Tahirim-pitaovana
Lesona 13: ‘Ilay Fahitana’


Lesona 13

“Ilay Fahitana”

Fampidirana

Ilay fahitana nomena ny Mpaminany Joseph Smith izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia manome antsika fahatakarana fototra ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana, anisan’izany ny ambaratongam-boninahitra. Avy amin’izany no ianarantsika koa ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hiverenana indray eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Vakiteny enti-mandalina

  • L. Tom Perry, “The Plan of Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 69–72.

  • Matthew McBride, “‘The Vision’: D&C 76,” Revelations in Context series, 11 mar. 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Fahatakarana fototra momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana

Hazavao fa tamin’ny taona 1830 dia maro ny Kristianina no nihazona finoana ankapobeny iray na roa mikasika ny lanitra sy ny helo, izay atao indraindray hoe fijery “nentim-paharazana” na “araka izao tontolo izao.” “Ny fijery “nentim-paharazana” dia lanitra tsotra fotsiny ho an’ny marina ary helo ho an’ny tsy mpankatò. Ny fijery “araka izao tontolo izao” dia ny hoe tsy afaka hanasazy ny mpanota mandrakizay Andriamanitra, satria any amin’ny farany any dia ho voavonjy ao fanjakan’ Andriamanitra izy ireo. Tamin’io fotoana io dia kely kokoa ny zavatra fantatry ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy mikasika ny lanitra sy ny helo noho ny Kristianina hafa. Ny febroary 1832, dia niaina fahitana izay hampiova betsaka ny fahatakaran’ny Olomasin’ny Andro Farany momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Io fahitana io, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, dia nanambara fampiraisana maro sosona iray ny fitiavana, famindrampo, fahamarinana ary fitsaran’ Andriamanitra, ary nanokatra ny varavaran’ny fijery tonga lafatra kokoa ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Nandritra ny taona maro, ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nanome anarana an’io fahitana io tamin’ny fomba tsotra ho “Ilay Fahitana.” (Jereo ny Matthew McBride, “‘The Vision’: D&C 76,” Revelations in Context series, mar. 11, 2013, history.lds.org.)

Asaivo manome famariparitana fohy mikasika ny zavatra voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny mpianatra iray. Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Wilford Woodruff ity (1807–98), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Wilford Woodruff

“Azoko heverina fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia [mirakitra] ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra indrindra izay nomena ny olombelona rehetra hatrizay. Raha ny “Fahitana’ [ao amin’nyfizarana 76] fotsiny no resahiko dia ampitahaiko amin’ny fanambarana manome fahazavana bebe kokoa, fahamarinana bebe kokoa, ary fitsipika bebe kokoa mihoatra ny fanambarana hafa izay voarakitra amin’ny boky hafa izay vakiantsika izany. Manome fahatakarana mazava tsara mikasika ny toerana misy antsika amin’izao izany, avy aiza isika, nahoana isika no eto, ary handeha ho aiza isika. Ny olona tsirairay dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny fanambarana ny anjara toerany sy ny mety ho fepetra iainany” (Enseignements des Présidents de l’Église: Wilford Woodruff [2004], 126–27).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Miangavia mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:15–19.

  • Inona no zavatra nataon’i Joseph sy i Sidney izay nitondra tamin’ny fandraisana ity fanambarana ity?

  • Inona no afaka ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny mandalina sy misaintsaina momba ny soratra masina? (Alaivo antoka fa takatry ny mpianatra ny fifandraisan’ny misaintsaina momba ny soratra masina sy ny fandraisana fanambarana.)

Fanamarihana: Antitrantero fa ny fianarana misaintsaina momba ny soratra masina dia fitaovana sarobidy fandalinana ny soratra masina izay manome fahafahana lehibe kokoa ny Fanahy Masina hanambara amintsika ny fahamarinana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: 1–10

Fampanantenana ho an’ny mahatoky

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady ny teny na andian-teny izay mamariparitra an’i Jesoa Kristy. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Hazavao fa ny toetran’ny Mpamonjy hita ao amin’ireo andininy ireo dia ohatra iray mikasika ny lisitra ao amin’ny soratra masina. Ny lisitra dia “fitambaran’ireo eritreritra, hevitra na torolalana mifandray. Ny fikarohana ireo lisitra ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hamantatra ny hevitra fototra izay tian’ny mpanoratra antitranterina” (Gospel Teaching and Learning [2012], 23). Mariho fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia ahitana lisitra maro avy ao amin’ny soratra masina.

  • Inona no toetran’ny Mpamonjy voalaza ao amin’ny andininy 1–4 izay manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–10 ary hijery ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny mahatoky. Asao ny mpianatra hikaroka ireo fampanantenana voatanisa ao amin’ny andininy 6–10. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny zavatra ao amin’io lisitra io izay manantitrantitra ny fampanantenan’ny Tompo.

  • Araka ny andininy 5, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny famindrampo sy ny fiantrana ary ny fankalazan’ny Tompo?

Ampio ny mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity avy amin’ny fandalinany ireo andininy ireo: Rehefa matahotra ny Tompo sy manompo Azy am-pahamarinana isika, dia hankalaza sy hamindra fo antsika Izy. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny tiana holazaina amin’ny hoe “matahotra” ny Tompo eto dia ny fanajana Azy.

Mba hanampiana ny mpianatra hanana fahatakarana lalina mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo fampanantenana hitanao tao amin’ny andininy 5–10 no tianao ho raisina manokana? Nahoana?

  • Inona araka ny hevitrao no zavatra ilainao atao mba handraisana io fitahiana io?

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsaina ny antony mahatonga ireo fitahiana ireo ho mendrika ny hokatsahina ary hanao tomban’ezaka ny amin’ny fanajan’izy ireo ny Tompo sy ny fanompoana Azy amim-pahamarinana sy am-pahatokiana.

Hazavao amin’ny mpianatra fa manomboka amin’ny andininy 11, dia voarakitra ao amin’ny ambin’ny fizarana 76 ny fanambaran’ny Tompo mikasika ny “misterin’ny fanjakana,” izay “manoatra noho ny fahatakarana rehetra” (andininy 114). Manokatra ny fahatakarantsika an’ireo zavatra mahatalanjona mikasika ny fiainana mandrakizay ny fanambarana, mampianatra antsika momba ny fiainan-koavy sy mampahafantatra ny zavatra izay tsy fantatra teo aloha.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24

Fahitana ny Ray sy ny Zanaka

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia ahitana andiana fahitana. Mba hanomezana ny mpianatra topimaso ny amin’ny zavatra hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tao amin’ireo fahitana ireo dia asehoy ity sary manaraka ity na omeo tahadikan’izany ny mpianatra tsirairay. Hazavao fa ny singa iray avy amin’ny sary dia mifantoka amin’ny fahitana iray.

Sary
sary mampiseho ny fizarana 76

Mariho fa ny iray amin’ny fahitana nisokatra tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tamin’io andro io dia fahitana ny Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, na soraty eny amin’ny solaitrabe:

Inona no fahamarinana ianarantsika avy amin’io fanambarana io mikasika an’i Jesoa Kristy?

Iza amin’ireo fotopampianarana ireo no azonao hijoroana ho vavolombelona? Ahoana no ahafantaranao fa marina izany?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24 ka hieritreritra ny fomba hamaliana ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny valinteniny. Mety ho samihafa ireo valinteny, nefa alaivo antoka fa mahatakatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra. I Jesoa Kristy dia olona velona sy feno voninahitra. I Jesoa Kristy no Zanakalahy Tokan’ny Ray. I Jesoa Kristy no Mpahary ity tontolo ity sy ny tontolo hafa. Ny vahoaka amin’ity tontolo ity sy amin’ny tontolo hafa dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra.

Hevero ny hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–113

Ny drafitry ny famonjena

Hazavao fa ny andininy 25–113 amin’ny fizarana 76 dia mampianatra fahamarinana mahatalanjona mikasika ny drafitry ny famonjena. Asao ny mpianatra hisafidy vondrona iray amin’ireo andininy ireo araka ny voatanisa eo amin’ny sary ary hamaky izany haingana. Zarao tsiroaroa ny mpianatra ary asaivo manao fifanakalozan-kevitra mikasika ny zavatra nianarany na ny zavatra izay hitany fa tena mampientam-panahy avy amin’ny vakiteniny. Rehefa izany dia manaova fifanakalozan-kevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no fotopampianarana fototra mikasika ny fiainana sy ny fahafatesana izay ampian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 antsika ho takarina? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, nefa alaivo antoka ny hahatakarany fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 no andraisantsika fahatakarana fototra ny amin’ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hiainantsika indray eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.)

Hazavao fa iray amin’ireo fahitana manan-danja indrindra nomena an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny mikasika ny fanjakana selestialy. Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–53, sy hitady ny lisitry ny fepetra takiana amin’ny fidirana ao amin’ny fanjakana selestialy. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika na hanisy tarehimarika an’ireo fepetra ireo ao amin’ny soratra masiny. Rehefa avy nizara ny zavatra hitany ny mpianatra iray, dia manontania fanontaniana tahaka ity manaraka ity:

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mandray ny “tenivavolombelon’i Jesoa”? (Manana finoana ny asa fanavotan’ny Mpamonjy sy miaina araka ny didiny.)

  • Inona ny dikan’ny hoe “mandresy amin’ny finoana”? (Mahatohitra ny fakam-panahy sy ny fahotana amin’ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy sy maharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany.)

  • Inona no dikan’ny hoe “fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana”? (Ny Fanahy Masina, izay Fanahy Masin’ny Fampanantenana ihany koa, dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa nandray araka ny tokony ho izy ny ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny Filazantsarany isika ary nitandrina amim-pahatokiana ny fanekempihavanana nataontsika.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:54–70 amin’ny alalan’ny fanazavana fa mitanisa ireo fitahiana maro izay horaisin’ireo mponin’ny fanjakana selestialy io andinin-tsoratra masina io. Omeo fotoana fohy ny mpianatra hamakiany ireo andininy ireo sy hitadiavany ireo fitahiana nampanantenaina na ny fepetra izay manan-danja manokana ho azy ireo.

  • Inona no fitahiana nampanantenaina ny mahatoky izay manan-danja manokana aminao? Nahoana?

  • Ahoana no hanampian’ny andininy 69 antsika amin’ny fahatakarana ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fiainan’ireo izay mandova ny fanjakana selestialy? (Isika tsirairay dia tsy hahomby amin’ny fanaovana ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fandraisana ny fanjakana selestialy, na dia manao izay faran’ny vitantsika aza. Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany no ahafahantsika ho voadio amin’ny fahotantsika sy ho lasa tonga lafatra.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ireo fahamarinana mikasika ny drafitry ny famonjena voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 antsika amin’ny fanaovana safidy tsaratsara eo amin’ny fiainana?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Raha tsy misy ny fahafantarana ny drafitry ny filazantsara, dia toa mandeha ho azy, sy tsy hananan-tsiny na voamarina mihitsy aza ny fandikan-dalàna. Tsy misy fiarovana amin’ny fahavalo lehibe kokoa noho ny fahafantarantsika ny fahamarinana—ny fahafantarantsika ilay drafitra!” (Our Father’s Plan [1994], 27).

  • Ahoana no fomba hanampian’ny fahafantarana ny fahamarinana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 antsika amin’ny fiarovan-tena amin’ny fitaoman’i Satana?

  • Ahoana no fomba nanampiana sy notahiana anao amin’ny alalan’ny fahafantarana ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:114–117. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fampanantenana nomena an’ireo izay manadio ny tenany. Asao ny mpianatra hamariparitra ny fampanantenana ao amin’io andinin-tsoratra masina io.

Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) ity izay mifandray amin’ny fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Afaka nazavaiko in-jato, eny mihoatra ny nataoko hatramin’izay ny voninahitry ny fanjakana izay nampisehoana ahy tamin’ny fahitana, izay nahazoako lalana, ary izay nisian’ny olona vonona hihaino izany” (ao amin’ny History of the Church, 5:402).

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tao amin’ny fotoam-pampianarana, dia asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny tsy fenoity:

Rehefa avy nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:

Fantatro fa …

Izaho dia maniry ny …

Izaho dia …

Asao ny mpianatra hameno ireo andian-teny ireo amin’ny taratasy iray. Amporisiho izy ireo mba handinika raha toa ka hahatonga azy ho mendrika ny handova ny fanjakana selestialy sy hanampy azy ho mendrika ny fitahiana hafa nampanantenana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ny safidy izay ataon’izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana izay noresahina androany nandritra ny fotoam-pampianarana.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy