Tahirim-pitaovana
Lesona 20: Ny Fanambadiana Maro


Lesona 20

Ny Fanambadiana Maro

Fampidirana

Ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia lalàn’ny Tompo raha tsy hoe Izy no mandidy hanova izany (jereo ny Jakôba 2:27–30). Nodidiana ny hamerina ny fampiharana ny fanambadiana maro ny Mpaminany Joseph Smith, izay nampiharina tao amin’ny Fiangonana efa ho dimampolo taona mandra-pahatonga an’ny Filoha Wilford Woodruff nahazo aingam-panahy avy tamin’ny Tompo mba hanajanona ilay fomba fanao. Fitsapam-pinoana lehibe ho an’i Joseph Smith sy ny ankamaroan’ireo izay nanao izany ny fanambadiana maro. Rehefa mampihatra finoana ireo mpianatra, dia afaka ho tonga amin’ny fahafantarana fa ny fananana vady maro tamin’ny andro farany dia tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra.

Vakiteny Enti-mandalina

  • “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

  • “Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

  • “Plural Marriage and Families in Early Utah,” [Ny Fanambadiana sy Fianakaviana Maro tao Utah Fahiny] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

  • “The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics.

Fanamarihana: Ireo fanadihadiana ao amin’ny Lohahevitry ny Filazantsara ireo dia hanome anao fitaovana maro lavitra ka tsy ho ampy ny fotoana anananao raha hampianatra izany. Aoka hotsaroana izany rehefa manomana sy mampianatra ny lesona ianao.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–48, 54, 63

Nanambara ny fampiharana ny fanambadiana maro ny Tompo

Hazavao fa tamin’ny taona 1831, raha mbola niasa tamin’ny fandikan-teny nentanim-panahy ny bokin’ny Testamenta Taloha i Joseph Smith, izay fantatra amin’ny hoe Dikantenin’i Joseph Smith, dia namaky izy fa ny sasany tamin’ireo mpaminany taloha dia nanambady maro. Anisan’ireo mpaminany ireo i Abrahama, Jakoba, Mosesy ary i Davida. Nandalina sy nisaintsaina ny soratra masina i Joseph Smith hahafantarany ny fomba nanamarinana ireo mpaminany ireo tamin’io fomba fanao io (jereo ny F&F 132:1–2). Nambaran’ny Tompo ny valin’ny fanontaniany tao amin’ny fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132. Na dia tamin’ny 12 jolay 1843 aza ny datin’ity fanambarana ity, dia azo inoana fa voarain’i Joseph Smith niandalana ny fanambarana momba ireo fitsipika voarakitra ato amin’ity fizarana ity rehefa nandeha ny fotoana, nanomboka hatramin’ny 1831.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–36. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony nahatonga an’i Abrahama sy i Saraha nanomboka nampihatra ny fanambadiana maro.

  • Araka ny andininy 34, nahoana i Saraha no nanome vady hafa an’i Abrahama? Inona no ampianarin’izany mikasika ny fampiharana ny fanambadiana maro? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tsy azo ekena ny fanambadiana maro raha tsy ny Tompo no mandidy izany.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy Jakôba 2:27, 30. Hamafiso ity fitsipika manaraka ity: Ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fenitr’ Andriamanitra raha tsy hoe Izy no mandidy ny ankoatr’izany. Mariho fa ahitana ny antony izay nomen’ny Tompo ny amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro ihany koa ireo andininy ireo—mba “hanangana taranaka ho [an’ny Tompo]” amin’ny fampitomboana ny isan’ireo zanaka ateraky ny ray aman-dreny mahatoky (jereo koa ny F&F 132:63).

Hazavao fa nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:37–43, fa rehefa mampihatra ny fanambadiana maro ny vahoakany satria nodidiany hanao izany, dia tsy meloka noho ilay fahotan’ny fijanganjagana izy ireo. Kanefa, na iza na iza mampihatra ny fanambadiana maro ka tsy nahazo didy avy tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny dia meloka noho ny fijanganjangana. Mariho amin’ny mpianatra fa ny teny hoe hofongorana ao amin’ny andininy 41 sy ny 54 dia midika fa ireo izay mandika ny fanekempihavanany masina, anisan’izany ny fanekampihavanan’ny fanambadiany, dia hosarahina amin’ Andriamanitra sy ny vahoakan’ny fanekempihavanany (jereo koa ny Asa 3:22–23; 1 Nefia 22:20).

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:40 ka hamantatra ny antony iray hafa izay nomen’ny Tompo ny amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro.

  • Araka ny andininy 40, inona no zavatra hataon’ny Tompo ao amin’ny fotoampitantanana farany? (“Hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra.”)

Hazavao fa ny teny hoe “zava-drehetra” dia manondro ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izay nambara tao amin’ny fotoampitantanana teo aloha. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny didy mba hiaina ny lalàn’ny fanambadiana mandrakizay dia tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra (jereo koa ny Asa 3:20–21).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:45, 48. Asao ireo mpianatra mba hanaraka ny vakiteny, sady hitady ny fomba nahafahan’i Joseph Smith nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra. Ampio ireo mpianatra hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomena ny Filohan’ny Fiangonana ihany no hahazoana lalana ny fanambadiana mandrakizay.

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesona ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fizarana voalohany, izay mitondra ny lohateny hoe “Fanambadiana Maro.”

Sary
taratasy zaraina, Fahatakarana ny Fanambadiana Maro
  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafantarana fa ny fampiharana ny fanambadiana maro dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fampiharana izany tamin’ny andro voalohan’ny Fiangonana?

Fitsapam-pinoana ny fampiharana ny fanambadiana maro

Asao ny antsasaky ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Didy Iray Sarotra” ao amin’ny taratasy zaraina. Asao na antsasany hafa hamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fitsapam-pinoana.” Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo antony mety nahatonga ny Mpaminany Joseph Smith sy ny hafa hisalasala ny amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro?

  • Inona no niainan’i Joseph Smith sy i Lucy Walker ary ny hafa izay nanampy azy ireo handresy ireo fahasarotana lehibe tamin’ny farany ka nahafahan’izy ireo nanaiky sy niaina ny lalàn’ny fanambadiana maro?

Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Joseph Smith sy ny Fanambadiana Maro” ao amin’ny taratasy zaraina.

Hazavao amin’ny mpianatra fa misy zavatra maro izay tsy fantatsika mikasika ny fananana vady maro tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany. Ohatra, ny fahatakarantsika ny teny hoe famehezana dia tsy mitovy loatra tamin’ny fahatakarana izany teny izany tany amin’ny taona 1840, tamin’ny mbola vaovao ny fomba fanaovana ny famehezana ary ny lafin-javatra sasany mikasika an’ilay fomba fanao dia mbola tsy takatra tanteraka. Rehefa maheno ny teny hoe famehezana isika dia tonga dia mieritreritra hoe fanambadiana, fa ho an’i Joseph Smith sy ireo Olomasina tany am-boalohany, ny hoe famehezana dia tsy nidika foana hoe fanambadiana amin’ny heviny feno, izany hoe miara-miaina amin’ny maha-mpivady. Notazonina ho tsiambaratelo ny antsipiriany maro tamin’ny fampiharana ny fanambadiana maro, ary ireo firaketana ara-tantara fotsiny dia tsy mamaly ny fanontaniantsika rehetra. Amporisiho ireo mpianatra handalina ireo Vakitenin’ny Mpianatra hita amin’ny faran’ny lesona mba ho fampahalalana fanampiny mikasika ny fampiharana ny fanambadiana maro.

Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa rehefa mandalina momba ny fanambadiana maro izy ireo dia tokony hotsaroany ny fomba fianarana ny filazantsara izay narahin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nandalina izy, nisaintsaina ary nivavaka mba hahazo fahalalana. Tokony hotsaroany ihany koa fa misy fampahalalana maro izay tsy azo antoka mikasika ny fanambadiana maro eny amin’ny Internet sy amin’ny loharano vita printy maro. Ny mpanoratra sasany izay manoratra momba ny Fiangonana sy ny tantarany dia maneho fampahalalana tsy marina akory na mampiditra fahamarinana tsy feno izay mety hamitaka. Ny fikasan’ny sasany amin’ireo soratra ireo dia ny handrava ny finoana.

Fanambarana Ôfisialy 1

Nanambara ny Tompo fa tokony hatsahatr’ireo Olomasin’ny Andro Farany ny fampiharana ny fanambadiana maro

Hazavao fa mbola nitohy ny fampiharana ny fanambadiana maro taorian’ny nahatongavan’ireo Olomasina tao Utah ary najanona izany taty aoriana araka ny fanambarana. Asao ireo mpianatra mba hifandimby hamaky mafy ireo fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Fanoherana ny Fanambadiana Maro” sy “Ny Manifesto Faharoa” ao amin’ny taratasy zaraina.

  • Inona no zavatra niainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany noho ny fankatoavany ny didin’ny Tompo hampihatra ny fanambadiana maro?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy avy amin’ny andinin-tsoratra roa farany amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny andian-tsoratra voalohany sy fahafito amin’ny “Ampahany tamin’ireo Lahateny Telo nataon’ny Filoha Wilford Woodruff Mikasika ny Manifesto,” izay manaraka ny Fanambarana Ôfisialy 1. Anontanio avy eo hoe:

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Woodruff an’ireo Olomasina? (Anisan’ny fitsipika sasany izay nampianariny ireto manaraka ireto: Tsy hamela ny Filohan’ny Fiangonana hitarika ny Fiangonana ho any amin’ny lalan-diso velively ny Tompo. Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny Filohan’ny Fiangonana ny Tompo.)

Mety hanampy amin’ny fanazavana an’ilay fanapahan-kevitra ny hanajanona ny fampiharana ny fanambadiana maro ity manaraka ity:

Sary
Filoha George Q. Cannon

“Ny Filoha George Q. Cannon dia niresaka momba ny dingana ara-panambarana izay nahatonga ny Manifesto: ‘Mba mandeha tahaka anareo ihany koa ny Fiadidian’ny Fiangonana,’ hoy izy. ‘Mila mandroso tahaka ny ataonareo izy ireo. Mila miantehitra amin’ireo fanambaran’ Andriamanitra izy ireo rehefa tonga aminy izany. Tsy afaka mahita ny farany hatrany am-boalohany izy ireo, tahaka ny ataon’ny Tompo.’ ‘Ny zavatra izay azontsika atao,’ hoy i Cannon, niresaka momba ny Fiadidiana Voalohany, ‘dia ny mikatsaka ny fisainana sy ny fikasan’ Andriamanitra, ary rehefa tonga amintsika izany, na dia mety hifanohitra amin’ireo fahatsapana rehetra izay efa tsapantsika teo aloha aza, dia tsy manana safidy afa-tsy ny hanaraka ilay dingana izay tondroin’ Andriamanitra isika, ka hatoky Azy’” (“The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Farano ny lesona amin’ny fanontaniana ireo mpianatra hoe:

  • Araka ny zavatra izay nianaranao, inona no mety havalinao raha misy manontany anao hoe mampihatra ny fanambadiana maro ve ny Olomasin’ny Andro Farany?

Zarao ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Raha misy mpikambana ato amintsika tratra mampihatra ny fanambadiana maro, dia esorina tsy ho mpikambana izy, ilay sazy lehibe indrindra afaka omen’ny Fiangonana. … Mihoatra ny zato taona lasa izay no nambaran’ Andriamanitra mazava tsara tamin’ny Mpaminaniny Wilford Woodruff fa ny fampiharana ny fanambadiana maro dia tokony hajanona, izany hoe ankehitriny izany dia mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra. Na dia any amin’ny firenena izay manana lalàna sivily sy lalàm-piangonana manaiky ny fananana vady maro aza, dia mampianatra ny Fiangonana fa vady tokana ihany no ao amin’ny fanambadiana ary tsy ekena ny fampiharan’ny mpikambana ao aminy ny fanambadiana maro” (“What Are People Asking about Us?” Ensign, nôv. 1998, 71–72).

Mety hanampy ihany koa ity andinin-tsoratra manaraka ity rehefa mifanakalo hevitra momba ny fanaon’ny Fiangonana ankehitriny ianao:

“Araka ny fampianaran’i Joseph Smith, ny Fiangonana dia mamela ny lehilahy iray izay maty vady mba ho fehezina amin’ny vehivavy iray hafa rehefa manambady indray izy. Ankoatra izany, ny mpikambana dia afaka manatanteraka ny ôrdônansy ho an’ny lehilahy sy vehivavy efa maty izay nanambady maro teto an-tany, ka hamehy ilay lehilahy amin’ireo vady rehetra izay novadiany ara-dalàna. Ny toetran’ireo fanambadiana ireo any amin’ny fiainana manaraka izao fiainana izao dia tsy fantatra, ary fifandraisam-pianakaviana maro no halamina any amin’ny fiainan-ko avy. Amporisihina ny Olomasin’ny Andro Farany mba hatoky ny fahendren’ny Ray any An-danitra, izay tia an’ireo zanany sy manao ny zava-drehetra ho amin’ny fivoarany sy ny famonjena azy ireo” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Alohan’ny hamaranana ity lesona ity dia mety ho fahendrena ny milaza amin’ireo mpianatra fa misy olona sasany izay nihemotra avy tamin’ny Fiangonana no mampihatra ny fanambadiana maro ankehitriny. Mamporisika ny olona izy ireo mba hivavaka sy hisaintsaina momba fampiharana ny fanambadiana maro raha mety. Tsy tokony hikatsaka ny hahazo fanambarana izay mifanohitra amin’ny zavatra izay efa nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminaniny isika. Nanambara ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny fa efa natsahatra ny fampiharana ny fanambadiana maro ao amin’ny Fiangonana. Na iza na iza manohana ny fampiharana ny fanambadiana maro ankehitriny dia tsy mpanompon’ny Tompo izy.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa nandray ary nankatò fanambarana avy tamin’ Andriamanitra izy, tahaka ny nataon’ireo mpaminany taloha toa an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (jereo ny F&F 132:37).

Vakitenin’ny Mpianatra

Fahatakarana ny Fanambadiana Maro

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny—Lesona 20

Fanambadiana Maro

“Mino ny Olomasin’ny Andro farany fa ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no lalàn’ny Tompo manan-kery mikasika ny fanambadiana. Tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly, dia nandidy ny sasany hanana vady maro ny Tompo—ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy maro. Tamin’ny alalan’ny fanambarana, dia nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hametraka ny fomba fampiharana ny fanambadiana maro teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonanana tamin’ny fiandohan’ny taona 1840. Nandritra ny dimampolo taona mihoatra, dia nampiharin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany ny fanambadiana maro teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana” (“Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Didy Iray Sarotra

I Eliza R. Snow (1804–87), filoha faharoa an’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nofehezina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nanoratra izao traikefa manaraka izao izy izay ahitana ny Mpaminany Joseph Smith nampianatra ny fitsipiky ny fanambadiana maro tamin’ny Lorenzo Snow anadahiny.

“Nanokatra ny fony tamin’ [i Lorenzo Snow] ny Mpaminany Joseph Smith, ary namariparitra ny hasarotan’ny fahorian-tsaina niainany mba handresy ny rikorikon’ny fahatsapany, ilay vokatra voajanaharin’ny fanabeazana sy ny fomba amam-panao ara-piaraha-monina, izay mifandray amin’ny fampidirana ny fanambadiana maro. Fantany ny feon’ Andriamanitra—fantany fa mila mandroso ilay didin’ilay Tsitoha ho azy—mba haneho ny ohatra, ka hanorina ny fanambadiana maro araka ny fomba selestialy. Fantany fa tsy ny fomba fiheviny sy ny fahatakarany taloha ihany no tsy maintsy niadiany sy noreseny, fa ireo fitsarana an-tendrony izay avy amin’ny Kristianina rehetra ihany koa; saingy Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra, no nanome azy ny didy, ary tsy maintsy ankatoavina Izy. Kanefa dia nisalasala ny Mpaminany ary nanemotra ombieny ombieny raha tsy nisy anjelin’ Andriamanitra nitsangana teo anilany niaraka tamin’ny sabatra, ka niteny azy hoe raha tsy nandroso izy ka nampiorina ny fanambadiana maro dia hoesorina ny Fisoronany ary tsy maintsy hofongorana izy. Tsy tamin’ny anadahiko ihany no nizarany izany tenivavolombelona izany, fa tamin’ny hafa ihany koa—tenivavolombelona izay tsy azo tsipahina” (Biography and Family Record of Lorenzo Snow [1884], 69–70).

Fitsapam-pinoana

Maro ireo izay nanana fahasahiranana tamin’ny fitsipiky ny fanambadiana maro no nahazo ny fitahian’ny tenivavolombelona izay nohamafisin’ny fanahy mikasika ny fahamarinan’ilay fitsipika.

“Araka ny nolazain’i Helen Mar Kimball, i Joseph Smith dia nilaza fa ‘ny fampiharana io fitsipika io no fitsapana mafy indrindra izay mety hitsapana ny finoan’ny Olomasina.’ Na dia iray tamin’ireo fitsapana ‘mafy’ indrindra tamin’ny fiainany aza izany, dia nijoro ho vavolombelona izy fa ‘iray tamin’ireo fitahiana lehibe’ azony ihany koa izany. …

“Nampahatsiahivin’i Lucy Walker ny korontana nisy tao aminy rehefa nasain’i Joseph Smith ho lasa vadiny izy. ‘Ny fahatsapan’ny fanahiko rehetra dia nikomy nanohitra izany,’ hoy ny nosoratany. Kanefa, taorian’ny tsy fatoriana maro nandohalihana amim-bavaka, dia nahazo fahamaivanana izy rehefa ‘feno ny fitaomana masina’ tahaka ny ‘masoandro mamiratra’ ny efitranony. Hoy izy hoe: ‘Feno fiadanana milamina sy tony ny fanahiko izay mbola tsy fantatro mihitsy,’ ary ‘fahasambaranana ambony dia ambony no nameno ny tenako manontolo’” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

I Joseph Smith sy ny Fanambadiana Maro

Maro ireo vehivavy nofehezina tamin’i Joseph Smith, saingy tsy fantatra ny tena isany marina.

“Nandritra ny fotoana izay nampiharana ny fanambadiana maro, ny Olomasin’ny Andro Farany dia nampiavaka ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ho an’ny mandrakizay amin’ny famehezana ho an’ny mandrakizay fotsiny. Ny famehezana mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay dia ahitana ny fanoloran-tena sy ny fifandraisana mandritra ity fiainana ity, amin’ny ankapobeny dia ny mety hisian’ny firaisana ara-nofo. Ny famehezana ho amin’ny mandrakizay fotsiny dia milaza ny fifandraisana any amin’ny fiainana aorian’izao fiainana izao fotsiny.

“… Nijoro ho vavolombelona ny sasany tamin’ireo vehivavy izay nofehezina tamin’i Joseph taty aoriana fa ny fanambadiany dia mandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay, raha toa ka ny hafa dia nilaza fa ny fifandraisany dia ho amin’ny mandrakizay fotsiny ihany.

“Ny ankamaroan’ireo izay nofehezina tamin’i Joseph Smith ireo dia nanelanelana ny 20 ka hatramin’ny 40 taona tamin’ny fotoana izay nanaovana ny famehezana taminy. Ny zokiny indrindra dia i Fanny Young, izay 56 taona tamin’izay. Ny zandriny indrindra dia i Helen Mar Kimball, … izay nofehezina tamin’i Joseph Smith volana vitsivitsy talohan’ny faha-15 taonany. Ny fanambadiana amin’izany taona izany, izay tsy mety amin’ny fitsipika amin’izao androntsika izao, dia ara-dalàna tamin’izany vanim-potoana izany, ary ny vehivavy sasany dia nanambady tany anelanelan’ny fahatanorany. Nilaza i Helen Mar Kimball momba ny famehezana azy tamin’i Joseph Smith fa ‘ho an’ny mandrakizay fotsiny’ izany, izay midika fa tsy tafiditra tao amin’ny fiarahany ny firaisana ara-nofo. …

“… I Joseph Smith dia nofehezina tamin’ny vehivavy maro efa nanambady. Samy tsy nisy nanazava betsaka mikasika an’ireo famehezana ireo na ireo vehivavy na i Joseph Smith, na dia betsaka aza ireo vehivavy nilaza fa ho an’ny mandrakizay fotsiny izany. Ny vehivavy hafa dia tsy nametraka rakitsoratra, ka nanjary tsy fantatra na nandritra izao fiainana izao sy ny mandrakizay ny famehezany na ho an’ny mandrakizay fotsiny.

“Misy fanazavana maro izay afaka ho hita momba an’io fomba io. Mety ho nanome lalana nahafahana namorona fifamatorana mandrakizay na rohy mampifandray ny fianakavian’i Joseph sy ny fianakaviana hafa tao amin’ny fiangonana ireo famehezana ireo. Ireo famehezana ireo dia sady mivelatra amin’ny lafiny iray dia, manomboka amin’ny ray aman-dreny hatrany amin’ny zanaka, sy amin’ny ankilany, avy amin’ny fianakaviana iray mankany amin’ny fianakaviana iray hafa. Ankehitriny dia tanteraka ny famatorana mandrakizay toy izany amin’ny alalan’ny fanambadiana any amin’ny tempolin’ny olona izay fehezina ihany koa amin’ny zanaka ateraky ny fianakaviany, dia toy izany no ampifandraisana miaraka ny fianakaviana” (“Plural Marriage in Kirtland and Nauvoo,” [Ny Fanambadiana Maro tao Kirtland sy Nauvoo] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany, dia maro ireo vehivavy nofehezina taminy izay tsy nanana fifandraisana taminy teto an-tany.

Fanoherana ny Fanambadiana Maro

Mpitarika fivavahana sy ara-pôlitika maro tao Etazonia no nanohitra ny rafitry ny fanambadiana maro, izay noheveriny fa tsy mendrika sy tsy manaraka ny fandrosoana. Noesoina ny Olomasin’ny Andro Farany teny amin’ny resadresaka isan-karazany teo anivon’ny fiaraha-monina, ny boky, ny gazetiboky ary ny gazety. Namoaka lalàna ny Kongresy Amerikanina izay nametra ny fahalalahan’ny mpikamban’ny Fiangonana sy nanimba ara-toe-karena ny Fiangonana tamin’ny fampihenana ny isan’ny fananana izay azon’ny Fiangonana ananana. “Izany lalàna izany dia nahatonga ny manampahefana hihazona sy hampiditra am-ponja ireo lehilahy izay nanam-bady mihoatra ny iray ary nanaisotra tamin’izy ireo ny zo hifidy, ny zo ananany fiainana manokana any an-tokantranony, ary ny fizakana ireo ny zo hafa an’ny olom-pirenena” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [1996], 119-120). Ny taona 1890, dia Olomasin’ny Andro Farany an-jatony maro no naiditra am-ponja. Ny hafa kosa dia niafina mba tsy ho voasambotra na tafiditra am-ponja. Tamin’izany toe-javatra izany, maro ireo fianakaviana izay nijaly noho ny adin-tsaina, fahoriana, fahantrana, ary hanoanana.

Na dia naneso azy ireo aza izao tontolo izao noho ny fampiharany ny fanambadiana maro, dia Olomasin’ny Andro Farany maro no niaro ilay fomba sy nijoro ho vavolombelona fa nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Ireo toe-javatra sarotra ireo no nitarika an’ny Filoha Wilford Woodruff ho nikatsaka amim-bavaka ny fitarihan’ny Tompo mikasika ny fampiharan’ny Olomasina ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1889, dia nampianatra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny Filoha Woodruff mba hanajanona ny fampianarana ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Tamin’ny taona 1890, fanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina, ary ireo dia tsy araky ny torohevitry ny Filoha Woodruff. Na dia izany aza, dia mamoaka tatitra ny olona sasany fa mbola namporisika ny fampiharana ny fanambadiana maro ny Fiangonana. Ireo tatitra ireo no nitondra fanoherana bebe kokoa ny Fiangonana. Tamin’ny volana septambra 1890, dia namoaka ilay Manifesto ny Filoha Wilford Woodruff, izay fantatra amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Ny Manifesto Faharoa

“Ny Manifesto [Fanambarana Ôfisialy 1] dia milaza ny fikasan’ny Filoha [Wilford] Woodruff izay nanaiky ny lalàn’ny Etazonia. Tsy nilaza ny mikasika ny lalàn’ny firenena hafa izany. Hatramin’ny nisokafan’ny fanjanahana tany Mexique sy Canada, dia nanatanteraka ny fanambadiana maro ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’ireo firenena ireo, ary taorian’ny ôktôbra 1890, dia mbola notanterahina mangingina tany hatrany ny fanambadiana maro. … Manoloana toe-javatra miavaka, dia fanambadiana maro vitsivitsy no notanterahina tany Etazonia teo anelanelan’ny taona 1890 sy 1904, fa tsy mazava na nahazo lalana ireo fanambadiana ireo mba ho tanterahina tao amin’ireo firenena nanaovana azy” (“The Manifesto and the End of Plural Marriage,” [Ilay Manifesto sy ny Fiafaran’ny Fanambadiana Maro] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

“Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana aprily 1904, dia namoaka filazana feno fanerena ny Filoha [Joseph F.] Smith, izay fantatra amin’ny hoe Manifesto Faharoa, izay milaza fa saziana amin’ny fanalana tsy ho mpikambana ny fanambadiana maro” (“Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” [Ny Fanambadiana Maro tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] Lohahevitry ny Filazantsara, lds.org/topics).

Hamoaka printy