Tahirim-pitaovana
Lesona 7: Mitory ilay Filazantsara Mandrakizay


Lesona 7

Mitory ilay Filazantsara Mandrakizay

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mirakitra fanambarana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany manokana, izay manome didy ny mpikambana mba hitory ny fibebahana sy hanangona ny olom-boafidny. Nitombo haingana ny Fiangonana rehefa nantsoin’ny Mpaminany Joseph Smith ny misiônera izay lasa fitaovana teo am-pelantanan’ Andriamanitra. Mandray fitahiana avy amin’ny asa fitoriana ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny rehefa mahafantatra sy manatanteraka ny andraikiny amin’ny fandraisana anjara amin’ny fizarana ny filazantsara izy ireo.

Vakiteny enti-mandalina

  • Neil L. Andersen, “Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 77–80.

  • L. Tom Perry, “Bring Souls unto Me,” Ensign na Liahona, mey 2009, 109–12.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4–7; 33:2–7

Miantso mpanompo ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana ny zanany

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ny asa fitoriana no manome aina ny Fiangonana. Amin’ny alalany no fomba voalohany hitomboan’ny Fiangonana. Noho io fanompoana io no nahafahan’ny Fiangonana ho tonga amin’izao halehibeny izao” (“Missionary Service,” First Worldwide Leadership Training Meeting, 11 jan. 2003, 17).

  • Araka ny hevitrao manokana, nahoana no afaka lazaina fa “manome aina ny Fiangonana” ny asa fitoriana?

Hazavao fa tany am-piandohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny, dia matetika manontany ny Mpaminany ny olon-tokana mba hikatsaka fanambarana ho an’ny tenan’izy ireo manokana mba hahafantaran’izy ireo ny fomba handraisany anjara amin’ny asan’ny Tompo. Indraindray ireo fanambarana ireo dia voaray ho an’ny olon-tokana ary indraindray ho an’ny olona maro. Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 dia ohatra iray mikasika ny fanambarana voaray ho an’ny olona roa: Ezra Thayer (na Thayre) sy i Northrop Sweet.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2–7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ka hitady ny teny na andian-teny, na fanoharana ampiasan’ny Tompo izay afaka ampiharina amin’ny anjara asantsika manoloana ny asa fitoriana sy ny teny na andian-teny, na fanoharana izay manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fitoriana ny filazantsara amin’ny andro farany.

  • Inona ireo fanoharana nampiasan’ny Tompo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.)

  • Ahoana no hamariparitan’ireo fanoharana ireo ny anjara asantsika manoloana ny asa fitoriana sy ny fanantitranterany ny maha-zava-dehibe ny fitoriana ny filazantsara?

Asao ny mpianatra handalina tsara ny andininy 6 ary hamantatra ny zavatra tanteraka rehefa mitory ny filazantsara amin’ny hafa isika. Rehefa izany dia asaivo milaza ny zavatra hitany amin’ny alalan’ny fiteniny manokana izy ireo. (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa mitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa isika, dia manampy amin’ny fanangonana ny olom-boafidin’ny Tompo. Mety ilaina ny hitantaranao fa taorian’ity fanambarana ity, dia “nameno ny trano fitoeram-biby nananany” tamin’ny olona naniry ny hihaino an’i Joseph Smith sy ny olon-kafa mitory ny filazantsara i Ezra Thayer [Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky. 1 ao amin’ireo andian’antontan-taratasy ao amin’ny The Joseph Smith Papers(2013), 206].)

Zarao amin’ny mpianatra ity famaritana ny fanangonana an’i Isiraely manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ahitana ny finoana sy ny fanekena ary ny fiainana araka ireo zavatra rehetra natolotry ny Tompo ho an’ny vahoaka nofinidiny fahiny. … Izany dia ny finoana ny filazantsara, ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana, ary ny fanatonana ny fanjakana” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 515).

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ity tantara manaraka ity izay mikasika ny sasany amin’ireo misiônera nantsoina voalohany indrindra taorian’ny nandrafetana ny Fiangonana. Asaivo mihaino ny fomba nahafahan’ireo mpitory tany am-boalohany ireo nahita fahombiazana tamin’ny fanangonana ny sasany amin’ny olom-boafidin’ny Tompo ny mpianatra.

“[Ny fararanon’ny taona 1830], dia nanambara tamin’i Joseph Smith ny Tompo hoe i Oliver Cowdery, Peter Whitmer zanany, Parley P. Pratt, ary Ziba Peterson dia ‘handeha ho any amin’ny Lamanita ary hitory ny filazantsarako aminy’ (F&F 28:8; 30:5–6; 32:1–3). Ireo misiônera ireo dia nandeha teo amin’ny 2.414 km, ary nitory nandritra ny fotoana fohy tamin’ny foko Indiana isan-karazany. … Ny fahombiazan’ny misiônera lehibe indrindra anefa dia tamin’ny nijanonany tany amin’ny faritr’i Kirtland, Ohio. Nanao batisa olona niova fo 130 izy ireo tany, izay avy tao amin’ny fiangonana Batista Nohavaozina izay nosahanin’i Sidney Rigdon ny ankamaroany, ka nisava lalana ny ho lasa toeram-piangonan’ny mpikamban’ny Fiangonana aman-jatony herintaona taty aoriana. Nahita olona niova fo sasany izay anisan’ny mpiorim-ponenana tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, ihany koa ireo misiônera, izay nananganana ny tananan’i Ziona taty aoriana” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 160; jereo koa ny Richard Dilworth Rust, “A Mission to the Lamanites: D&C 28, 30, 32,” Revelations in Context series, feb. 22, 2013, history.lds.org).

Hazavao fa ireo fiovam-po tany Ohio avaratra ireo dia nampitombo mihoatra ny indroa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4–7 ary hijery ny famariparitana iray nomena ny “olom-boafidin’ny Tompo.”

  • Ahoana no namaritan’ny Mpamonjy ny olom-boafidiny?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny asan’ireo misiônera voalohany izay nanompo ivelan’ny Amerika Avaratra dia ahitana ohatra mahatalanjona ny amin’ny fomba ampiasan’ny Tompo ny mpanompony amin’ny fanangonana ny olom-boafidiny. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity famintinana manaraka ity. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hihaino ny torohevitra nomen’ny Mpaminany Joseph Smith an’i Heber C. Kimball (1801–1868).

“Heber C. Kimball, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nahatsiaro hoe: ‘Teo amin’ny andro voalohan’ny jona 1837, dia nanatona ahy ny Mpaminany Joseph Smith, nandritra ny fotoana nipetrahako … tao amin’ny Tempoly, tao Kirtland, ary nibitsibitsika tamiko hoe: “Rahalahy Heber, nibitsibitsika tamiko ny Fanahin’ny Tompo hoe: ‘Aoka ny mpanompoko Heber handeha any Angletera sy hitory ny filazantsara ary hanokatra ny varavaran’ny famonjena ho an’io firenena io.’”‘ Tsy nampino ny Loholona Kimball ny fieritreretana izany adidy goavana izany: ‘Nahatsapa ny tenako fa isan’ny mpanompon’ Andriamanitra bitika indrindra. Nanontaniako i Joseph momba ny zavatra tokony holazaiko rehefa tonga any. Namaly izy fa tokony hanatona ny Tompo aho ary Izy no hitarika ahy, ary hiresaka amiko amin’ny alalan’ilay fanahy izay [notarihany] azy.’

“Ny Mpaminany dia niantso ihany koa an’i Orson Hyde, Willard Richards, Joseph Fielding avy tany Kirtland, ary i Isaac Russell, John Snyder, ary John Goodson avy tany Toronto, Canada. Ireo ralalahy ireo dia tokony niaraka tamin’ny Loholola Kimball tamin’ny fitoriana tany Angletera. Taorian’ny nifanaovany fotoana tany New York City, dia niainga tamin’ny sambo Garrick nankany Grande Bretagne ny 1 jolay 1837 izy ireo. Ny asa fitoriana voalohany ivelan’ny Amerika Avaratra dia nahafahana nanao batisa olona niisa 2.000 tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona voalohany niasan’ireo misiônera tany Angletera. Nanoratra tamin-kafaliana tamin’ny Mpaminany ny Loholona Kimball hoe: ‘Voninahitra ho an’ Andriamanitra, ry Joseph, miaraka amintsika ny Tompo, eto anivon’ny firenena rehetra!’

“Ny iraka apôstôlika faharoa ho any Grande Bretagne, izay nandraisan’ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny Roambinifolo anjara teo ambany fitarihan’i Brigham Young, dia notantanan’ny Mpaminany avy tany Nauvoo. Niainga tamin’ny fararanon’ny taona 1839 ny Roambinifololahy ary tonga tany Angletera ny taona 1840. Tany no nanomboka niasan’izy ireo, ary hatramin’ny 1841 dia nitondra olona niova fo nihoatra ny 6.000 tao amin’ny Fiangonana izy ireo” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 351, 354).

  • Inona no torohevitra azon’i Heber C. Kimball avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith?

  • Miresaha fotoana iray izay niainanao ny fanampian’ny Tompo anao tamin’ny ezaka nataonao tamin’ny fizarana ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7; 18:10–16; 31:1–12; 34:5–6; 39:20–23; 88:81

Ireo izay nampitandremana dia tokony hampitandrina ny namany

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampahatsiahy hatrany hatrany ny mpikamban’ny Fiangonana momba ny andraikitra sy ny fitahiana avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana. Ny andraikitsika amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa dia maodely sy lohahevitra miverimberina ao amin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny fianarana mamantatra ny maodely sy lohahevitra dia mahatonga ny mpamaky hivoky misimisy kokoa amin’ny tenin’i Kristy (jereo ny David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” [Takariva amorom-patan’ny Oniversite Brigham Young, 4 feb. 2007], speeches.byu.edu).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81 ary hamintina amin’ny teniny manokana ny fomba izay iantefan’izany amin’ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny. (Ny valinteny iray mety homen’ny mpianatra dia ny hoe ireo rehetra izay nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manana andraikitra ny hizara izany amin’ny hafa.)

Asehoy ity tabilao manaraka ity, na adikao eny amin’ny solaitrabeizany. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra ary omeo anjara iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny vondrona tsirairay. Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy ka hitady ny andraikitra sy fitahiana nampanantenana amin’ny fizarana ny filazantsara.

Andraikitra

Fitahiana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–12

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany amin’ny mpianatra hafa.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy: Asaivo mihaino ny famariparitan’ny Loholona Bednar ny andraikitsika manokana amin’ny fitoriana ny filazantsara ny mpianatra ambiny.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Hatrizay ireo mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena dia misiônera mazoto hatrany ary ho toy izany foana rahatrizay. Ny misiônera dia mpanara-dia an’i Kristy izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Mpanavotra Azy sy manambara ireo fahamarinan’ny Filazantsarany.

“Hatrizay ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fiangonana mitory ny filazantsara ary ho toy izany foana rahatrizay. Ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy dia nanaiky ilay andraikitra sarobidy hanampy amin’ny fanatanterahana ilay fanendrena avy amin’ Andriamanitra nomen’ny Tompo ireo Apôstôliny, araka ny voasoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao:

“‘Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina:

“‘Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Amena’ (Matio 28:19–20).

“Manan-danja lehibe ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany io andraikitra io, dia ny hampianatra ny olona rehetra momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. …

“Eny tokoa, mahatsapa ho manana andraikitra goavana izahay ny hitondra ity hafatra ity ho any amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (“Avia fa ho hitanareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 107).

  • Nahoana ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy no tokony handray ny asa fitoriana ho andraikitra sarobidy?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Tom Perry avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy: Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hisaintsaina ny antony tokony hiheveran’izy ireo ny ho mpizara ny filazantsara mazoto kokoa.

Sary
Loholona L. Tom Perry

“Mifototra amin’ny Sorompanavotan’ny Tompo sy Mpamonjy ny filazantsara. Ny Sorompanavotana dia mitondra hery mba hanadiovana ny fahotana, mba hanasitranana ary mba handraisana fiainana mandrakizay. Ireo izay miaina ny fitsipika sy mandray ny ôrdônansin’ny filazantsara—finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, fandraisana ny Fanahy Masina, sy faharetana hatramin’ny farany ihany no afaka omena ireo fitahiana tsy azo saintsainina avy amin’ny Sorompanavotana. Ny hafatra fitoriana lehibe omentsika an’izao tontolo izao dia ny hoe asaina ny olombelona rehetra mba ho avotra sy hiditra ao amin’ny valan’ny Mpiandry Ondry Tsara, dia i Jesoa Kristy izany.

“Ny hafatra fitoriana lehibe omentsika dia mandray hery avy amin’ny fahafantarana ny Famerenana amin’ny laoniny. Fantatsika fa Andriamanitra dia miresaka amin’ny Mpaminaniny ankehitriny, tahaka ny tamin’ny fotoana fahiny. Fantatsika koa fa ny Filazantsarany dia tantanina amin’ny alalan’ny hery sy fahefan’ny fisoronana tafaverina amin’ny laoniny. Tsy misy hafatra hafa ho an’ny olona eto an-tany ankehitriny izay manan-danja mandrakizay noho io hafatra io” (“Bring Souls unto Me,” Ensign na Liahona, mey 2009, 110–11).

  • Nahoana araka ny hevitrao no tokony hihamazoto bebe kokoa ny tsirairay amin’ny fizarana ny filazantsara? (Ny valinteny dia tokony hahitana ity manaraka ity: Rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika, dia manome azy ireo fahafahana handray ny fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

Asao ny mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:5–6; 39:20–23, ka hitady antony manan-danja iray hafa nandidian’ny Tompo hizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny hafa. (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Rehefa mizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny hafa isika, dia manampy azy ireo hiomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe mandrakizay ny filazantsara manampy anao mba hazoto kokoa amin’ny fizarana izany amin’ny olona hafa tsy mitovy finoana amintsika?

  • Mitantarà traikefa iray izay niainanao mikasika ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa.

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra mba hisaintsaina sy hanoratra ny zavatra afaka ataony amin’ny fandraisana anjara amin’ny fizarana ny filazantsara. Azony atao, ohatra, ny manoratra ny anaran’ny olona iray fantany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny ary mandray fanapahan-kevitra ny hizara ny filazantsara amin’io olona io. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra kasainy hatao. Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny fitsapana voarainy ary hivavaka isan’andro ho an’ny fahafahana ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy