Tahirim-pitaovana
Lesona 28: Fanafainganana ny Asa Famonjena


Lesona 28

Fanafainganana ny Asa Famonjena

Fampidirana

Tao anatin’ny taona vitsy lasa izay, dia nanamafy ilay faminanian’ny Tompo manao hoe: “hohafainganiko … ny asako” (F&F 88:73) ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ny asa famonjena dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo niova fo, ny fampavitrihana ireo mpikambana malaindaina, ny asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny andraikiny amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56

Manafaingana ny asany ny Tompo

Lazao ny mpianatra fa fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nanana fahitana momba ny tontolon’ny fanahy, izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ny Filoha Joseph F. Smith. Nianatra izy fa ireo mpitarika an’ity fotoampitantanana farany ity sy ireo “maro hafa” dia efa voaomana hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterana ho amin’ny andraikitr’izy ireo eto an-tany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56 raha manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo andraikitra izay nomena an’ireo mpitarika ireo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

  • Inona ireo andraikitra izay nomena an’ireo mpitarika ireo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Inona avy ireo fiomanana izay noraisin’izy ireo tany?

  • Inona ireo andraikitra izay mety efa nomena anao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Inona avy ireo fiomanana izay mety efa noraisinao tany? (Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahita ity fitsipika ity: Efa voaomana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika mba ho tonga eto an-tany amin’ny fahafenoan’ny fotoana ka hiasa ho amin’ny famonjena ny fanahin’ny olombelona.)

Asehoy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Filoha Thomas S. Monson

“Fantatrareo ve fa 98 taona ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny izay vao nanana tsatòka 100? Kanefa 30 taona latsaka taty aoriana dia nandrafitra ny tsatòkany 100 faharoa ny Fiangonana. Ary valo taona monja taorian’izay dia nanana tsatòka mihoatra ny 300 ny Fiangonana. Ankehitriny [2014] dia manana tsatòka mihoatra ny 3.000 isika.

“Nahoana no mihazakazaka toy izany ny tahan’io firoboroboana io? Moa ve mitranga izany satria efa be mpahalala kokoa ny Fiangonana? Moa ve mitranga izany satria manana trano fiangonana tsara tarehy isika?

“Manan-danja ireo zavatra ireo, saingy ny antony mampiroborobo ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia satria ny Tompo no nilaza fa hiroborobo izany. Hoy Izy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako” [F&F 88:73].

“Amin’ny maha-zanaka ara-panahin’ny Raintsika any An-danitra antsika dia nalefa tety an-tany isika amin’izao fotoana izao mba hahafahantsika mandray anjara amin’ny fanafainganana ilay asa lehibe” (“Hastening the Work, Ensign, jona 2014, 4).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Monson, nahoana isika no nalefa tety an-tany amin’izao fotoana izao? (Rehefa mizara ny valiteniny ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra izao fitsipika izao: Andraikitsika ny mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Ray any An-dranitra.)

  • Inona ny sasany amin’ireo fomba izay efa nanatrehanao maso ny “fanafainganana” ny asan’ Andriamanitra? (Misy valiny maro io fanontaniana io, anisan’izany ny fanovana ny taona ho amin’ny asa fitoriana, ny fampitomboana ny isan’ireo mpitory ny filazantsara, ny fampitomboana ny isan’ny tempoly, ary ny fampitomboana ireo fitaovana izay manamora ny asan’ny tantaram-pianakaviana.)

Mariho fa ireo valinteny ireo dia mampiseho fa manafaingana ny asany ao amin’ny lafiny roa an’ny voaly ny Tompo. Hazavao fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny dia nanome lanja sahan-kevitra dimy ao anatin’ny asan’ny famonjena ary nangataka antsika tsirairay avy mba handray anjara ao amin’ireo sahan-kevitra ireo amin’ny fanafainganana ny asan’ Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton avy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ity, ary manasà mpianatra iray hamaky izany mafy. Asaivo mamantatra ireo sahan-kevitra dimy izay ao anatin’ny asa famonjena ny mpianatra:

Loholona L. Whitney Clayton

“Mampianatra antsika ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly fa ‘nirahina ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Olomasin’ny Andro Farany mba “hiasa ao amin’ny tanim-boalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona” (F&F 138:56). Io asa famonjena io dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ireo mpikambana, ny fihazonana ireo vao niova fo, ny famerenana ireo mpikambana malaindaina, ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara’ [Manuel 2: Administration de l’Eglise (2010), 5.0]” (“The Work of Salvation: Then and Now,” Ensign, sept. 2014, 63).

Eo ampitadiavan’ny mpianatra ireo sahan-kevitra dia soraty eny amin’ny solaitrabeity manaraka ity:

Ny Asa Fitoriana Ataon’ireo Mpikambana

Fihazonana ireo vao niova fo

Famerenana ireo mpikambana malaindaina

Ny Asan’ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakaviana

Mampianatra ny filazantsara

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73

Afaka mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo isika tsirairay avy

handout iconAsao ny mpianatra iray mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73 ary ny mpianatra sisa kosa manaraka ny vakiteny. Hazavao amin’ny mpianatra fa tokony hiezaka ny hampitombo ny fandraisantsika anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo ny tsirairay avy amintsika. Zarao amin’ny mpianatra ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesona, ka hazavao fa hanampy azy ireo handinika ny fomba ahafahan’izy ireo mampitombo ny fandraisany anjara ity taratasy zaraina ity. Asao ireo mpianatra mba hisafidy sy hamaky am-pahanginana ny iray na maromaro amin’ireo fanambarana ao anatin’ilay taratasy zaraina ka asao izy ireo mba hiomana hamaly ireo fanontaniana hita ao anatin’ilay taratasy zaraina.

taratasy zaraina, Fanafainganana ny Asa Famonjena

Rehefa nanana fotoana ampy ny mpianatra hamakiana sy hiomanana dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fanambarana voalohany. Avy eo dia asao ny mpianatra maromaro hanome ny valintenin’izy ireo ho an’ny fanontaniana telo ao anatin’ilay taratasy zaraina, ka hifantoka amin’ny asa fitoriana ataon’ireo mpikambana. Avereno io dingana io ho an’ireo fanambarana dimy.

Ampio ireo mpianatra mba hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny asa famonjena amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fitahiana efa noraisinao rehefa nandray anjara tamin’ny iray na maro amin’ireo sahan-kevitry ny asa famonjena ianao? Inona no traikefa efa noraisinao raha nandray anjara tamin’ny iray amin’ireo sahan-kevitra ireo izay nanan-danja manokana taminao ianao?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Rehefa tapitra ny fotoana iainantsika eto an-tany, dia traikefa manao ahoana no azontsika hozaraina mikasika ny anjara biriky nentintsika tao anatin’ity vanim-potoana manan-danja teo amin’ny fiainantsika ity sy teo amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra? Ho afaka hilaza ve isika fa namoritra tanan’akanjo isika ka niasa tamin’ny fo manontolo, tamin’ny hery sy ny saina ary ny tanjatsika manontolo? Sa ve isika ho voatery hibaboka fa ny anjara asantsika raha bangoina dia mpitazana fotsiny? (“Sondrian-tory Ve Ianareo Mandritra ny Famerenana Amin’ny Laoniny?”Ensign na Liahona, mey 2014, 59).

Asao ireo mpianatra handrafitra ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba handray anjara misimisy kokoa amin’ny asa famonjena amin’ny fanontaniana azy ireo hoe:

  • Inona ireo fomba sasany izay efa nahitanao ny hafa nanampy tamin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo?

  • Inona ireo fomba sasany izay hanaovanao drafitra mba handraisana anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo.

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fahalalantsika sy ny fijoroana ho vavolombena ananantsika momba ny Famerenana amin’ny Laoniny manampy antsika mba handray anjara misimisy kokoa amin’ny asan’ny famonjena?

Asao ny mpianatra vitsy mba hizara sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatra izay nianaran’izy ireo momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara tamin’ny fandalinana ity fandaharam-pianarana ity. Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Vakitenin’ny Mpianatra

Fanafainganana ny Asa Famonjena

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny—Lesona 28

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ny tsirairay amin’ireo sahan-kevitra dimy izay ao anatin’ny asa famonjena:

  • Ahoana no ahafahan’ny ezaka ataonao ao anatin’io sahan-kevitry ny asan’ Andriamanitra io mitondra ny hafa hanakaiky kokoa ny fitahiana entin’ny famonjena?

  • Inona ireo traikefa efa nanananao ary inona ireo fitahiana izay efa noraisinao rehefa nandray anjara tamin’io sahan-kevitry ny asan’ny famonjen’ny Tompo io ianao?

  • Inona no azonao atao mba hitondrana ny anjara birikinao ao amin’io sahan-kevitry ny asan’ny famonjena io, na inona na inona antsonao ao am-piangonana?

Ny Asa Fitoriana Ataon’ireo Mpikambana

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:

Loholona Neil L. Andersen

“Ry rahalahy sy rahavavy, tahaka ny hanentanan’ny Tompo ny fanahin’ireo misiônera betsaka kokoa mba hanompo dia mamoha ny saina sy manokatra ny fon’ny olon-tsara sy marin-toetra ihany koa Izy handray ny misiônerany. Efa fantatrao izy ireny na mbola ho fantatrao. Ao amin’ny fianakavianao izy ireny ary mipetraka ao amin’ny fiaraha-moninao. Mandalo eo amin’ny lalanao izy ireny, mipetraka eo akaikinao any am-pianarana, ary mifanerasera aminao amin’ny Internet. Ampahany amin’ity fahagagana izay mirongatra ity ianao.

“Raha toa ianao ka tsy misiônera manompo amin’ny fotoana feno manana mari-pamantarana iray mipaingotra eo amin’ny palitaonao, dia izao no fotoana hanoratanao anankiray amin’izany ao amin’ny fonao—soratana araka ny nolazain’i Paoly, ‘tsy tamin’ny ranomainty anefa, fa amin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona’ [2 Korintiana 3:3]. … Misy anjara tokony hataontsika rehetra amin’ity fahagagana ity” (“Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 78).

Ny Fihazonana ireo Niova Fo

Hoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona M. Russell Ballard

“Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao izaho sy ianao mba hahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay hahazo namana sy hankafy ireo fitahiana rehetra izay omen’ny filazantsara.

“Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia efa nampahatsiahy ahy sy anao momba ireo andraikitsika mba ho mpiara-miasa amin’ny Tompo ho fanatanterahana ny drafitra nataony ho an’ny Fiangonana. Hoy ny Filoha Hinckley tao anatin’ny fampitana tamin’ny zanabolana iray:

“‘Ny Tompo dia nametraka teo amintsika ny adidy mba hampianatra ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny misiônera tsirairay—amin’ny fotoana feno sy ny an’ny tsatòka—izany. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny eveka, avy amin’ny mpanolotsain’ny eveka, avy amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny filan-kevitry ny paroasy izany …’ (’Find the Lambs, Feed the Sheep,’ Ensign, mey 1999, 107). Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny mpikambana tsirairay izany” (“Members Are the Key,” Ensign, sept. 2000, 10).

Ny famerenana ireo mpikambana malaindaina

“Ny andraikitsika [amin’ny maha-mpikambana antsika] dia ny mandray anjara tanteraka amin’ny fitiavana sy fanompoana ny manodidina antsika—mankahery ny mpiara-miasa iray izay mila fanampiana, manasa ny namanao hanatrika batisa, manampy ny mpiray vodirindrina iray izay efa antitra amin’ny asa fikarakarana ny tokotaniny, manasa mpikambana izay malaindaina iray mba hiara-misakafo, na manampy ny mpiray vodirindrina amin’ny tantaram-pianakaviany. Fomba voajanahary sy mahafaly ahafahana manasa ireo mpikambana malaindaina sy ireo izay tsy miray finoana amitsika mba hiditra ao amin’ny fiainantsika ka ho vokatr’izay dia hiditra koa ao amin’ny fahazavan’ny filazantsara izany rehetra izany. Ny fizarana amin’izy ireo ireo fotoana mahafinaritra sy ireo fotoana masina tamin’ny fiainantsika no mety ho fomba mahomby indrindra ahafahan’ny tsirairay amintsika ‘hiasa ao amin’ny tanimboalobo[n’i Jesoa Kristy] ho famonjena ny fanahin’ny olona’ (F&F 138:56)” (“Hastening the Work of Salvation,” Ensign, okt. 2013, 36).

Ny Asan’ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakaviana

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy aomin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Quentin L. Cook

“Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nandefa antso mazava tsara ho an’ny taranaka vao misondrotra mba hitarika ny dia amin’ny fampiasana ny teknôlôjia ahafahana miaina ny fanahin’i Elia, sy hikaroka ireo razambeny, ary hanatanteraka ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ho azy ireo. Ny ankamaroan’ireo asa sarotra amin’ny fanafainganana ilay asa famonjena ho an’ny velona sy ny maty dia ianareo tanora no hanao azy” (“Faka sy Sampana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 46).

Fampianarana ny Filazantsara

“Ny andraikitra hampianatra amim-pahombiazana dia tsy voafetra ho an’ireo izay manana antso ho mpampianatra ihany. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao, dia manana ny andraikitra ny hampianatra ny filazantsara ianao. Amin’ny maha-ray aman-dreny, zanakalahy, zanakavavy, vady, rahalahy, rahavavy, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mpampianatra, mpampianatra isan-tokantrano, mpamangy isan-tokantrano, mpiara-miasa, mpiray vodirindrina na namana anao dia manana fahafahana hampianatra ianao. Afaka mampianatra an-karihary sy mivantana ianao indraindray amin’ireo zavatra izay lazainao sy ny tenivavolombelona izay zarainao. Ary mampianatra foana amin’ny alalan’ny ohatra asehonao ianao” (L’enseignement, Pas de Plus Grand Appel: Guide pour l’Enseignement de l’Évangile [1999], 3–4).