Tahirim-pitaovana
Lesona 6: Ny Firafitry ny Fiangonana


Lesona 6

Ny Firafitry ny Fiangonana

Fampidirana

Nandidy ny Tompo, tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith, fa tokony hatsangana ny 6 aprily 1830 ny Fiangonany (jereo ny F&F 20, sasin-tenin’ny fizarana; F&F 20:1). Io fanambarana io koa dia nanome fahatakarana misimisy kokoa ny mpikambana mikasika ny asa sy fampianaran’ny Mpamonjy. Tamin’ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30, dia nolazain’ny Tompo ho ilay “hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo” ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny, izay manantitrantitra hatrany ny anjara asan’ny Fiangonana amin’ny andro farany sy amin’ny fiainantsika.

Vakiteny enti-mandalina

  • Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey 2008, 20–24.

  • “Organization of the Church of Jesus Christ,” toko 6 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 67–68.

  • Boyd K. Packer, “The Only True Church,” Ensign, nôv. 1985, 80–83.

  • Jeffrey G. Cannon, “‘Build Up My Church’: D&C 18, 20, 21, 22,” Revelations in Context series, jan. 3, 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–3

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Atombohy ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hamariparitra ny zavatra fantany momba ny Fiangonana natsangan’i Jesoa Kristy tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao. Anontanio avy eo hoe:

  • Inona no zavatra fantatsika fa nitranga tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôly?

  • Ahoana no hanazavan’izany fa ilaina ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity ary asaivo mihaino ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba nahafahan’ny fananganana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany namerina tamin’ny laoniny ny toetra manokana manan-danja nisy tao amin’ny Fiangonana natsangan’i Jesoa Kristy tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao.

“Ny 6 aprily 1830, 11 andro monja taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna ho amin’ny varotra, dia nisy vondrona olona niisa 60 teo ho eo niangona tao amin’ny tranohazon’i Peter Whitmer rainy tao Fayette, New York. Tao no nandrafetana tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana, izay nantsoina taty aoriana tamin’ny alalan’ny fanambarana hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny F&F 115:4). Izany dia fotoan-kafaliana, izay nahatsapana betsaka ny Fanahy. Notanterahina ny fanasan’ny Tompo, natao batisa ny mpino, noraisina ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary notendrena tao amin’ny fisoronana ny lehilahy. Tamin’ny fanambarana noraisina nandritra ny fivoriana, no nanendren’ny Tompo an’i Joseph Smith ho mpitarika ny Fiangonana: ‘ho mpahita, ho mpandika teny, ho mpaminany, ho apostolin’i Jesoa Kristy, ho loholon’ny fiangonana, noho ny sitrapon’ Andriamanitra Ray sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tomponao’ (F&F 21:1). Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tafaorina indray teto ambonin’ny tany” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 9–10).

Asao ny mpianatra hamariparitra ny toetra manokana sasany izay itovizan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny sy ny Fiangonana tamin’ny Testamenta Vaovao.

Hazavao fa rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia afaka manampy ny famakiana ny sasin-tenin’ny fizarana. Izany dia manampy amin’ny fahafantarana ny sahan-kevitra ara-tantaran’ny fanambarana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20. (Mety ho ilainao ny manamarika fa ao amin’ny edisiona 2013 ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia nampiana tao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana ny fampahafantarana ara-tantara sasany izay tsy tafiditra tao amin’ny edisiona 1981.) Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady ny hevi-baovao momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Anontanio hoe:

  • Inona ireo fahamarinana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo? (Iray amin’ireo fotopampianarana izay mety ho hitan’ireo mpianatra ny hoe: Voantson’ Andriamanitra i Joseph Smith ary nodidiany handamina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“I Joseph Smith sy ny mpiara-miasa taminy dia nivory tao amin’ny tranohazo tsy nisy haingony tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i Peter Whitmer tao amin’ny tanana kelin’i Fayette, New York, ary nanorina ny Fiangonan’i Kristy. …

“Avy tamin’ireo mpikambana enina tany am-piandohana no nitomboan’ny fianakaviamben’ny mpivavaka. … Avy tamin’ny tanana kely tsotsotra no nitomboan’ny asa lehibe izay mieli-patrana maneran’ny firenena miisa 160 eto an-tany ankehitriny. … Fitomboana tena mahavariana izany. Betsaka kokoa ny mpikamban’ny Fiangonana monina ivelan’ity firenena ity noho ireo monina ao aminy. Izany, koa, dia zavatra tena mahavariana. Tsy nisy fiangonana hafa nipoitra avy tamin’ny Amerika izay nitombo haingana kokoa na niely bebe kokoa. … Zava-nitranga tsy mbola nisy tamin’ny tantara izany” (“The Church Goes Forward,” Ensign, mey 2002, 4).

  • Inona no zavatra mahavariana anao amin’ny fitombon’ny Fiangonana haingana amin’ny andro farany?

  • Amin’ny maha olon-tsotra antsika, Inona no fomba hanampiana ny Fiangonan’ny Tompo mba hitombo hatrany amin’izao fotoana izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–37, 68–69

Ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny adidin’ny mpikambana vita batisa.

Hazavao fa ny fizarana 20 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia fantatry ny mpikambana teny am-piandohana ho Fanekem-pinoana sy Fanekempihavanan’ny Fiangonana. Mirakitra torolalana maro avy amin’ny Tompo mikasika ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny adidin’ny mpikambana ao aminy io fizarana io. Novakiana mafy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tany am-piandohana sasany ity fanambarana ity.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana tamin’ny 1830 ary mikatsaka ny hahafantatra ny zavatra tokony hinoany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy azy ireo. Asao ny antsasakin’ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–28 ary ny antsasany ambiny hamaky ny andininy 29–36, ka hitady ny fotopampianarana izay zava-dehibe ny fahafantaran’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo tafaverina amin’ny laoniny azy. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.

Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny fahamarinana hitany ary hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fahamarinana tsirairay. Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Tamin’ny alalan’ny fanambarana no nanazavan’ny Tompo ny fotopampianarana sy ny fitsipika izay ifotoran’ny filazantsara.

Azonao atao ny manasa ny antsasakin’ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, ka hitady ny fepetra takiana amin’ireo izay maniry hatao batisa. Asao ny antsasany ambiny hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68–69, ka hitady ny zavatra andrasan’ny Tompo amintsika aorian’ny batisantsika. Mariho fa ny torolalana hita ao amin’ireo andininy ireo dia mandrafitra fomba mazava tsara ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra tsy maintsy asehon’ny olona iray alohan’ny hanaovana batisa azy? (Tokony hahita ity manaraka ity ny mpianatra: Alohan’ny tokony hanaovana batisa ny olona iray, dia tsy maintsy mampiseho izy fa manetry tena, mibebaka, vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy ary manana ny finiavana hanompo Azy hatramin’ny farany.)

  • Inona no zavatra andrasan’ny Tompo amintsika aorian’ny batisantsika? (Mety ho samy hafa ny valintenin’ireo mpianatra, kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Aorian’ny batisa dia maneho amin’ny Tompo ny fahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny fandehanantsika sy ny firesahantsika araka an’ Andriamanitra.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “maneho … fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra”? (F&F 20:69).

  • Nahoana no afaka tonga amin’ny mpikamban’ny Fiangonana izay “[mandeha] amin’ny fahamasinana eo anoloan’ny Tompo” ny fitahiana? (F&F 20:69).

Raha mbola misy ny fotoana, dia manaova fanamarihana amin’ny mpianatra fa ny fotopampianarana sy ny fombafomba ao amin’ny Fiangonana voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia hita ihany koa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay manampy antsika hahatakatra fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny fotoampitantanana rehetra dia mitovy hatrany. Ohatra, ireo fotopampianarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–36 dia hita ihany koa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tahaka izany koa, ireo ôrdônansy sy ireo fombafomba voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73–80 dia voasoratra ihany koa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30

Ilay “hany Fiangonana velona sady marina”

Hazavao fa betsaka ny olona ankehitriny no mino fa ny fiangonana rehetra dia marina avokoa ary manana zo mitovy eo anatrehan’ Andriamanitra. Teo amin’ny herintaona sy tapany teo ho eo taorian’ny nandrafetana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anefa, dia nanome famariparitana manan-danja tokoa mikasika ny Fiangonana ny Tompo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30. Anontanio avy eo hoe:

  • Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny? (Tokony haneho ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fiangonana marina sady velona eto ambonin’ny tany.)

  • Midika inona aminao ny hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “hany fiangonana marina sady velona” eto ambonin’ny tany? (Alohan’ny fanomezan’ny mpianatra valinteny, dia mety ilaina ny hampahatsiahivanao azy ireo fa ity fotopampianarana ity dia tsy natao mba hahatsapantsika ny tenantsika ho ambonimbony kokoa noho ny hafa.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Loholona David A. Bednar avy amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ambiny, ary hitady ny antony hilazana fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho ilay “hany fiangonana marina sy velona.”

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Ity no Fiangonana marina, ilay hany Fiangonana marina, satria hita ao aminy ny fanalahidin’ny fisoronana. Ato amin’ity Fiangonana ity ihany no nametrahan’ny Tompo ny hery mamehy eto an-tany sy mamehy any an-danitra tahaka ny nataony tamin’ny vanim-potoan’ny Apôstôly Petera. Ireo fanalahidy ireo dia naverina tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith, izay nahazo alalana avy eo ny hanome izany ho an’ny mpikamban’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo” (Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey 2008, 20).

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny Tompo dia nanambara fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia “ilay hany Fiangonana marina sy velona eto ambony tany manontolo’ (F&F 1:30). Ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia marina satria Fiangonan’ny Mpamonjy; Izy no ‘lalana sy fahamarinana ary fiainana’ (Jaona 14:6). Ary fiangonana velona izany satria ahitana ireo fiasa sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina” (David A. Bednar, “Receive the Holy Ghost,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 97).

  • Nahoana ireo fahamarinana nolazain’ny Filoha Eyring sy ny Loholona Bednar ireo no mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fiangonana hafa rehetra eto an-tany? (Fiangonan’ny Mpamonjy izany, ahitana ireo fiasa sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina, ary ny fanalahidin’ny fisoronana dia hita ao aminy. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanoratany ny sasany amin’ireo hevitra ireo eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30.)

Hazavao fa ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanonona ny teny avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 ary nazavainy avy eo ny antony maha-zava-dehibe an’ity famariparitana ny Fiangonana avy amin’ Andriamanitra ity. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Packer ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Raha manalavitra ity fotopampianarana ity ianao, dia tsy afaka hanamarina ny Famerenana amin’ny laoniny. …

“Tsy namorona velively ny fotopampianaran’ilay hany fiangonana marina isika. Avy amin’ny Tompo izany. Na manao ahoana na manao ahoana fandraisan’ny hafa antsika, na dia toa miseho ho mpianjonanjona aza isika, na manao ahoana na manao ahoana ireo tsikera atao amintsika, dia tsy maintsy mampianatra izany amin’ireo rehetra izay hihaino antsika isika. …

“Tsy milaza akory isika fa tsy manana fahamarinana ny hafa. Ny Tompo dia nilaza fa izy ireo dia manana “endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.” Ireo niova fo tamin’ny Fiangonana dia afaka mitondra ny fahamarinana rehetra ananany miaraka aminy ary hampiana eo aminy izany” (“The Only True Church,” Ensign, nôv. 1985, 82).

  • Amin’ny fomba ahoana no anazavan’ity fotopampianarana ity bebe kokoa ny filàna ny Famerenana tamin’ny laoniny?

Asao ny mpianatra hanazava ny fomba ahafahan’ny olona tsirairay mahafantatra ho an’ny tenany manokana fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia marina.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy