Tahirim-pitaovana
Lesona 19: Ny Fotopampianaran’ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana Mandrakizay


Lesona 19

Ny Fotopampianaran’ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana Mandrakizay

Fampidirana

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manantitrantitra ilay fotopampianarana hoe ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia voatendrin’ Andriamanitra. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny mpivady dia afaka mbola hitohy ho mpivady aorian’ny fitsanganana amin’ny maty. Ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia manazava fa ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (F&F 131:2) dia ilaina mba hahazoana ny fisandratana. Ity lesona ity dia hanazava tsara amin’ireo mpianatra fa mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadiana dia tsy maintsy fehezin’ny olona izay manana ireo fanalahidin’ny fisoronana ny mpivady ary miaina amim-pahamarinana avy eo.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–95.

  • David A. Bednar, “Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 82–87.

  • Joshua J. Perkey, “Why Temple Marriage?” New Era, aog. 2013, 30–32.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17131:1–4

“Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana”

Fanamarihana: Rehefa mampianatra ity lesona ity ianao, dia fantaro fa mety misy mpianatra izay efa nanana fiainana an-tokantrano sarotra na efa nandalo ratram-po na fanaintainana mifandray amin’ny fanambadiana na ny fananan-janaka. Eritrereto ny filàn’ireo mpianatra ireo rehefa manomana sy mampianatra ny lesona ianao.

Lazao ireo mpianatra fa tamin’ny 1831 tao Kirtland, Ohio, dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Leman Copley. Mpikambana tao amin’ny Fikambanana Mitambatry ny Mpino ny Fisehoan’i Jesoa Kristy Fanindroany izy izay nantsoin’ny maro hoe Shakers noho ny fomba fitsaohan’izy ireo izay manetsiketsika ny vatany rehefa mihira ary mandihy sy mitehaka amin’ny mozika. Rehefa nino ny filazantsara i Leman Copley dia mbola nino foana ny sasany tamin’ireo fampianaran’ny Shakers izy. Nitsidika an’i Joseph Smith izy, ka ho valin’ilay fitsidihana, dia nanome an’i Joseph Smith ny fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ny Tompo tamin’ny 7 mey 1831. (Ny sasin-tenin’ny fizarana tao amin’ny fanontana tany am-boalohany an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nanome io daty io ho martsa 1831. Vao tsy ela ny mpahay tantara no nahatsikaritra fa ny daty marina kokoa dia ny 7 mey 1831.)

Notsipahin’ny Shakers ny fanambadiana ary nino ny fitokanan-tena tanteraka izy ireo (fifadiana ny firaisana ara-nofo). Nahitsin’ny Tompo io fotopampianarana diso io tao anatin’ilay fanambarana ary nandidy an’i Leman Copley sy ny hafa koa Izy mba hitory ny filazantsara amin’ny Shakers.

Asao ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17, mba hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Anontanio hoe:

  • Araka ireo andininy ireo, inona no ampianarin’ny Tompo momba ny fanambadiana? (Tokony ho fantatry ny mpianatra ity fotopampianarana manaraka ity: Ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy dia voatendrin’ Andriamanitra.)

  • Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe ny fanambadiana dia voatendrin’ Andriamanitra “mba hahatratraran’ny tany ny tanjona namoronana azy”? (Mety ahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’ny mpianatra: Nodidiana ny mpivady mba hanan-janaka. Noforonina ny tany mba hanome toerana hahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra hiaina ny fiainana miaraka amin’ny fianakaviana.)

  • Ahoana no mety ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo manampy antsika hanazava ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny fanambadiana?

Hazavao fa taona maro taty aoriana dia nitombo be ny fahatakaran’ny Olomasina ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay. Ny 16 mey 1843, dia nandeha nankany Ramus, Illinois, i Joseph Smith. Rehefa nipetraka tao amin’ny tranon’i Benjamin sy Melissa Johnson ny Mpaminany dia nampianatra azy ireo momba ny fanambadiana mandrakizay. Ny sasany tamin’ireo fampianaran’ny Mpaminany tao Ramus dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131. Asao ireo mpianatra hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4, ary anontanio avy eo hoe:

  • Inona no zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy? (Tokony ho fantatry ny mpianatra ity fotopampianarana manaraka ity: Mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika. Hazavao fa ny teny hoe vaovao eto amin’ity sahan-kevitra ity dia midika fa vao haingana io fanekempihavanana io no tafaverina amin’ny laoniny amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Ny teny hoe maharitra mandrakizay dia midika fa efa nisy hatrizay io fanekempihavanana io ary haharitra mandrakizay. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanoratra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.)

  • Amin’izao androntsika izao, ahoana no idiran’ny lehilahy iray sy vehivavy iray ao amin’io “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” io?

Hamafiso fa any amin’ny tempoly masina ihany no ahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy miditra amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana. Mety hampiasa ny teny hoe “vady mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay” ny olona izay manambady ivelan’ny tempoly ao amin’ny voadin’ny fanambadiany, saingy tsy hankasitrahan’ Andriamanitra izany fanambadiana izany any amin’ny mandrakizay.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy: Amporisiho ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’ny Loholona Nelson mikasika ny antony mahatonga ny fanambadiana ho manan-danja lehibe aok’izany:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Iadian-kevitra manerana izao tontolo izao ny momba ny fanambadiana, izay ahitana karazana fifanarahana maro ho amin’ny olona roa izay miara-mipetraka toy ny mpivady. Ny tanjoko amin’ny firesahana momba io lohahevitra io dia ny hanambara, amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy, fa ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy dia masina—voatendrin’ Andriamanitra izany. Milaza ihany koa aho ny amin’ny fahamasinan’ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Io no karazana fanambadiana ambony indrindra sy maharitra indrindra izay afaka omen’ Andriamanitra ireo zanany.

“Raha zavatra mahakasika ny tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika ny fianakaviana. …

“… Mba ho mendriky ny hahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy manao fanekempihavanana mandrakizay sy maharitra mandrakizay amin’ny Raintsika any An-danitra isika [jereo ny F&F 132:19]. Midika izany fa tsy ho an’ny mpivady ihany ny fanambadiana any amin’ny tempoly fa mahafaoka ny fiaraha-miasa miaraka amin’ Andriamanitra ihany koa izany [jereo ny Matio 19:6]” (“Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–93).

  • Inona araka ny hevitrao ny dikan’ity fehezanteny ity: “Raha zavatra mahakasika ny tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika ny fianakaviana”?

  • Inona ny dikan’ny hoe mahafaoka “ny fiaraha-miasa miaraka amin’ Andriamanitra” ao amin’ny fanambadiana mandrakizay? Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny manana fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra ao amin’ny fanambadiana mandrakizay? (Ao amin’ny fanambadiana ihany no anaovan’ny olona iray fanekempihavanana amin’ny olona iray hafa miaraka amin’ Andriamanitra. Ireo fanekempihavan’ny filazantsara hafa rehetra dia ataon’ny olona iray amin’ Andriamanitra.)

  • Ahoana ahafahan’ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay izay naverina tamin’ny laoniny mampiakatra ny fanirian’ny olona iray hanorina fanambadiana feno fitiavana sy maharitra?

Ny Loholona Parley P. Pratt (1807–57) avy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny vokatry ny fahalalana an’io fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny io teo aminy. Asao ny mpianatra iray hamaky izao manaraka izao:

Sary
Loholona Parley P. Pratt

“Avy tamin’i [Joseph Smith] no nianarako fa ny vady malalako dia mety ho fehezina amiko mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay. … Avy taminy no nianarako fa afaka kolokolointsika ireo fitiavana ireo, ary hitombo ka hampivoatra izany mankany amin’ny mandrakizay; raha toa ka ny vokatry ny fiarahantsika tsy misy fiafarany dia ho taranaka maro be tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. … Efa nitia aho teo aloha, fa tsy fantatro hoe nahoana. Fa ankehitriny kosa dia mitia aho—amin’ny fahadiovana—fahatsapana mahery vaika sy tretrika eo amin’ny hamafiny” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 297–98).

Alohan’ny hanohizana ity lesona ity dia mety ho fahendrena ny mifanakalo hevitra momba ity manaraka ity:

“Ireo mpikambana sasany ato am-piangonana dia mijanona ho tokan-tena tsy fidiny na dia manam-paniriana ny hanambady aza izy ireo. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianao dia matokia fa ‘ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra’ (Romana 8:28). Rehefa mitoetra ho mendrika ianao dia indray andro any, eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy, dia homena ireo fitahiana rehetra an’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 99).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–21

Ilaina ho an’ny fisandratana ny fanambadiana mandrakizay

Hazavao fa tokony ho roa volana taorian’ny nanomezan’i Joseph Smith ny fampianarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131, dia nanonona ny fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 izy. Asao ny mpianatra hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132. Hazavao fa horesahina ao amin’ny lesona manaraka ny mikasika ny fananana vady maro. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ireo teny na andian-teny izay milaza ny maha-zava-dehibe ny fidirana ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ao amin’ireo andininy ireo no teny na andian-teny manazava ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana?

  • Inona no vokatry ny fandavana an’io fotopampianarana io? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe voaheloka dia milaza fa tsy afaka ny hivoatra mandrakizay intsony ny olona iray.)

Fanamarihana: Makà minitra vitsivitsy mba hanamarihana amin’ny mpianatra fa fahaiza-mandalina ny soratra masina tena manan-danja ny mijery ireo teny na andian-teny, ilay fahaiza-manao izay vao avy nampiharin’izy ireo tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:3–6. Tena ilaina ny mijery sy manakatra ireo teny na andian-teny rehefa mandalina ny soratra masina. Ao amin’ny andininy 3–6, dia ilaina ny mahatakatra ireto andian-teny manaraka ireto: “handray sy hankatò,” “tsy maintsy mankatò,” “raha tsy mandray izany ianareo dia voaheloka,” “tsy misy afaka mitsipaka,” “tsy maintsy sy tokony.” Ohatra mampiseho ny fifandraisan’ireo hevitra ao amin’ny soratra masina ihany koa ny sasany amin’ireo andian-teny ireo. Ny fifandraisana dia mampiseho ny fifandraisana na rohy mampifandray ireo hevitra. Ohatra: ny andininy 3 dia mampiseho ny fifandraisana eo amin’ny fiomanana, fandraisana ary fankatoavana.

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7–8, ka hitady ireo fepetran’ny lalàn’ny Tompo izay mahatonga ny mpivady ho afaka ny hiaina amin’ny maha-mpivady azy aorian’izao fiainana izao.

  • Araka ireo andininy ireo, inona avy ireo fepetra ilaina amin’ny fanambadiana mba haharitra mandrakizay? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy fehezina amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny fanekempihavanana, dia haharitra mandrakizay.)

Zarao ity famaritana ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana manaraka ity: “Ny Fanahy Masina dia ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana (Asa 2:33). Amafisiny ho azo ekena amin’ Andriamanitra ny asa marina sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanan’ny olona. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia vavolombelona manambara amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy ary efa notandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa an’io fitsipika io, dia hevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny atao hoe mamehy dia mankatò, manamarina, na manaiky. Araka izany, ny asa atao iray izay fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia asa iray izay ankatoavin’ny Fanahy Masina; izay eken’ny Tompo; ary ilay olona izay nandray ilay asa natao teo aminy dia hamarinin’ny Fanahy amin’ny zavatra izay nataony. Tsy apetraka eo amin’ilay asa atao iray ihany ilay hery famehezan’ny fanekena raha toa ka tsy mendrika ireo izay manao ny fifanekena noho ny fahamarinan’ny tenany manokana mba ahafahany mahazo ny fankatoavana avy amin’ Andriamanitra” (Mormon Doctrine, fanontana faha-2 [1966], 361–62).

Nanoritra hatrany ireo fepetra ilaina sy ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay ny Tompo, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–21. Asaivo miasa anaty vondrona tsiroaroa ireo mpianatra mba handalina io andinin-tsoratra masina io. Asao ireo vondrona mba hanao lisitra anankiroa: (1) ireo fepetra takiana mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadiana, ary (2) ireo fitahiana azo rehefa feno ireo fepetra ireo. Rehefa vita dia mety ahitana izao manaraka izao ireo lisitra:

Fepetra takiana mba hampaharitra mandrakizay ny fanambadiana

  • Tsy maintsy tanterahina mifanaraka amin’ny lalàn’ny Tompo sy “ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay” ny fanambadiana.

  • Tsy maintsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny fanambadiana.

  • Tsy maintsy tanterahin’ny olona izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ny fanambadiana.

  • Tsy maintsy mandray ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ny mpivady.

Ireo fitahiana izay ho azo

  • Hitsangana amin’ny Fitsanganan’ny Maty Voalohany ny mpivady.

  • Handova fiandrianana, fanjakana, fanapahana, hery sy ireo rehetra izay avo sy lalina ilay mpivady.

  • Hanan-kery tanteraka ilay fanambadiana aorian’ny fahafatesan’ny vatana.

  • Handalo amin’ireo anjely ilay mpivady.

  • Hasandratra ilay mpivady ka hahazo ny voninahitra amin’ny zavatra rehetra.

  • Hahazo ny “fitohizan’ny voa mandrakizay” ilay mpivady (hitohy mandritra ny mandrakizay ny fianakaviany sy ny taranany; hanana fitohizana mandrakizay izy ireo).

  • Ho lasa andriamanitra ilay mpivady ka tsy hanana fahataperana.

  • Ho ambonin’ny zava-drehetra ilay mpivady ka hanana ny hery rehetra, ary ny zava-drehetra dia hankatò azy ireo.

Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo fepetra ilaina sy ireo fitahiana nampanantenaina an’ny fanambadiana mandrakizay:

  • Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “mandray” ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana? (Azonao atao ny manazava fa dikany iray an’ny teny hoe mandray ny hoe mijanona na manohy. Midika ihany koa izany hoe miaina mifanaraka amin’ilay fanekempihavanana.)

  • Nahoana no tsy ampy hahatratrarana ny fanambadiana mandrakizay ny hoe fehezina fotsiny any amin’ny tempoly?

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mieritreritra ny zavatra nampanantenan’ny Ray any An-danitra anao ianao?

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Zavatra iray tena manan-danja amin’ny fiomanana ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fanambadiana selestialy. Izany dia mitaky ho an’ny olona iray mba hanambady ny olona tokony hovadiany, amin’ny toerana izay maha-mety izany, amin’ny alalan’ny fahefana izay tokony hanao izany, ary mba hankatò amim-pahatokiana izany fanekempihavanana izany. Afaka mahazo antoka avy eo ilay olona fa hahazo ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra” (“Celestial Marriage,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 94).

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ny maha-zava-dehibe ny manambady “amin’ny toerana izay maha-mety izany sy amin’ny alalan’ny fahefana izay tokony hanao izany”?

  • Noho ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay, inona no azonao atao izao mba hiomanana amin’ny fanambadiana mandrakizay sy hanorina fiarahana matanjaka?

Asao ireo mpianatra mba handinika ny zavatra izay mila fiovana amin’ny fiainany mba ho voaomana tsara kokoa amin’ny famehezana any amin’ny tempoly na hitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany famehezana izany. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa mendrika ny hanaovantsika fahafoizan-tena sy ezaka ny fikatsahana ny fanambadiana mandrakizay.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy