Tahirim-pitaovana
Lesona 5: Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fisoronana


Lesona 5

Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fisoronana

Fampidirana

Ny 15 mey 1829, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa ary namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna. Fotoana fohy taorian’izay, dia niseho tamin’i Joseph sy i Oliver i Petera, Jakoba ary Jaona, Apôstôly taloha ary namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka. Ny Fisoronana Melkizedeka no mihazona ny fahefana eo ambonin’ny anjara fanompoana rehetra ao amin’ny Fiangonana ary mitantana ny zavatra ara-panahy rehetra. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba fiasan’ny Fiangonana eo ambany fitarihan’ny Fisoronana Melkizedeka.

Vakiteny enti-mandalina

  • Thomas S. Monson, “The Priesthood—a Sacred Gift,” Ensign na Liahona, mey 2007, 57–60.

  • Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 49–52.

  • Larry C. Porter, “The Restoration of the Aaronic and Melchizedek Priesthoods,” Ensign, des. 1996, 30–47.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:68–71; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1

Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa

Sary
batisa
Sary
fanamasinana ny fanasan’ny Tompo

Asehoy ny sarin’ ny batisa iray (jereo ny Zatovolahy iray atao Batisa [Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara (2009), lah. 103; jereo koa ny LDS.org]) ary ny sary izay mampiseho ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Manamasina ny Fanasan’ny Tompo [ Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 107; jereo koa ny LDS.org]). Asao ny mpianatra hamariparitra ny mety hiova amin’ny fiainany raha tsy nanana fahafahana handray ireo ôrdônansy masina ireo izy. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo ôrdônansy ireo dia anisan’ireo fitahiana azontsika noho ny famerenana tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:68. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ny zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery izay nitarika azy ireo hanontany ny Tompo mikasika ny batisa. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:69. Mariho fa ny teny nolazain’ilay iraka, i Jaona Mpanao Batisa, dia voasoratra ihany koa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13. Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Nahoana no nilain’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny fandraisana ny fisoronana avy amin’ny iraka avy any an-danitra? (Tsy nisy olona nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana teto an-tany tamin’izany fotoana izany [jereo ny Ireo Fanekem-pinoana 1:5].)

Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:70–71. Hazavao fa ireo andininy ireo dia manome fanazavana ny hoe ny Mpaminany Joseph no nampiasa voalohany indrindra ny fisoronana tamin’ity fotoampitantanana ity. Manontany tena ny olona sasany hoe nahoana i Jaona Mpanao Batisa no tsy nanao batisa an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary nahoana ny lehilahy roa no nodidiana ny hifanome indray ny fisoronana. Azonao atao ny manazava fa raha nilain’ny iraka avy any an-danitra izay mihazona ny fahefana ny namerina ny fahefan’ny fisoronana tamin’ny laoniny teto an-tany ho an’ny fotoampitantanana vaovao, ny ôrdônansy atao eto an-tany rehetra kosa toy ny batisa na ny fanendrena dia tokony tontosain’ny olona mety maty, vantany vao tafaverina amin’ny laoniny io fahefana io. Ho fanampin’izay, ny torolalana nomen’i Jaona Mpanao Batisa fa tokony hifanome ny fisoronana indray i Joseph sy i Oliver dia nametraka “ny fanendrena sy ny batisa ho eo amin’ny fifandraisana tokony hisy azy [na amin’ny lamina tokony hisy azy]” (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 3:91).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Ahoana no fomba hanampian’ny Fisoronana Aharôna antsika amin’ny fandraisana ny fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Amporisiho ny mpianatra handinika an’io fanontaniana io rehefa mamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Inona no hevitry ny hoe ny Fisoronana Aharôna dia mihazona ny ‘fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely’ sy ny ‘an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa sy ny famelana ny fahotana’? Ny hevitr’izany dia hita ao amin’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo. Ny batisa dia ho an’ny famelana ny fahotana, ary ny fanasan’ny Tompo dia fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana entiny. Samy tokony hialohavan’ny fibebahana izy roa ireo. …

“Tsy misy na dia iray aza [amintsika] ka hoe niaina tsy nanao fahotana hafa taorian’ny batisa[ntsika]. Raha tsy misy fanadiovana fanampiny atolotra aorian’ny batisantsika dia samy very avokoa isika tsirairay raha ny ara-panahy. …

“Didiana isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavanana mifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. …

“Tsy afaka ny hoe diso manantitrantitra be loatra ny lanjan’ny Fisoronana Aharôna isika mikasika izany. Ireo dingana manan-danja rehetra ireo izay mikasika ny famelan-keloka dia tanterahina amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famonjen’ny batisa sy ny ôrdônansy manavaon’ny fanasan’ny Tompo” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, nôv. 1998, 37–38).

Asao ny mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo mikasika ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Mijoroa ho vavolombelona fa ny ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna dia mamela antsika ny fitahiana maro avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, anisan’izany ny batisa ho an’ny famelan-keloka.

Joseph Smith—Tantara 1:72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; 107:8, 18–19

Namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka i Petera, sy i Jakôba ary i Jaona.

Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehefa nasainao hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:72 ny mpianatra iray. Mba hanampiana ny mpianatra hanana fahatakarana mivelatra kokoa momba ny toe-javatra nisy tamin’ity andinin-tsoratra masina ity, dia hazavao fa fotoana kely taorian’ny famangian’i Jaona Mpanao Batisa, no nandraisan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Fisoronana Melkizedeka avy tamin’i Petera, sy i Jakoba ary i Jaona. Tamin’ny mey 1829 izany no nitranga, tamin’ny toerana akaiky ny Renirano Susquehanna (jereo ny Larry C. Porter, “The Restoration of the Aaronic and Melchizedek Priesthoods,” Ensign, des. 1996, 30–47). Taorian’ny nananganana ny Fiangonana, dia nandray fanambarana hafa mikasika ny fotopampianarana sy tanjon’ny fisoronana ny Mpaminany. Ny fisoronana dia lohahevitra iray miverimberina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ny mpianatra handalina am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19 sy ny 107:8, 18–19, ary hitady ny fomba hamariparitan’ireo andininy ireo ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra ny hampifandraisany ny soratra masina eo amin’ireo andininy ireo. (Fanamarihana: Ny fampifandraisana soratra masina dia fitaovana fandalinana soratra masina iray izay afaka mitondra fampahafantarana fanampiny sy hevi-baovao amin’ny andinin-tsoratra masina izay ianarana. Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay nianarany momba ny Fisoronana Melkizedeka. Rehefa manome valinteny izy ireo, dia soraty ireto andian-teny ireto eo amin’ny solaitrabe:

Mitantana ny filazantsara

Mihazona ireo fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana

Mihazona ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra

Mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy ao amin’ny Fiangonana

Mihazona ireo fanalahidin’ny fandraisana fanambarana

Mihazona ireo fanalahidy mba hifanerasera amin’ny tafika avy any an-danitra ary amin’ny fitoerana miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka

Azonao atao ny mamintina ireo valinteny eo amin’ny solaitrabe amin’ny fanaovana ny fanantitranterana ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fisoronana Melkizedeka dia mihazona ny fanalahidin’ny ôrdônansy sy ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny andian-teny eo amin’ny solaitrabe, dia manaova fifanakalozan-kevitra mikasika ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mikasika an’ireo fanontaniana manontolo:

  • Inona no fomba sasany izay mahatonga ny Fisoronana Melkizedeka “mitantana ny filazantsara”? (F&F 84:19). (Ny valinteny dia mety ahitana ny fitantanana ôrdônansy manokana na ny fiahiana sy fitarihana ny Fiangonana.)

  • Inona araka ny hevitrao no mety ho dikan’ny hoe ny Fisoronana Melkizedeka dia “mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana”? (F&F 84:19). (Mety ilaina ny hanazavanao fa “ny misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Misterin’ Andriamanitra,” scriptures.lds.org]. Ankoatran’ny mistery hafa, ity andininy ity dia milaza momba ny ôrdônansin’ny tempoly izay hambara tsy ho ela amin’i Joseph Smith ary ny tsy maintsy hitantanana izany amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika dia afaka mianatra ny sasantsasany amin’ny “misterin’ Andriamanitra” ao amin’ny tempoly, rehefa mandray anjara amin’ny ôrdônansy izay tanterahina any ary rehefa mitandrina ny fanekempihavanana mifanaraka amin’izany.)

  • Ahoana no hanampian’ny Fisoronana Melkizedeka antsika hahazo “fahalalana an’ Andriamanitra”? (F&F 84:19). (Mahazo fahalalana an’ Andriamanitra isika rehefa mandray anjara amin’ny ôrdônansy izay tanterahin’ny Fisoronana Melkizedeka.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny andian-teny hoe “ny fahalalana an’ Andriamanitra” dia azonao atao ny mamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Ny Filoha James E. Faust

“Inona no atao hoe fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra, ary afaka mandray izany daholo ve ny rehetra? Raha tsy misy ny fisoronana dia tsy misy ny fahafenoan’ny fahalalana an’ Andriamanitra. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza fa ny ‘Fisoronana Melkizedeka … no lalana hahatongavan’ny fahalalana rehetra, ny fotopampianarana rehetra, ny drafitry ny famonjena, ary ny zavatra manan-danja rehetra izay hambara avy any an-danitra’ [Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 115]” (“The Key of the Knowledge of God,” Ensign, nôv. 2004, 52).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ka hitady ny fomba handraisan’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay ny fitahiana ara-panahy izay misy noho ny Fisoronana Melkizedeka. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no ôrdônansy izay tsy afaka tanterahina afa-tsy amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka? (Ny fandraisana ho mpikambana, ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka, ny ôrdônansin’ny tempoly, ny fitsofandrano ny zazakely, ny fametrahan-tanana ny marary, ny tsodranon’ny patriarika, ny fanokanana ny olona iray ho amin’ny antso iray)

  • Ahoana no hanampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana ny olona mba hiaina “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”, izany hoe ny hery mba ho lasa tahaka an’ Andriamanitra?

  • Ahoana no hanampian’ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka antsika hiomana hahita ny tavan’ Andriamanitra?

  • Ahoana no nanampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana anao hitovy bebe kokoa amin’ Andriamanitra?

  • Inona ireo traikefa hafa izay nandray anjara tamin’ny fankasitrahanao sy tamin’ny fanananao fijoroana ho vavolombelona momba ny fisoronana?

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona izay anananao mikasika ny fitahian’ny fisoronana. Amporisiho ny mpianatra handinika ny zavatra afaka ataony mba hanarahany bebe kokoa ny torolalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy