Tahirim-pitaovana
Lesona 14: Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo Fanalahidin’ny Fisoronana


Lesona 14

Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo Fanalahidin’ny Fisoronana

Fampidirana

Taorian’ny telo taona teo ho eo izay niainana fahasahiranana sy fahafoizana ara-bola, dia notokanana tamin’ny 27 mey 1836 ny Tempolin’i Kirtland. Nisy ny zava-nitranga nahagaga izay nanaraka ny fanokanana, ary herinandro taty aoriana dia namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny iraka avy any an-danitra. Ireo fanalahidy ireo dia toetra manokana mampiavaka ny Fiangonana ary nitondra fitahiana ho an’ny olona an-tapitrisany izay niangona tao amin’ny Fiangonana.

Vakiteny enti-mandalina

  • Jeffrey R. Holland, “Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey 2005, 43–45.

  • David A. Bednar, “Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona, mey 2009, 97–100.

  • “Glorious Days in Kirtland, 1834–1836,” toko 13 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky Torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 153–68.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–28

Nahafoy tena ireo Olomasina mba hanorenana ny Tempolin’i Kirtland

Asehoy ny mpianatra ny sarin’ny Tempolin’i Kirtland (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 117; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa ny Olomasina dia niasa mafy sy nahafoy tena nandritra ny telo taona teo ho eo mba hanorenana ny Tempolin’i Kirtland. Rehefa nanao izany izy ireo, dia nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo fa raha mitandrina ny Didiny izy ireo, dia “hanan-kery hanorenana izany” (F&F 95:11). Teo amin’ny 1.000 teo ho eo no isan’ny olona nanatrika ny fanokanana ny tempoly, izay natao ny 27 martsa 1836. Ny vavaka fanokanana, izay voarain’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–5. Amporisiho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny, ary haka naoty ny andian-teny izay mamariparitra ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina mba hanorina ny tempoly. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo andian-teny nampiasan’i Joseph Smith mba hamariparitana ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina, dia asaivo mamaky mafy ity famintinana ity ny mpianatra iray:

Teo anelanelan’ny jona 1833 sy martsa 1836, no niasan’ny lehilahy sy vehivavy niaraka mba hanorenana sy hamitàna ny tranon’ny Tompo. Ny sasany nandrafitra vato, ary ny hafa kosa nitatitra vato, nisy ireo nanodinkodina kofehy ary ny hafa kosa nanjaitra akanjo ho an’ny mpiasa, sy niasa ho an’ny lambam-baravaran’ny tranon’ny Tompo. Izany rehetra izany dia natao “mba hananan’ny Zanak’olona toerana hanehoana ny tenany amin’ny vahoakany” (F&F 109:5). Misy Olomasin’ny Andro Farany, toa an’i John Tanner, izay nanome betsaka tamin’ny harenany ho an’ny fanorenana ny tempoly. Raha atambatra, dia mety nitentina teo amin’ny 40.000 dolara amerikana ny vidin’ny fanorenana ny tempoly—izay vola betsaka tokoa tamin’izany fotoana izany. Na dia teo aza ny vidiny sy ny fahafoizan-tena natao, dia nahatoky tamin’ny asa fankatoavana ny didin’ Andriamanitra ny Olomasina (jereo ny F&F 95:11). Ny Tempolin’i Kirtland dia asa natao vokatry ny fo sy fampisehoana fankatoavana, fahafoizan-tena ary finoana.

  • Inona ireo fahafoizan-tena takiana amintsika ankehitriny mba handraisana ireo fitahian’ny tempoly?

  • Inona ireo fitahiana tonga amin’ny fiainantsika rehefa mahafoy tena isika manoloana ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo?

Mba hamaliana ity fanontaniana ity dia asehoy izao fanambarana nataon’ny Rahavavy Carol B. Thomas izao, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany. Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Carol B. Thomas

© Busath.com

“Ny fahafoizan-tena dia fitsipika mahatalanjona. Rehefa manome ny fotoana sy talenta ary ny rehetra ananantsika an-tsitrapo isika, dia lasa fomba fiderantsika marina indrindra izany. Afaka mampitombo ao anatintsika ny fitiavana lalina ho an’ny hafa sy ho an’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy izany. Afaka miova ny fontsika, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena; miaina akaiky kokoa amin’ny Fanahy isika ary mihena tsikelikely ny faniriantsika ny zavatr’izao tontolo izao ” (“Sacrifice: An Eternal Investment,” Ensign, mey 2001, 64).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13 sy 20–21, ka hitady ny fomba nanehoana ny fahamasinan’ny tempoly ao amin’io vavaka io. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niavaka taminy indrindra ao amin’ireo andininy ireo.

Lazao ny mpianatra fa nandritra ny vavaka fanokanana, dia nangataka fitahiana manokana amin’ny Tompo i Joseph Smith. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–15, 22–28. Amporisiho ny mpianatra ambiny mba hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fitahiana afaka azon’ireo izay manompo amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo fitahiana hitanao no manan-danja aminao indrindra? Nahoana?

  • Inona no fotopampianarana na fitsipika afaka ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo? (Alaivo antoka fa hitan’ireo mpianatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manompo amim-pahamendrehana ao amin’ny tempoly isika, dia afaka mandray fiarovana bebe kokoa ary hery hiadiana amin’ny faharatsian’izao tontolo izao.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona David A. Bednar

“Mba diniho anie ny [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–28] manoloana ny fahaviniran’ny fahavalo ankehitriny ary … ny fahavononantsika hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny fitahian’ny fiarovana nampanantenana an’ireo izay mihazona amin-kaja ny anarana sy mitoetra ao amin’ny tempoly masina. Noho izany ireo fitahiana ireo dia natokana ho an’ny taranaka rehetra ary haharitra mandrakizay. Manasa anao aho mba handalina tsy an-kiato ary hisaintsaina am-bavaka ny vokatr’ireo soratra masina ireo eo amin’ny fiainanao sy ny fianakavianao.

“Tsy tokony ho gaga isika amin’ny ezaka ataon’i Satana mba hanakanana na hanosoram-potaka ny fiderana sy ny asan’ny tempoly. Ny devoly dia mankahala ny fahadiovana sy ny hery ao amin’ny tranon’ny Tompo. Ary ny fiarovana izay azontsika tsirairay ao amin’ny ôrdônansin’ny tempoly sy ny fanekempihavanana sy amin’ny alalan’izany dia mijoro ho sakana lehibe ho an’ny tanjona ratsin’i Losifera” (“Honorably Hold a Name and Standing,” Ensign na Liahona, mey 2009, 99–100).

  • Ahoana no nahatsapanao fitomboan’ny herinao ara-panahy noho ny fanompoana tany amin’ny tempoly?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tokony hataony mba handraisany bebe kokoa ny fitahiana nampanantenana an’ireo izay manompo amim-pahatokiana any amin’ny tempoly. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa misaintsaina ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany izy ireo, dia misokatra bebe kokoa amin’ny fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo ny fo sy ny sain’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110

I Jesoa Kristy, Mosesy, Elia ary Elià dia niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland

Hazavao fa Andriamanitra dia namaly soa ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny alalan’ny fandrotsahana fahagagana ara-panahy isan-karazany nandritra ny fanokanana. Raha mbola misy ny fotoana, dia zarao vetivety ny sasany amin’ny tantara hita ao amin’ny toko 13 (“Glorious Days in Kirtland, 1834–36”) amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa (Boky Torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), indrindra indrindra ny ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “A Pentecostal Season” (pejy 164–67). Lazao ny mpianatra fa angamba ny tranga nanan-danja indrindra tamin’ireo dia niseho ny 3 aprily 1836, herinandro taorian’ny fanokanana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ambiny. Avy eo dia manontania hoe:

  • Natokana ho an’iza ity fahitana ity? Inona no zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery talohan’ny nitrangan’io fahitana io?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny andininy folo voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 dia fahitana feno voninahitra nomena an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Mpamonjy, izay niseho tamin’izy ireo mba hilazana fa nekeny ny Tempolin’i Kirtland. Asaivo mamaky ireo andininy ireo am-pahanginana ny mpianatra ka hitady ireo fahamarinana lehibe izay sady mikasika ny Mpamonjy no mikasika ny tempoly. Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia anotanio hoe:

  • Inona amin’ireto andininy ireto no manan-danja aminao? Nahoana?

  • Araka ny andininy 6, dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Aoka ny fon’ny vahoakako rehetra hifaly.” Nahoana araka ny eritreritrao no nanana antony hifaliana ny vahoaka tamin’io fotoana io?

Hazavao fa rehefa tanteraka ilay fahitana ny Mpamonjy, dia nisy andiana fahitana hafa nanaraka izany. Tao amin’ireo fahitana ireo no nisehoan’i Mosesy, Elià ary Elia izay niseho tsirairay tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Mosesy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11

Elià: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12

Elia: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–15

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Ampandraiketo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ny vondrona mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra handalina ny andinin-tsoratra masina nomena azy mba hianatra mikasika fanalahidin’ny fisoronana manokana izay naverina tamin’ny laoniny. Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo.

Ity fanazavana manaraka ity dia afaka manome ny mpianatra fahatakarana lalina kokoa momba ny zavatra novakiany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanambarana tsirairay aorian’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra mikasika ny andinin-tsoratra masina mifandray aminy.

Mosesy: Ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely dia manome ny fahefana hitarika ny fitoriana ny filazantsara avy any amin’ny vazan-tany efatra. “Tena mety tokoa ny hoe i Mosesy, izay nitarika ny zanak’ Andriamanitra nankany amin’ny tany nampanantenana tany am-boalohany no manolotra ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny” (Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 82, Fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 28).

Elià: “Ny lehilahy iray nantsoina hoe Elià dia toa hoe niaina teto an-tany nandritra ny vanim-potoan’i Abrahama, ary izy dia nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland (Ohio) ny 3 aprily 1836” (Bible Dictionary, “Elias”). “I Elià dia [namerina] indray ny ‘filazantsaran’i Abrahama,’ ilay Fanekempihavanan’i Abrahama lehibe izay ahafahan’ny mahatoky mandray ireo fampanantenana ny fitomboana mandrakizay, ny fampanantenana fa amin’ny alalan’ny fanambadiana selestialy dia ho maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa ny taranany” (Bruce R. McConkie, “The Keys of the Kingdom,” Ensign, mey 1983, 22).

Elia: “Io hery famehezana nomena an’i Elia io, no ilay hery mamehy ny mpivady, sy ny zanaka amin’ny ray aman-dreny mandritra izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay. Io no hery mamatotra misy isaky ny ôrdônansin’ny Filazantsara. … Amin’ny alalan’io hery io no voafatotra, na voafehy ny ôrdônansy mikasika ny famonjena rehetra, ary iraka nampandraiketina an’i Elia ny ho avy sy hamerina izany amin’ny laoniny” (Joseph Fielding Smith, Elijah the Prophet and His Mission [1957], 5).

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:16 ary amporisiho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny. Asao ny mpianatra hamantatra ny zavatra natolotra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’io fotoana io (“ireo fanalahidin’ity fotoampitantanana ity”). Rehefa izany dia manontania hoe:

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 16, inona no zavatra afaka fantarintsika noho ny namerenana ireo fanalahidy ireo tamin’ny laoniny? (Efa akaiky ny Fiaviana Fanindroany.)

  • Raha heverina hatrany ny andininy 16, nahoana no nilaina ny namerenan’i Mosesy, Elià ary Elia an’ireo fanalahidy ireo alohan’ny “andron’ny Tompo, izay lehibe sy mahatahotra”?

  • Ahoana no nandraisanao fitahiana noho ny namerenana ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo tamin’ny laoniny? (Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia fintino ny maha-zava-dehibe ny famerenana ireo fanalahidy ireo tamin’ny laoniny amin’ny fanambarana ity fitsipika ity: Ny fanalahidin’ny asa fitoriana, ny fianakaviana mandrakizay, sy ny asan’ny tempoly dia manampy antsika hiomana sy hampiomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny fisoronan’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fanalahidiny, ny ôrdônansiny, ny fiandohany tany amin’ Andriamanitra ary ny fahafahana mamatotra any an-danitra izay voafatotra eto an-tany, dia sady tsy azo soloina ao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra no tsy manam-paharoa ao aminy ary … raha tsy misy izany dia tsy misy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, mey 2005, 43).

Zarao ny fomba nitahiana anao noho ny namerenana tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fanalahidin’ny fisoronana dia zavatra ananana manokana mampiavaka ny Fiangonana; manasaraka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fiangonana hafa eto an-tany izany.

Vakitenin’ny Mpianatra