Lesona 11
Ny Feon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fampidirana
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampiseho fa Andriamanitra dia miresaka amin’ny mpaminany amin’ny andro farany ary manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany Izy. Rehefa mamaky ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika, dia afaka mahare ny feon’i Jesoa Kristy. Rehefa tonga amin’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika, dia hanome lanja izany mihoatra ny haren’ny tany rehetra.
Vakiteny enti-mandalina
-
Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2005, 24–28.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ny feon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) ity. Mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ambiny.
“Mitondra ny olona ho eo amin’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mitondra ny olona ho eo amin’ny fanjakan’i Kristy, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ‘Ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo’ [F&F 1:30]. Fantatro izany.
“Ny Bokin’i Môrmôna no ‘vato ifaharan’ny’ finoantsika, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no tilikambo, miaraka amin’ny fanambarana mitohin’ny andro farany. Napetraky ny Tompo teo amin’ny vato ifaharana sy ny vato faratampony ny tombokase maneho ny fankatoavany” (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2005, 26)
-
Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay mampiseho ny maha-zava-dehibe izany boky izany ho an’ny Fiangonana sy ny mpikambana tsirairay?
Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny soratra masin’izy ireo ao amin’ny Fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay hita eny amin’ny fanombohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny andinin-tsoratra voalohany sy fahatelo ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Asaivo mitady ireo antony tsy mampitovy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny boky soratra masina hafa ny mpianatra ary hanamarika ny fanatitranteran’ny teny fampidirana ny fihainoana ny feon’ny Tompo. Anontanio avy eo hoe:
-
Inona no tsy mampitovy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny boky soratra masina nankatoavina hafa?
-
Inona no lazain’ny fampidirana momba ny “feon’i Jesoa Kristy Tompo”? (Ampio ny mpianatra mba hahatakatra fa rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika dia afaka mianatra mamantatra ny feon’i Jesoa Kristy Tompo. Hazavao fa ny andian-teny hoe “feon’ny Tompo,” na ny fiovan’izany, dia mitranga mihoatra ny in-40 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana [ohatra, jereo ny F&F 1:2; 18:35–36; 76:30]; ny andian-teny hoe “Izao no lazain’ny Tompo” dia mitranga mihoatra ny in-60 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana [ohatra, jereo ny F&F 36:1; 56:14].) Ny fihainoana ny feon’ny Tompo dia lohahevitra manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny.
“Raha anontaniana hoe boky inona amin’ireo soratra masina no manome fahafahana im-betsaka indrindra mba ‘hihaino’ ny Tompo miresaka, dia ny Testamenta Vaovao no eritreretin’ny ankabeazan’ny olona voalohany indrindra. Ny Testamenta Vaovao dia fitambarana mahatalanjona ny asa sy ny fotopampianarana maro an’ny Mesia. Fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana kosa no handraisana ny feo sy ny tenin’ny Tompo. Tena ohatran’ny hoe ‘henontsika’ mihitsy Izy miresaka” (“The Doctrine and Covenants: The Voice of the Lord,” Ensign, des. 1978, 4).
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fianarana mihaino sy mamantatra ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinana sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mety hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao?
Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra mba handalinany ny andinin-tsoratra fahavalo ao amin’ny fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asaivo mitady ireo fotopampianarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:
-
Nahoana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no “sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo”?
Azonao atao ny mizara ny zavatra nolazain’ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Fitopololahy momba ireo fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:
“Amin’ny alalan’ireo fanambarana nentanim-panahy sy mankahery ireo, dia mampianatra sy manamafy fotopampianarana manan-danja ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. … Ny Loholona John A. Widtsoe (1872–1952) dia nanoratra hoe: ‘Ny fotopampianarana tsirairay ampianarin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hita, na amin’ny fanazavana izany na amin’ny faminaniana ao amin’ny bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Raha ny fantatro manokana aloha, dia tsy misy fotopampianarana izay ampianarin’ny Fiangonana ka tsy hita na amin’ny fomba na endrika hafa aza izany ao anatin’io boky io.’ Nanampy izy fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manan-danja satria ‘tsy misy na iray aza amin’ireo boky masina hafa ananantsika no afaka milaza toa azy ny fahafahany misahana feno ireo fotopampianaran’ny Fiangonana rehetra’ [The Message of the Doctrine and Covenants (1969), 117]” (“Treasuring the Doctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2009, 52).
Asao ny mpianatra hizara ny fomba notahian’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo teo amin’ny fiainany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–17; 5:10
Fampahalalana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Hazavao amin’ny mpianatra fa ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 dia nomen’ny Tompo tamin’ny voalohany ho sasin-tenin’ny Bokin’ny Didy, izay boky firaketana voalohany ny fanambaran’i Joseph Smith. Io firaketana ny fanambarana io, miaraka amin’ny fanambaran’ny Mpaminany hafa sy ny Lectures on Faith, dia natonta taty aoriana ho Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nyfizarana 1 dia miresaka momba ny ilàna an’ity boky soratra masina ity amin’izao fotoana izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1. Ampio ny mpianatra hamakafaka ny sasin-tenin’ny fizarana amin’ny fametrahana ity fanontaniana ity:
-
Inona no fanapahan-kevitra tapaka tamin’ny fihaonambe manokana nataon’ny loholona? (Ireo fanambarana izay noraisin’i Joseph Smith hatramin’io fotoana io dia havoaka printy ho boky. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na dia nantsoina hoe Bokin’ny Didy aza io boky io tany am-boalohany, dia nantsoina hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany taty aoriana.)
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–5. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Niresaka tamin’iza i Jesoa Kristy tao amin’ireo andininy ireo?
-
Ahoana no hamintinanao ny faminaniana voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
-
Amin’ny fomba ahoana hoy ny Tompo no hanomezany ny fampitandremany amin’ny olona rehetra? (Ny mpianatra dia tokony hahita ity fotopampianarana ity: Ny Tompo dia mampitandrina ny vahoaka rehetra amin’ny alalan’ny mpanompony voafidy.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12. Anontanio avy eo hoe:
-
Araka ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejyb amin’ny andininy 12, inona no irian’ny Tompo hampiomanana an’izao tontolo izao? (Rehefa manome valinteny ny mpianatra, dia mety ilaina ny hamporisihanao azy ireo mba hijery matetika ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ho fanazavana sy fampitomboana misimisy kokoa ny fahatakarany ny lahatsoratry ny soratra masina.)
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14–16, ka hitady ny famariparitan’ny Tompo ny tontolo izay misy antsika ankehitriny. Rehefa avy nizara ny zavatra hitany ny mpianatra, dia asaivo mamaky ny andininy 17 izy ireo ary hanazava ny zavatra nataon’ny Tompo mba hiatrehana ny olana hita ao amin’ny andininy 14–16.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:10 ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Rehefa izany dia ifanakalozy hevitra ity manaraka ity
-
Inona no zavatra ianaranao mikasika ny antso tsy manam-paharoa an’i Joseph Smith avy amin’io andinin-tsoratra masina io? (Tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Ny Tompo dia niantso an’i Joseph Smith mba hitondra ny Teniny ho an’izao tontolo izao.)
Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Tamin’ireo zavatra rehetra notanterahany … i Joseph [Smith] dia namela, ambonin’ny zavatra rehetra, ho antsika ny lova matotry ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra—tsy fanambarana tokana izay fanambarana miavaka tsy misy porofo sy tsy misy tohiny, ary tsy ‘karazana fanentanam-panahy matimaty izay hiampita tsikelikely any an-tsain’ny olona tsara sitrapo’ rehetra, fa torolalana voatokana sy tsara omana ary tsy tapaka avy amin’ Andriamanitra. Ny namana akaiky sy manam-pahaizana OMAF mahatoky iray dia nanazava tsara momba an’izany nanao hoe: ‘Tamin’ny vanim-potoana izay nanafihan’ny herin’ny tsara lahatry ny Fanazavana ny fiavian’ny maha-Kristianina, i Joseph Smith dia namerina [tsy tamim-pisalasalana sy tamin’ny herin’ny tenany manokana] ny maha-Kristianina maoderina tamin’ny niaviany, tao amin’ny fanambarana’ [Richard L. Bushman, “A Joseph Smith for the Twenty-First Century,” ao amin’ny Believing History (2004), 274]” (“Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 8).
-
Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ity lesona ity ny fahatakaranao ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?
-
Ahoana no nanamafisan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny maha-mpaminany nantsoin’ Andriamanitra an’i Joseph Smith?
Farano ny lesona amin’ny fangatahana raha misy ny maniry hizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ireo fotopampianarana, fitsipika, ary fahamarinana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Fampidiran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–39; 5:10.
-
Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2005, 24–28.