Tahirim-pitaovana
Lesona 21: Ilay Iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith


Lesona 21

Ilay Iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith

Fampidirana

Taorian’ny nahafaty maritiora an’i Joseph Smith, ny Loholona John Taylor, izay niaraka tamin’i Joseph Smith tamin’ny namonoana azy, dia nidera ny Mpaminany (angamba niaraka tamin’ny Olomasina iray na mihoatra) tamin’ny filazana hoe: “Joseph Smith, ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity” (F&F 135:3). Hanampy ny mpianatra hahita ny fomba nanatanterahan’ny asa fanompoan’ny Mpaminany an’ireo faminaniana taloha ity lesona ity. Ity lesona ity ihany koa dia handinika ny anjara biriky izay nentin’i Joseph ho amin’ny famonjena ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31.

  • Tad R. Callister, “Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 35–37.

  • “F&F 135:3. I Joseph Smith dia nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany,” Doctrine and Covenants Student Manual (Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001), 349–50.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 3:1–21

Ilay iraka nanendrena mialoha an’i Joseph Smith

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tonga ao an-tsainy voalohany rehefa mieritreritra an’i Joseph Smith izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara fohifohy ny fotoana iray izay nahafeno fankasitrahana azy ireo an’ny Mpaminany Joseph Smith.

Lazao ireo mpianatra fa i Nefia dia nanoratra torohevitra vitsivitsy izay nomen’i Lehia an’i Josefa zanany. Io torohevitra io dia voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 3 ary ahitana faminaniana izay nomen’i Josefa tany Egypta mikasika ny fianakavian’i Lehia sy ny andro farany. Azo inoana fa nianatra ireo faminaniana ireo i Lehia avy tamin’ny famakiana ireo takela-barahina. Ao amin’ny 2 Nefia 3 isika dia mianatra fa i Josefa tany Egypta dia nilaza mialoha ilay asa nanirahana an’i Joseph Smith amin’ny andro farany. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 3:6–9. Amporisiho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fomba namariparitan’i Josefa tany Egypta an’i Joseph Smith.

  • Inona ireo teny na andian-teny sasany izay nampiasain’i Josefa tany Egypta mba hamariparitana an’i Joseph Smith? (Tokony hahitana ireto ny valinteny: “mpahita nofinidy,” “hohajaina fatratra,” “lehibe eo imasoko,” ary “lehibe tahaka an’i Mosesy.” Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masiny; eo amin’ny sisin’ny pejy akaikin’ny andininy 6–9, afaka soratany ihany koa hoe Joseph Smith.)

  • Amin’ny fomba ahoana i Joseph Smith no tahaka an’i Mosesy sy i Josefa tany Egypta? (Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–35 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soraatra Masina].)

  • Araka ny andininy 7–8, inona no hitan’i Josefa tany Egypta mialoha momba ny asa fanompoan’i Joseph Smith? (Alaivo antoka fa mahatakatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Hatsangan’ny Tompo i Joseph Smith mba hitondra ny vahoaka ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanany sy hanao ny asany.)

Asao ireo mpianatra mba hiasa tsiroaroa ka handalina ny 2 Nefia 3:7, 11–15, 18–21. Asao ny ekipa tsirairay mba hanao ny lisitr’ireo zavatra izay lazain’ny soratra masina fa hataon’i Joseph Smith mba hanampiana ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanaovan’izy ireo io lisitra io amin’ny fanisiana marika ireo andian-teny manan-danja hitany ao amin’ireo andininy ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao ny ekipa maromaro mba hizara ny zavatra hitany. (Tokony hahitana ireto ny valinteny: hitondra ny olona ho amin’ny fahalalana ireo fanekempihavanana [andininy 7]; hamoaka ny Bokin’i Môrmôna [andininy 13, 18–21]; handresy lahatra ny olona ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly [andininy 11]; hohatanjahina [andininy 13]; ary hitondra ny olona ho amin’ny famonjena [andininy 15].)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Brigham Young (1801–77) ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Brigham Young

“Efa nodidiana tany amin’ny filankevitry ny mandrakizay, ela be talohan’ny nametrahana ny fototry ny tany, fa izy, Joseph Smith, no ilay lehilahy, amin’ity fotoampitantanana faran’ity tontolo ity, hamoaka ny tenin’ Andriamanitra ho an’ny vahoaka. … Ny Tompo dia nametraka ny fiahiany teo aminy, sy teo amin’ny rainy, sy teo amin’ny rain’ny rainy, ary teo amin’ny razambeny mihemotra hatrany amin’i … Adama. Efa narahiny maso izany fianakaviana izany sy izany firazanana izany nanomboka hatrany am-boalohany ka hatramin’ny nahaterahan’izany lehilahy izany. Notendrena mialoha izy tao amin’ny mandrakizay mba hitarika ity fotoampitantanana farany ity” (Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young [1997], 343).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny iraka nanendrena mialoha an’i Joseph Smith, dia ifanakalozy hevitra ity manaraka ity:

  • Nahoana no manan-danja aminao ny mahafantatra fa i Joseph Smith dia efa notendrena mialoha sy efa nomanina tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba ho Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3

I Joseph Smith dia efa “nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany, ho famonjena ny olona”

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay holazainy na hijoroany ho vavolombelona mikasika an’i Joseph Smith raha toa ka fehezanteny vitsy fotsiny no asaina anaovany izany. Hazavao fa taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia nisy fanomezam-boninahitra an’i Joseph Smith izay nosoratana ary notehirizina ho antsika taty aoriana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Anontanio hoe:

  • Inona no fahamarinana ambara ao amin’io fehezanteny io mikasika an’i Joseph Smith? (Tokony ho hitan’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: I Joseph Smith dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy i Jesoa Kristy, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity.)

Mba hijerena ny asa sy ny fandraisana anjaran’ny Mpaminany Joseph Smith, dia alamino ho vondrona kely ireo mpianatra. Asaivo manao jery todika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo ary hieritreritra ireo lesona izay efa nianarana tato amin’ity fandaharam-pianarana ity hatreto. Asao izy ireo hanao ny lisitr’ireo fitahiana sy fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izay manampy amin’ny famonjena antsika. Rehafa avy nanome fotoana ampy, dia asao ny mpianatra mba hisafidy lohahevitra iray amin’ny lisitra izay nataony ka hizara amin’ny vondrona misy azy ny fomba iasan’izany eo amin’ny fiainany sy ny fomba itondran’izany azy mankany amin’ny famonjena.

Mba hamintinana ny valintenin’ny mpianatra, dia asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Tad R. Callister ity, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy ka manaraka ny mpianatra hafa:

Sary
Loholona Tad R. Callister

“Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no namerenana tamin’ny laoniny ny hery, ny fanalahidy, ny fampianarana, ary ny ôrdônansy rehetra ilaina amin’ny fanavotana sy ny fisandratana. Tsy afaka ny handeha any an-toeran-kafa ianao eto an-tany ka hahita izany. Tsy natao ho hita any amin’ny fiangonana hafa izany. Tsy natao ho hita ao amin’ny filôzôfian’ny olombelona na ny fikarohana ara-tsiansa na ny fivahinianana masina izany, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho fahaizan’izany. Amin’ny toerana iray irery ihany no ahitana ny famonjena, araka izay notondroin’ny Tompo rehefa nilaza Izy fa ity no ‘ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo’ (F&F 1:30)” (“Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 37).

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba nandraisan’ny asa fanompoan’i Joseph Smith anjara tamin’ny fanavotana azy ireo, dia anontanio avy eo hoe:

  • Inona no fomba manokana izay mety hampiova ny fiainanao raha tsy nisy ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2; Joseph Smith—Tantara 1:33

“Ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena … rehetra” ny anaran’i Joseph Smith

Lazao ireo mpianatra fa na dia teo aza ireo zavatra tsara izay nataon’i Joseph Smith, dia maro ireo mpanaratsy azy, indrindra indrindra rehefa akaiky ho faty izy. Efa hitan’ireo mpaminany taloha mialoha ihany koa io lafiny amin’ny fiainany io (jereo ohatra ny, 3 Nefia 21:10). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny zavatra izay nolazain’i Môrônia tamin’i Joseph Smith momba ireo izay hanohitra azy, araka ny voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:33. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:1–2. Ampio ireo mpianatra mba hilaza fahamarinana iray avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fanontaniana hoe:

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianarantsika tamin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo momba ny fomba izay handraisan’ny olona an’i Joseph Smith? (Rehefa mizara ny famintinana izay natolony ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra ity fahamarinana ity: Raha maro amin’izao tontolo izao no haneso sy tsy hanaja an’i Joseph Smith, ireo marina kosa dia hikatsaka ireo fitahiana azo avy amin’ny alalan’ny asa fanompoany.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no manana mpitsikera sy fahavalo maro ny Mpaminany Joseph Smith, na dia efa taona maro aza no efa lasa hatramin’ny nahafatesany? (Ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny Laoniny dia miankina amin’ny hoe mpaminany nanatanteraka ny asan’Andriamantra ve i Joseph Smith sa tsia. Noho izany i Satana dia tsy mitsahatra nanaratsy an’i Joseph Smith.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Ireo izay tsy mino ny asan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia tsy mino tsotra izao fa miteny amin’ny olona eto an-tany ny olona any an-danitra. Tsy mety ho hisy izany, hoy izy ireo, ny hoe nisy takela-bolamena natolotry ny anjely iray ka nadika tamin’ny herin’ Andriamanitra. Noho izany tsy finoana izany, dia mandà haingana ny tenivavolombelon’i Joseph izy ireo, ary indrisy ny sasany dia hiafara amin’ny fanalam-baraka ny fiainan’ny mpaminany ka hanendrikendrika azy.

“Malahelo isika indrindra fa rehefa misy olona iray izay nanaja an’i Joseph miala amin’izany fahatokiany izany ka manaratsy ny Mpaminany.

“‘Ny mandalina ny Fiangonana … amin’ny mason’ireo mpamadika,’ hoy ny Loholona Neal A. Maxwell indray andro, dia ‘mitovy amin’ny hoe manadihady an’i Jodasy mba hahatakatra an’i Jesoa. Ireo mpamadika dia milaza momba ny tenany manokana kokoa noho ny zavatra na olona izay novadihany’ [“All Hell Is Moved” (Fivoriana fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 8 nôv. 1977), 3; speeches.byu.edu]. …

“Hitombo ireo fanaratsiana atao momba ny Mpaminany Joseph Smith arakaraky ny fanatonan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Tsy hihena ny filazana zavatra tsy tena marina sy ny famitahana miaro hafetsena. Hisy olona ao amin’ny fianakaviana sy namana izay hila ny fanampianao. Izao no fotoana [hiomananao] hanampy ny hafa izay mikatsaka ny fahamarinana” (“Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–30).

Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no manampy ny mahafantatra fa na dia taona maro aza no efa lasa hatramin’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia tsy mitsahatra mamely ny lazany ireo fahavalon’ny Fiangonana?

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo izay mikatsaka ny fahamarinana hahafantatra fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ity, ary asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Ny olona mikatsaka marina ny hahafantatra dia tokony hahita fa ny fielezan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia vokatry ny asan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminany. …

“Hoy i Jesoa hoe:

“‘Ny hazo tsara tsy afaka mamoa voa ratsy, ny hazo ratsy tsy mamoa voa tsara. …

“‘… Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy’ [Matio 7:18, 20].

“Mandresy lahatra ireo fanazavana ireo saingy tsy tokony hiantehitra amin’izy ireo fotsiny ny olona mikatsaka marina ny hahafantatra raha te-hampiorina ny fikarohany ny fahamarinana.

“Ny mpino tsirairay dia mila fanamafisana ara-panahy mikasika ny iraka masina nampanaovina ny Mpaminany Joseph Smith sy mikasika ny toetrany. Marina izany ho an’ny taranaka rehetra izay mifandimby. Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’ Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy” (“Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 29–30).

Omeo fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny Mpaminany Joseph Smith ny mpianatra amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona eo amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hitanao fa manamarina ilay iraka amin’ny maha-Mpaminany an’i Joseph Smith?

  • Inona no zavatra izay efa niainanao ka nanampy tamin’ny fanananao fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith?

Farano ny lesona amin’ny fampisehoana ireto fanambarana manaraka ireto, izay nataon’i Bathsheba W. Smith (1822–1910), filoha fahefatra an’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, sy ny Filoha Brigham Young (1801–77). Samy nahafantatra an’i Joseph Smith ny Rahavavy Smith sy ny Filoha Young tamin’ny fahavelony. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo fanambarana ireo:

Sary
Bathsheba W. Smith

“Vao naheno ny Filazantsara aho dia fantatro fa marina izany. Vao namaky voalohany ny Bokin’i Môrmôna aho, dia fantatro fa araka ny tsindrimandrin’ Andriamanitra izany. Vao nahita voalohany an’i Joseph Smith aho dia fantatro fa nijoro nifanatrika tamin’ny mpaminan’ilay Andriamanitra velona, ary tsy nanana fisalasalana tao an-tsaiko aho mikasika ny fahefany” (Bathsheba W. Smith, voalaza ao amin’ny Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours [2011], 38).

Sary
Filoha Brigham Young

“Te hihoby hoe ‘aleloia’ foana aho rehefa mieritreritra fa nahafantatra an’i Joseph Smith, ilay Mpaminany natsangana sy voatendrin’ny Tompo, sy nomeny ireo fanalahidy sy hery hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany” (voalaza ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 531).

Asao ny mpianatra handinika ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny zavatra tokony hataony mba hizarana izany amin’ny hafa, na izany amin’olona mivantana na amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana. Amporisiho izy ireo mba hamantatra olona izay tiany hizarana izany fijoroana ho vavolombelona izany ka hampihatra izany faniriana izany.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy