Lesona 10
Mikatsaka Fahamarinana
Fampidirana
Amporisihina ny zanak’ Andriamanitra mba “[hikatsaka] ny fianarana, … amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (F&F 88:118). Ny fanarahana io fomba fianarana io dia manampy ny tsirairay ho mendriky ny fanampian’ny Fanahy Masina mandritra ilay fianarana. Ny Internet sy ny loharano hafa, ankehitriny, dia mitondra fampahafantarana betsaka—ny sasany marina, ny sasany diso, ary ny sasany mamitaka—momba ny fotopampianaran’ny Fiangonana sy ny tantara ary ny fomba fijery mikasika ny olana ara-piaraha-monina, ka hahatonga izany ho manan-danja manokana amintsika tokoa ny miantehitra amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana antsika hanavaka ny marina amin’ny diso. Ny fianarana mamantatra sy mampiasa ireo loharanom-pahalalana azo ampiasaina dia tafiditra ao amin’izany fikatsahana izany.
Vakiteny enti-mandalina
-
Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013), lds.org/broadcasts.
-
“Gospel Learning,” Gospel Topics, lds.org/topics.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118, 121–26
Fomba iray ho an’ny fianarana
Vakio mafy ity famariparitana ny Sekolin’ny Mpaminany ity, izay nitranga tany Kirtland, Ohio:
“Ny taona 1833, dia nanana fahafahana tsy nanam-paharoa handalina ny filazantsara ny Mpaminany sy ny vondron’ny Olomasina avy tao Kirtland. Ny volana janoary tamin’io taona io, ary araka ny didin’ny Tompo (jereo ny F&F 88:127–41), dia nanangana ny Sekolin’ny Mpaminany i Joseph mba hanofanana ny mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ny asa fanompoana sy hanomanana azy ireo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Ilay sekoly dia natao tao amin’ny efitry ny rihana faharoa tao amin’ny tranofitehirizan’i Newel K. Whitney, izay toeram-ponenan’ny Mpaminany. Teo amin’ny rahalahy niisa 25 teo ho eo no nanatrika izany, ny sasany nanao ny dia izay naharitra kilaometatra aman-jatony maro mba hanana tombontsoa handalina ny filazantsara ao amin’ny efitra izay tsy nihoatra ny 3,3 metatra sy 4,3 metatra. Ny ankabeazan’ireo lehilahy ireo dia ho lasa Apôstôly, Fitopololahy, na mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana aty aoriana. Na dia nianatra fiteny tsindraindray aza ny Mpaminany sy ny olona hafa dia nifantoka voalohany indrindra tamin’ny fianarana ireo fotopampianaran’ny filazantsara izy ireo, ka tamim-pahazotoana no nanatontosana ny fandalinana izay nanomboka vao maraina ka tsy nifarana raha tsy tamin’ny fiafaran’ny tolakandro. Naharitra teo amin’ny efa-bolana teo ho eo io sekoly io, ary ny sekoly hafa toy izany dia natsangana tany Kirtland sy tany Missouri koa taty aoriana, izay natrehan’ny olona aman-jatony” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 279).
Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia mirakitra torolalana avy amin’ny Tompo ho an’ireo izay handray anjara amin’ny Sekolin’ny Mpaminany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 ka hitady ny fomba fianarana izay nomen’ny Tompo. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Araka ny hevitrao, midika inona aminao ny hoe “katsahonareo ny fianarana … amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana”?
-
Ahoana no fomba hitomboan’ny fahafahantsika mianatra amin’ny fanarahana io fomba io? (Mety ho samihafa ny valinteny omen’ny mpianatra, nefa ataovy mazava tsara fa rehefa ampidirintsika ny finoana mandritra ilay fianarana, dia mendrika ny fanampian’ny Tompo isika.)
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:121–26, izay mirakitra torolalana misimisy kokoa avy amin’ny Tompo ho an’ny Sekolin’ny Mpaminany. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, sy hitady ireo fitsipika izay manampy antsika hahatakatra ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Azonao atao ny manao lisitra an’ireo fitsipika ireo eny amin’ny solaitrabe rehefa mizara izany ny mpianatra. Azonao atao koa ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanoratany ny andian-teny “fitsipika izay mampianatra ny fomba fianarana amin’ny alalan’ny finoana” eo amin’ny sisin’ny soratra masina, eo akaikin’ireo andininy ireo. (Fanamarihana: Ny fanaovana naoty eny amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masina dia afaka manampy ny mpianatra hahita sy hitadidy ireo fitsipika manan-danja moramora kokoa.) Raha ampy ny fotoana, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady fitsipika fanampiny ao amin’ny Almà 32:28, 41–43 sy Jaona 7:17.
-
Nahoana no manampy antsika hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana ny fanarahana ireo fitsipika nampianarina tao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia mety ilainao ny manantitrantitra fa ny fanarahana ireo fitsipika ireo dia hanampy antsika ho mendriky ny fanampian’ny Fanahy.)
-
Inona no fiantraikan’ny Fanahin’ny Tompo amin’ny fikarohantsika fahamarinana, rehefa mendrika ny fiarahana amin’io Fanahy io isika?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:1–6
Manavaka ny marina amin’ny diso
Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoana ahafahantsika, tahaka ny amin’izao fotoana izao, mahazo mora foana ireo karazam-baovao rehetra—misy marina ny sasany amin’izy ireny, ny sasany diso, ary betsaka no tsy dia tena marina tanteraka.
“Vokatr’izany dia tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao fotoana tahaka ny amin’izao fotoana izao izay mampanan-danja bebe kokoa ny ianarana ny fomba anavahana amin’ny fomba mahitsy ny marina amin’ny diso” (“What Is Truth?” [Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan 2013], 3, lds.org/broadcasts).
-
Inona no mety hitranga raha toa tsy mianatra manavaka ny marina amin’ny diso isika?
Soraty eny amin’ny solaitrabeity fanontaniana manaraka ity:
Hazavao fa ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91 dia nampianatra an’i Joseph Smith ny fomba hoenti-manavaka raha toa marina ny zavatra iray vakiany ao amin’ny Apôkrifa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana 91 ary ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny. Asao ireo mpianatra, avy eo, handinika ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanan 91 ny kilasy iray manontolo.
Hazavao fa ny Apôkrifa dia fitambaran’ireo boky masin’ny vahoaka Jiosy. Ireo boky ireo dia tsy nampidirina tao amin’ny Baiboly Hebreo (Testamenta Taloha) tany am-boalohany, fa nampidirina tao amin’ny dikan-teny Grika ny Baiboly kosa fotoana fohy talohan’ny vanim-potoan’i Kristy. Rehefa nanambatra ireo bokin’ny Baiboly ny Kristianina tany am-boalohany taonjato maro taty aoriana, dia nampidirin’izy ireo ho tovana ny bokin’ny Apôkrifa. Ny fivavahana Kristianina sasany dia manaiky ny bokin’ny Apôkrifa ho soratra masina, fa ny fivavahana hafa kosa dia tsy mino izany ho lahatsoratra nentanim-panahy. Ny tahadikan’ny Baiboly izay nampiasain’i Joseph Smith mba hanaovany ny dikan-teniny nentanim-panahy dia nahitana ny Apôkrifa. Nanontany ny Tompo i Joseph raha tokony hampidirina ao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly ataony ireo boky ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:1–3.
-
Inona no nianaran’i Joseph Smith mikasika ny Apôkrifa? (Mety ho ilainao ny manazava fa ny soratra mifangaro dia soratra izay natsofoka tao amin’ny sora-tanana, ka indraindray miteraka ny fiovan’ilay lahatsoratra tany am-boalohany.)
Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:4–6.
-
Ahoana no hanampian’ny torohevitra ao amin’ny andininy 4–6 antsika amin’ny fanavahana ny marina amin’ny diso ary amin’ny fandanjalanjana ny maha-azo antoka na tsia ny zavatra vakiantsika? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahafantatra ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra vakiantsika.)
Hazavao fa ny zava-baovao betsaka azo fantarina amin’ny Internet dia nampitombo hatrany hatrany ny filantsika tsirairay ny fananana ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny famantarana (jereo ny F&F 46:23) mba hahafahantsika manavaka amin’ny fomba mahitsy ny marina amin’ny diso. (Raha mila fampahafantarana misimisy kokoa momba ny antony maha-tena-zava-dehibe ny fanomezam-pahasoavan’ny famantarana amin’ny fiainantsika, dia jereo ny lahatsoratry ny Loholona David A. Bednar “Quick to Observe,” Ensign na Liahona, des. 2006, 31–36.)
Omeo tahadikan’ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy ity ny mpianatra. Asao ny mpianatra hikaroka ny torolalana nomen’ny Loholona Snow ao amin’ny andinin-tsoratra roa voalohany, izay momba ny fandanjalanjana ny zava-baovao mety hovakiantsika mikasika ny tantara sy ny fampianaran’ny Fiangonana.
-
Koa satria isika mila mandanjalanja tsara ny maha-azo antoka na tsia ny loharanon’ny zava-baovao mikasika ny tantara sy fampianaran’ny Fiangonana, ahoana no ahafahanao mampiasa ny fampianaran’ny Loholona Snow mba hanampy anao handanjalanja ny maha-azo antoka ny zavatra iray izay vakianao momba ny Fiangonana?
Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny andinin-tsoratra fahatelo ao amin’ilay fanambarana nataon’ny Loholona Snow. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:
-
Ahoana no fomba mety hanampian’ny torohevitry ny Loholona Snow rehefa manoloana fampahafantarana izay mifanohitra amin’ny zavatra inoanao ianao?
Mijanona ho mahatoky rehefa misy fanontaniana mipoitra
Hazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mety hametra-panontaniana na hanana ahiahy momba ny fotopampianarana, ny tantara na hevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny olana iray ara-piaraha-monina. Zarao amin’ireo mpianatrao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:
“Voajanahary ny fananana fanontaniana—ny voa kelin’ny fangatahana amin-kitsimpo matetika dia nitsimoka ary nitombo ka lasa hazo lehiben’ny fahatakarana. Misy mpikambana vitsivitsy ato amin’ny Fiangonana izay tsy niady mafy nanontany tena nametraka fanontaniana lehibe na manohina, tao anatin’ny fotoana iray na ny fotoana hafa. Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana ny mikolokolo sy mamboly ny voan’ny finoana—eny fa na dia ao anatin’ireo tany fasiky ny ahiahy sy ny tsy fahazoana antoka aza indraindray” (“Andao hiaraka aminay,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 23).
Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina “Manavaka ny marina amin’ny diso” ny mpianatra tsirairay, izay ahitana torohevitra avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho an’ireo izay manana fanontaniana na ahiahy. Asao ny mpianatra hamaky ireo fanambarana ao amin’ny taratasy zaraina ary hamantatra ireo fitsipika izay hanampy ny olona iray hiatrika ny fanontaniany na ny ahiahiny amim-pahatokiana. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ny mpianatra hanazava ny fomba hanampian’ny zavatra iray novakiany tao amin’ny taratasy zaraina ny olona iray izay manana fanontaniana na ahiahy mikasika ny fotopampianarana, tantara, na fomba fijerin’ny Fiangonana momba ny olana ara-piaraha-monina.
Eo am-pamaranana ny lesona, dia antitrantero fa na dia mety hisy aza ny fanontaniana izay tsy hahazoantsika valiny mandritra ity fiainana ity dia afaka mahita ireo valintenin’ny fanontaniantsika manan-danja indrindra isika rehefa mankatò ny didy, mandalina ireo loharano nankatoavina—indrindra indrindra ny tenin’ny mpaminany velona—ary mikatsaka fitarihana amin’ny alalan’ny vavaka, sy amin’ny fanehoana faharetana sy finoana.
Asaivo mizara traikefa izay nahatsapany ny fanampian’ny Tompo amin’ny fahitana fahamarinana sy valintenin’ny fanontaniany ny mpianatra.
Amporisiho ny mpianatra hanao famerenana ny fanambarana ao amin’ny taratasy zaraina, ary asao izy ireo hanaraka ny torolalana avy amin’ny lesona, dia ny fikatsahana fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Dieter F. Uchtdorf, “What Is Truth?” (Fampaherezam-panahin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013), lds.org/broadcasts.