalahana ara-pivavahana tany amin’ny faritra maro teo amin’izao tontolo izao ireo ezaka nataon’ny mpitondra fanavaozana sy ny mpahay filôzôfia ary na dia ireo olom-panjakana tany Eoropa sy Amerika Avaratra aza. Na dia teo aza ireo fivoarana manan-danja ireo, dia mbola tsy namerina tamin’ny laoniny tanteraka ny Fiangonany Andriamanitra. (Jereo ny Torio ny Filazantsarako, 53–54.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Nihidy nandritra ny taon-jato maro ny lanitra. Lehilahy sy vehivavy tsara, izay tsy vitsy—ary olona tena lehibe sy mahavariana tokoa—no nanandrana nanitsy sy nankahery ary nanatsara ny fomba fiderany sy ny votoatin’ny fotopampianarany. Manome voninahitra sy haja ho azy ireo ny tenako. Akory ny hatsaran’izao tontolo izao noho ny hetsika feno fahasahiana nataon’izy ireo. Raha mino aho fa nentanim-panahy ny asan’izy ireo, dia tsy nitranga niaraka tamin’izany ny fisokafan’ny lanitra, omban’ny fisehoan’ Andriamanitra” (“The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 80).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny taona 1820, dia nitady ny Fiangonana marina ny zatovolahy kely Joseph Smith kanefa tsy nahita izany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:5–10, ary hitady ireo andian-teny izay mamariparitra ny toe-javatra sarotra izay vokatry ny Apôstazia Lehibe.

  • Inona ireo andian-teny sasany izay nampiasan’i Joseph Smith mba hilazana ny fahasahiranana ara-panahy izy nisy tamin’izany?

  • Ahoana no namariparitan’i Joseph ny fahatsapana nananany noho ny korontana ara-pivavahana izay nanodidina azy?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fikarohan’i Joseph Smith ny fahamarinana dia nahatonga ny Fahitana Voalohany sy ny fiantsoana azy ho mpaminany. (Mbola horesahina ao amin’ny lesona manaraka izany.) Hamafiso fa ny fiantsoana an’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia nanaraka maodely izay napetrak’ Andriamanitra izay niverimberina hatrany teo amin’ny tantara. Ohatra: ny niantsoana an’i Enôka (jereo ny Mosesy 6:26–32) sy i Noa (jereo ny Mosesy 8:17–20) dia nanaraka io maodely io. Asehoy ity fanazavana manaraka ity momba io maodely io, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny tantara ao amin’ny Baiboly dia mirakitra ohatra maro momba ny niresahan’ Andriamanitra tamin’ireo mpaminany, ary miresaka ihany koa ohatra maro momba ny apôstazia. Mba hamaranana ny vanim-potoan’ny apôstazia teo anivon’ny olona dia nampiseho ny fitiavany an’ireo zanany Andriamanitra tamin’ny fiantsoana mpaminany sy tamin’ny fanomezana azy ny fahefan’ny fisoronana mba hamerenana amin’ny laoniny sy hampianarana indray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha ny marina, dia miasa ho toy ny mpitandrina izay miambina ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ny mpaminany. Ireo vanim-potoana tarihan’ny mpaminany ireo dia antsoina hoe fotoampitantanana” (Torio ny Filazantsarako, 39; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fotoampitantanana”).

  • Amin’ny fomba ahoana no hilazana fa manaraka ny maodely hita tamin’ny fotoampitantanana taloha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Aorian’ny fotoan’ny apôstazia miseho eo anivon’ny olona, dia miantso mpaminany sy manome azy ireo fahefana hamerina amin’ny laoniny sy hampianatra ny filazantsara indray Andriamanitra. Tokony hahatakatra ity fotopampianarana ity koa ny mpianatra: Nantsoin’ Andriamanitra i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara ho an’ny fotoampitantanana misy antsika.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana an’io maodely io hanampy anao hanazava amin’ny olona avy amin’ny fivavahana hafa ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara?

Hamafiso fa nandritra ny Fahitana Voalohany dia nianatra i Joseph Smith fa tsy nisy Fiangonana marina teto an-tany ary ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Kristy dia mila averina amin’ny laoniny. Na dia ahitana faminaniana momba ny Apôstazia Lehibe aza ao amin’ny Baiboly, dia ny niantsoana an’i Joseph Smith ho mpaminany sy ny namerenana tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara no nampiseho indrindra fa nisy tokoa io apôstazia io.

2 Nefia 27:25–26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–30

“Asa mahagaga sy mahatalanjona” ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara

Hazavao fa ny soratra masina dia milaza ny antony sasany izay namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsara eto an-tany amin’ny andro farany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny faminanian’i Isaia mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny izay hita ao amin’ny 2 Nefia 27:25–26, ary hijery ny fomba namariparitan’ny Tompo ny toe-piainana ara-panahy misy eo amin’izao tontolo izao amin’ny fotoan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny sy andian-teny izay mamariparitra ireo toe-piainana ara-panahy ireo. (Fanamarihana: Ny fanisiana marika ny teny na andian-teny manan-danja dia anisan’ny fomba tsara indrindra manampy ny mpianatra handray sy hitadidy ny zavatra ianarany avy amin’ny soratra masina.) Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no hilazana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ho “asa mahagaga sy mahatalanjona”?

  • Inona no hitanao fa “mahagaga” sy “mahatalanjona” momba ny Famerenana amin’ny laoniny? (Rehefa manome valinteny ny mpianatra, dia mariho fa ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay “asa mahagaga sy mahatalanjona” dia ohatra iray mikasika ny lohahevitra izay miverimberina hatrany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. “Ny lohahevitra dia toetra na hevitra izay mavesa-danja, miverimberina ary mampiray” [David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (Takariva amorom-patana an’ny Oniversite Brigham Young, feb. 4, 2007), 6, speeches.byu.edu].)

Asao ny antsasakin’ny mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–17, ary hitady ny antony nomen’ny Tompo momba ny nanatanterahany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Asao ny mpianatra ambiny mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:18–30, ary hitady ny fomba izay hitahian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny zanak’ Andriamanitra. (Fanamarihana: ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 dia hohalalinina bebe kokoa amin’ny antsipiriany ao amin’ny lesona 6.)

Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo. Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia manampy an’ireo izay mino an’i Kristy amin’ny fampitomboana ny finoany sy amin’ny fandresena ny antambo amin’ny andro farany.

Vakio mafy ity teny manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–1844) ity:

Sary
Ny Mpaminany Joseph Smith

“[Ireo mpaminany] dia niandrandra am-pifaliana ny andro izay iainantsika; ary nientanentana amin’ny fiandrasana izany am-pifaliana sy miaraka amin’ny lanitra izy ireo ka nihira sy nanoratra ary naminany an’izao andro misy antsika izao” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 198).

  • Nahoana ny mpaminany taloha no niandrandra an’izao androntsika izao? (Ny hevitra iray izay tena mety hitan’ny mpianatra dia ny hoe ny Famerenana amin’ny laoniny dia miely patrana maneran-tany ary manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley, ary asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ry rahalahiko sy anabaviko, azonareo an-tsaina ve ny zavatra ananantsika? Moa ve ianareo mahafantatra ny toerana misy antsika ao amin’ilay tantara an-tsehatra lehibe eo amin’ny tantaram-piainan’ny olombelona? Io no ivon’ny zavatra rehetra lasa teo aloha. …

“… Ny asan’Ilay Tsitoha amin’ny andro farany, izay noresahin’ny olona taloha, izay naminanian’ny mpaminany sy ny apôstôly, dia mitranga. Eto amintsika no misy izany. Noho ny antony izay tsy fantatsika, fa araka ny fahendren’ Andriamanitra, dia manana tombontsoa isika ny hitoetra eto an-tany amin’izao vanim-potoana feno voninahitra izao. …

“Noho ny zavatra ananantsika sy fantatsika, dia tokony ho vahoaka tsaratsara kokoa hatrany isika. Tokony hitovy bebe kokoa amin’i Kristy, sy tokony hamela heloka bebe kokoa, ary tokony hanampy sy hahatsiaro bebe kokoa ny manodidina antsika isika.

“Mitsangana eo amin’ny tendron’ny vanim-potoana rehetra isika, ary talanjona noho ny tantara izay lehibe sy feno voninahitra. Ity no fotoampitantanana farany indrindra izay nifantohan’ny lasa rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa tena misy ary marina ireo zavatra rehetra ireo” (“At the Summit of the Ages,” Ensign, nôv. 1999, 74).

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana misy ateraky ny fanambarana manao hoe “mitsangana eo amin’ny tendron’ny vanim-potoana rehetra isika” aminao?

  • Raha tsy mahakasika ny tenanao manokana loatra izany, dia mizarà zavatra iray tamin’ny fiainanao izay nankahery ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny.

  • Inona no azontsika atao mba hanehoana fankasitrahana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara?

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy