Tahirim-pitaovana
Lesona 9: Manaraka ny Mpaminany Velona


Lesona 9

Manaraka ny Mpaminany Velona

Fampidirana

Tamin’ny andro nananganana ny Fiangonana, dia nampanantena fiarovana ara-panahy ho an’ireo izay mampandry sofina amin’ny tenin’ny mpaminaniny ny Tompo (jereo ny F&F 21:4–6). Fotoana fohy taorian’izay, mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hiala amin’ny famitahana, dia nanambara ihany koa ny Tompo fa ny mpaminany ihany no nahazo lalana handray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo (jereo ny F&F 28:1–7). Manana ny fahefana hanazava ny soratra masina ihany koa ny mpaminany. Ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo dia mitondra fiarovana ara-panahy fanampiny amin’izao andro farany izao.

Vakiteny enti-mandalina

  • Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 74–77.

  • Kevin R. Duncan, “Our very survival”, speeches.byu.edu Ensign na Liahona nôv. 2010, 34–36.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–6

Mampandria sofina amin’ireo tenin’ny mpaminany

Anontanio ireo mpianatra hoe inona avy ireo anarana entintsika hiantsoana ny Filohan’ny Fiangonana indraindray. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. Avy eo asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1 ary manaraka ny vakiteny kosa ireo mpianatra ambiny. Tanisao eny amin’ny solaitrabe izay mety ho anarana fiantsoana fanampiny. Anontanio avy eo hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana no hamariparitan’ny anarana fiantsoana tsirairay ao amin’io andinin-tsoratra masina io ny asan’ny Filohan’ny Fiangonana?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra ny toe-javatra nisy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 amin’ny fanazavana fa ny fanambarana izay voarakitra ao dia nomena tamin’ny andro nananganana ny Fiangonana. (Fanamarihana: Rehefa mianatra ny mahatakatra ny toe-javatra misy ao amin’ny soratra masina iray ny mpianatra, dia mora amin’izy ireo kokoa ny mahatakatra ny hevitra sy ny maha-zava-dehibe ny zavatra vakiany.) Anontanio avy eo hoe:

  • Nahoana no ho zava-dehibe ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana taloha ny mahafantatra fa ny antson’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminany azy dia misy fahasamihafana lehibe raha miohatra amin’ny anjara asan’ireo mpitarika any amin’ny fiangonana hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5 ary ireo mpianatra kosa dia manaraka ny vakiteny. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba izao manaraka izao:

  • Nahoana no mila faharetana sy finoana indraindray ny mampandry sofina amin’ny torohevitry ny mpaminany?

Raha ilaina, dia azonao atao ny mizara amin’ireo mpianatra ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973):

Filoha Harold B. Lee

“Tsy maintsy mianatra mampandry sofina amin’ireo teny sy didy izay homen’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminany isika. … Mety tsy ho tianareo ny zavatra lazain’ireo manam-pahefana ambonin’ny Fiangonana. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinao ara-pôlitika izany. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-piaraha-monina izany. Mety hanelingelina ny sasany amin’ny fiainanareo ara-piaraha-monina izany. Kanefa raha mihaino ireo zavatra ireo ianareo, toy ny hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo mihitsy izany, amim-paharetana sy am-pinoana, ny fampanantenana dia hoe ‘tsy haharesy anareo ny vavahadin’ny helo; … ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny maizina eo anoloanareo, ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany’ (F&F 21:6)” (Enseignements des Présidents de l’Église: Harold B. Lee [2000], 84)

Arakaraky ny bitsiky ny Fanahy Masina, dia azonao atao ny manazava izao manaraka izao:

  1. Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia tsy mino isika hoe olona tonga lafatra ny mpaminany. Na izany aza, ny Tompo dia tsy hamela azy ireo na oviana na oviana hitarika ny Fiangonana haniasia (jereo ny Filazana Ôfisialy 1, “Ampahany amin’ny Fandraisam-pitenenana Telo nataon’ny Filoha Wilford Woodruff mikasika ny Manifesto”).

  2. Mino sy mifaly amin’ny fitohizan’ny fanambarana isika. Nisy fotoana tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay nanazavan’ny mpaminany iray torohevitra araka ny faminaniana teo aloha na nahitan’ny mpaminany iray fampianarana na fomba fanao izay nekena amin’ny ankapobeny taloha kanefa taty aoriana dia nila novaina. Ohatra, tamin’ny fiatombohan’ny Fiangonana dia namporisihana ireo mpikambana mba hiangona ho amin’ny foiben-toerana iray, toa an’i Kirtland, Ohio, na ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Ankehitriny, ireo mpikamban’ny Fiangonana dia amporisihina hiangona ao amin’ny tsatòkany na ny distrikany eny an-toerana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ilay fampanantenana nomena ireo izay mampandry sofina amin’ny tenin’ny mpaminany. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Anontanio avy eo hoe:

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampanantenana nomena ireo izay mihaino ny tenin’ny mpaminany? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mihaino ny tenin’ny mpaminany isika dia ho voaro amin’ilay fahavalo. Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny dikan’ny hoe mampihozongozona dia manaisotra na mamaha zavatra iray tsy ho eo amin’ny fitoerany na ny fasiana azy. Noho izany, azo adika toy izao ny andininy 6 hoe rehefa mihozongozona ny lanitra “mba ho soa ho [antsika],” dia “vahana” ireo fitahiana ka arotsaka amintsika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Filoha Henry B. Eyring

“Mitombina ho an’ireo izay manam-pinoana matanjaka ny fitadiavana ilay lalana ahitana fiarovana ao anatin’ny torohevitr’ireo mpaminany. Rehefa miteny ny mpaminany iray dia mety mieritreritra ireo izay kely finoana fa mihaino lehilahy iray hendry fotsiny izay manolotra torohevitra tsara izy ireo. …

“… Kanefa ny fisafidianana ny tsy hanaiky ireo torohevitra nomena tamin’ny faminaniana dia manova tanteraka ny faritra ijoroantsika. Lasa mampidi-doza kokoa izany. Ny tsy fanekena ny torohevitra nomena tamin’ny faminaniana dia mampihena ny herintsika handray torohevitra nentanim-panahy amin’ny ho avy” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 25).

  • Nahoana ny “faritra ijoroantsika” no ho lasa “mampidi-doza kokoa” raha toa isika ka mandà ny torohevitr’ireo mpaminany? Inona no ohatra maneho fa marina izany?

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no voatahy noho ny fampandriana sofina tamin’ny torohevitry ny mpaminany velona?

  • Amin’ny fomba ahoana no hiharan’ilay fitsipika hoe mihaino ny torohevitra nomena tamin’ny faminaniana amin’ireo fanontaniana ara-pivavahana sy ara-pitondrantena ary ara-piarahamonina amin’izao androntsika izao?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mba hangatahana ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6. Omeo toky izy ireo fa rehefa mihaino amim-pahazotoana ny tenin’ny mpaminany izy ireo dia hahazo fitahiana lehibe maro amin’izao fotoana izao sy amin’ny mandrakizay. Hazavao fa ny fihainoana ny torohevitr’ireo mpaminany dia tsy midika hoe mankatò an-jambany ny teniny isika.

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Harold B. Lee:

Filoha Harold B. Lee

“Tsy ampy ho antsika Olomasin’ny Andro Farany ny manaraka ireo mpitarika antsika sy manaiky ireo toroheviny, fa manana andraikitra lehibe kokoa isika ny hahazo ho antsika manokana ny fijoroana ho vavolombelona tsy voahozongozona momba ny antso avy amin’ Andriamanitra azon’ireo lehilahy ireo sy ny tenivavolombelona fa izay nolazain’izy ireo tamintsika dia sitrapon’ny Raintsika any An-danitra” (Enseignements des Présidents de l’Église: Harold B. Lee, 44).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 6–7; 43:1–7

Manome fanambarana amin’ny fomba voalamina ny Tompo

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nananganana ny Fiangonana, dia nisy mpikamban’ny Fiangonana sasany izay voafitaka noho ny ezaka nataon’ilay fahavalo mba hanome torolalana ara-paminaniana diso. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ary ny mpianatra ambiny kosa manaraka ny vakiteny (jereo koa ny Jeffrey G. Cannon, “All Things Must Be Done in Order: D&C 28, 43,” Revelations in Context series, apr. 4, 2013, history.lds.org). Anontanio avy eo hoe:

  • Inona no olana mety ho nitranga raha toa ireo mpikamban’ny Fiangonana ka nanohy nino ilay nambara fa fanambarana avy tamin’i Hiram Page?

Omeo fotoana ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 6–7. Anontanio avy eo hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanazavan’ilay hafatra avy amin’ny Tompo ny anjara asan’ny Filohan’ny Fiangonana? (Tokony hahatakatra izao fotopampianarana manaraka izao ireo mpianatra: Ny Filohan’ny Fiangonana no mihazona ny fanalahidy handray fanambarana ho an’ny Fiangonana.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo bebe kokoa ny fahatakarany io fotopampianarana io, dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity fampahalalana ara-tantara ity izay mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:

Tamin’ny volana febroary 1831 dia nisy vehivavy iray atao hoe Ramatoa Hubble tonga teo anivon’ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio. Nambarany fa mpaminany vavy izy, ary naharay fanambarana ho an’ny Fiangonana, ary fantany koa fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary tokony ho lasa mpampianatra ao amin’ny Fiangonana izy. Nahavita namitaka ny sasany tamin’ireo Olomasina izy. Nitebiteby noho ny fitaomana nananany sy ireo fanambarana sandoka teo anivon’ny Olomasina i Joseph Smith sy ireo olona hafa. Nanapa-kevitra ny hanontany ny Tompo momba ny zavatra tokony hatao ny Mpaminany, ary naharay fanambarana izy, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43 (jereo ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky 1 ao amin’ireo andian’antontan-taratasy ao amin’ny The Joseph Smith Papers [2013], 257).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7 ka hitady ireo fotopampianarana izay nampianarin’ny Tompo tamin’izany fotoana izany. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. Azonao atao koa ny manoro hevitra mba hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2. Hazavao fa ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 28 dia niantefa tany amin’ireo Olomasina tany New York, ary ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 43 dia niantefa tany amin’ireo Olomasina tany Kirtland. Anontanio avy eo hoe:

  • Tamin’ny fotoana nanomezana ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43 dia iza no voatendry handray ireo didy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo?

  • Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Olona iray ihany no notendrena amin’ny fotoana iray mba handray ny fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. Ireo izay mihaino ny Filohan’ny Fiangonana dia tsy ho voafitaka.)

Zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona L. Tom Perry

“Misy lamina ny fomba hanambaran’ny Tompo ny sitrapony amin’ny olombelona. Isika rehetra dia manana zo hangataka amin’ny Tompo sy handray fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny sehatra izay iandraiketantsika. Afaka mandray fanambarana ho an’ny fianakaviany ny ray aman-dreny, ary ny eveka ho an’ny mpiangona izay iandraiketany, ary toy izany hatrany amin’ny Fiadidiana Voalohany ho an’ny Fiangonana manontolo. … Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“‘Tsy mifanaraka amin’ny fitantanan’ Andriamanitra raha misy mpikamban’ny Fiangonana iray, na olona iray, mandray torolalana ho an’ireo izay manana fahefana lehibe kokoa noho ny azy’ [Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 210–98]” (“We Believe All That God Has Revealed,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 85–86).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao misoroka ny famitahana rehefa mahafantatra fa ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia azo hatrany amin’ny alalan’ireo lalam-pifandraisan’ny fisoronana izay efa nankatoavina? Ahoana no hitondran’izany fahalalana izany fiadanana eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no hahatonga ny filaminana ao amin’ny Fiangonana ho voatandro noho ilay fomba napetraky ny Tompo hanomezany fanambarana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–6

Nametraka lamina ao amin’ny Fiangonana ny Tompo

Hazavao fa rehefa nitombo ny Fiangonana dia nanome torolalana ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo momba ny handaminana ny fisoronana sy ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

Vakio mafy na fintino ity fanambarana manaraka ity:

“Rehefa nitombo ny mpikambana ao amin’ny fiangonana, ny mpaminany dia mbola nahazo fanambarana momba ny asan’ny fisoronana ihany. Araka ny nitarihan’ny Tompo, dia izy no nanangana ny Fiadidiana Voalohany, izay misy azy ho filoha sy misy an’i Sidney Rigdon sy i Frederick G. Williams ho mpanolotsaina. Natsangany koa ny Kolejin’ny Apostoly Roambinifolo sy ny Kolejin’ny Fitopololahy voalohany. Niantso sy nanendry ny eveka sy ireo mpanolotsainy izy, ny mpisorona avo, ny patriarika, ny filankevitra avo, ny fitopololahy, ary ny loholona. Natsangany ny tsatòka voalohany” (Ny Lovantsika: Tantara Fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [1996], 32).

Hazavao fa ny Fiadidiana Voalohany dia mihazona ny andraikitra tena miavaka ao amin’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–6 ary hitady ny andraikitra manokana an’ny Fiadidiana Voalohany. (Ny Fiadidiana Voalohany dia “mitondra ny fanalahidin’ny fanjakana” [andininy 2] ary amin’ny alalany no “hanomezana ny … fanambarana” ho an’ny Fiangonana [andininy 4]). Rehefa mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe “fanambarana” dia entina ilazana ireo fanambarana izay omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra mba hihaino ny fomba roa izay ametrahana ny fotopampianarana ao amin’ny Fiangonana.

Loholona D. Todd Christofferson

“Tamin’ny 1954, ny Filoha J. Reuben Clark zanany, izay mpanolotsaina iray tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba hampahafantarana ny andraikitra faran’izay lehibe indrindra sahanin’ny Filohan’ny Fiangonana. Raha niresaka momba ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy dia nilaza hoe: ‘Tokony ho [ataontsika] ao an-tsaina fa ny sasany amin’ireo Manampahefana Ambony dia nomena antso manokana ho sahanin’izy ireo. Manana fanomezam-pahasoavana manokana izy ireo, ary tohanana ho mpaminany, mpahita ary mpanambara izay manome azy ireo fanomezam-pahasoavana manokana ara-panahy mifandray amin’ny fampianarany ny olona. Izy ireo dia manana ny zo sy ny hery ary ny fahefana mba hanambara ny saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny fampianariny ny olony, izay mifanaraka amin’ny hery sy ny fahefana faran’izay lehibe ananan’ny Filohan’ny Fiangonana. …’

“… Ny Filohan’ny Fiangonana dia afaka manambara na manazava fotopampianarana izay mifototra amin’ny fanambarana omena azy (jereo ohatra ny F&F 138). Ny fanazavana ara-potopampianarana koa dia mety tonga amin’ny alalan’ny filankevitra itambaran’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ohatra ny Fanambarana Ôfisialy 2)” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2012, 86–88).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro hoe iza no manana fahefana hanambara ny “saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra” amin’izao tontolo izao?

Farano ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hieritreritra ny zavatra izay nianaran’izy ireo avy amin’ny hafatr’ireo mpaminany sy apôstôly velona. Asao ireo mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fomba nahazoan’izy ireo fitahiana avy amin’ireo hafatra ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra