2023
Avia, hanaraka Ahy,fiaraha-mientana
Janoary 2023


Avia, hanaraka Ahy, fiaraha-mientana

Ho an’ny takariva ao an-tokantrano, na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

Tsy misy zavatra tsy azo tanterahina!

Sary
Hand with the middle finger bent down

Ho an’ny Matio 1; Lioka 1

Tantara: Naniry ny hanan-janaka i Elizabeta sy i Zakaria, saingy efa antitra loatra i Elizabeta. Indray andro dia nisy anjely nilaza tamin’i Zakaria fa hanana zanaka lahy izy ireo! I Jaona Mpanao Batisa io zanak’izy ireo io. Nianatra i Elizabeta sy i Zakaria fa tsy misy zavatra tsy azo tanterahina miaraka amin’ Andriamanitra. (Jereo ny Lioka 1:11–14, 37.)

Hira: “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy,6–7)

Zavatra atao: andramo ity zavatra “tsy azo tanterahina” ity! Voalohany, aforeto midina ambany ny fanondroadalanao. Dia apetraho eo amin’ny latabatra ny tananao, ka ny felatanana no ambany. Izao dia andramo ampiakarina ny manarapoana. Avy eo dia mangataha olona hafa hanampy anao hampiakatra izany. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Ray any An-danitra anao hanao zavatra izay toa tsy ho azo tanterahina?

Tantaran’ny fahaterahana

Sary
Boy holding up baby book

Ho an’ny Matio 2; Lioka 2

Tantara: Teraka tao an-tranon’omby tao an-tanànan’i Betlehema i Jesoa Kristy. Tonga nijery azy ireo mpiandry ondry sy anjely ary ireo Magy. Afaka mamaky misimisy kokoa momba ireo Magy ianao ao amin’ny pejy 46.

Hira: “Jesoa anie fahiny koa mba zaza tahaka ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 34)

Asa atao: Mifandimbiasa mitantara ny tantaran’ny fahaterahan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana. Azonao resahina hoe taiza izy no teraka, na oviana izy no teraka, na iza ny ray aman-dreniny, na zavatra hafa fantatrao momba ny fahaterahany.

Ilay tena Mazava

Sary
Girl shining a flashlight on the floor

Ho an’ny Jaona 1

Tantara: Indraindray i Jesoa Kristy dia antsoina hoe “tena Mazava” (Jaona 1:9). Mampianatra ny soratra masina fa tokony hitandrina ny didiny sy hanara-dia Azy isika. Avy eo isika dia hanana ny “ hery ho tonga zanak’ Andriamanitra” (Jaona 1:12).

Hira: “Jesoa no fahazavako” (pejy 23)

Zavatra atao: Ataovy sary ny tanjona izay anananao. Asaivo misy manafina ao amin’ilay efitrano ny sary nataonao dia piho ny jiro. Avy eo dia makà jiro kely ary ataovy manazava ny efitrano izany. Hitanao ve ilay sary nataonao izao? Miresaha momba ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao hahatakatra ny tanjonao.

Ny lalan’ny fanekempihavanana

Sary
Boy writing on paper

Ho an’ny Matio 3; Marka 1; Lioka 3

Tantara: Nandeha tany amin’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa Kristy mba hatao batisa mba hahafahany “[manatanteraka] ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Natao batisa i Jesoa mba hanehoana ohatra amin’ny fankatoavana ny Ray any An-danitra. Afaka manara-dia an’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny batisa ihany koa!

Hira: “Viens, et suis-moi” (Cantiques, no. 61)

Zavatra atao: Mandehana ao amin’ny pejy 9 raha hianatra momba ny lalan’ny fanekempihavanana. Avy eo dia ataovy ilay asa atao. Eto amin’ity pejy ity isam-bolana, dia hianatra ny dikan’ny fitahiana ho anao ianao eo am-panarahano ny lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra!

Sary nataon’i Katy Dockrill

Hamoaka printy