2023
Hazavana, fakan-tsary, asa fanompoana!
Janoary 2023


Hazavana, fakan-tsary, asa fanompoana!

Tsy nanakana azy ireo hanompo ny fijanonana tao an-trano.

Sary
“Lights, Camera, Service” is about two sisters who were sad they couldn’t go to church because of the COVID-19 pandemic – they decided to make videos in Spanish to help other kids. 1. A sad girl looking at the computer. 2. Two sisters talking and looking online for lesson ideas. 3. Two sisters taking turns recording themselves as they talk about stories in the Book of Mormon. 4. Spot of six primary kids on a computer zoom meeting and a text bubble coming up from one of the sisters talking about the stripling warriors story in the Book of Mormon.

Tian’i Antonella sy i Mariana ny mandeha any am-piangonana isan-kerinandro. Saingy izao izy ireo dia tsy afaka mandeha miangona noho ny valanaretina COVID-19. Nanatrika ny kilasin’ny Kilonga en ligne izy ireo, saingy tsy nitovy tamin’ny taloha izany.

Nalahelo ny fandehanana ao amin’ny Kilonga i Antonella sy i Mariana. Taona iray lasa izay dia nifindra avy tany Chili ho any Kanadà izy ireo. Nampahasarotra ny fahitana namana vaovao ilay valanaretina. Nalahelo ny fahafahan’izy ireo mianatra momba ny soratra masina miaraka amin’ireo ankizy hafa izy ireo. Ary nalahelo ireo lesona amin’ny fiteny espaniola azon’izy ireo tany Chili izy ireo.

Indray andro, rehefa avy nanao ny fotoam-bavaka tao an-trano dia nijery zavatra hanampy azy ireo handalina ny Avia, manaraha Ahy i Antonella sy i Mariana.

“Mba tiako raha mahita horonan-tsary amin’ny fiteny espanola aho,” hoy i Antoniella. Nieritreritra kely izy. Avy eo dia nahita hevitra tsara izy. “Afaka manao ny horonan-tsarintsika manokana isika ho an’ny Avia, manaraha Ahy isan-kerinandro.”

“Ie, dia azontsika atao amin’ny fiteny espaniola izany!” hoy i Mariana. “Dia azontsika zaraina amin’ny ankizy hafa ihany koa izany.”

Nilaza i Dada sy i Neny fa afaka manampy izy ireo. Faly ery ny fianakaviana manontolo!

Tamin’ny voalohany dia namaky ireo soratra masina ho an’ny lesona mandritra ilay herinandro ilay fianakaviana. Nanomana ireo zavatra horesahin’izy ireo ireo ankizivavy. Avy eo dia nanomboka nanao ilay horonan-tsary izy ireo. Nifandimby nifampaka sary i Antonella sy i Mariana raha niresaka momba ireo tantara ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna izy ireo. Any amin’ny faran’ny horonan-tsary tsirairay dia nizara ny zavatra nianarany avy tamin’ny lesona ny iray amin’izy ireo. Avy eo dia nampian’i Dada sy i Neny izy ireo hamoaka ilay horonan-tsary tamin’ny internet.

Tamin’ny voalohany dia tsy fantatr’izy ireo foana izay holazaina. Saingy nanampy azy ireo ny famakiana soratra masina sy ny fianarana bebe kokoa ireo lesona.

Indray alahady dia nipetraka teo anoloan’ny solosaina i Antonella sy i Mariana nandritra ny kilasin’ny Kilonga. Tamin’io herinandro io dia momba ireo zatovolahy miaramila ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna ny lesona. “Nahoana ireo zatovolahy miaramila no nandeha niady?” hoy ny nanontanian’ny mpampianatra azy ireo.

Nalefan’i Mariana ny mikrô an’izy ireo. “Izaho mahalala!” hoy izy. Nanao horonan-tsary momba izany tantara izany izy sy Antonella tamin’ny herinandro lasa. “Nampanantena tamin’ Andriamanitra ny rain’izy ireo fa tsy hiady, koa dia ireo zanany lahy no nandeha teo amin’ny toerany.”

Nanetsika ny lohany i Antonella. “Ary ny renin’izy ireo dia nampianatra azy ireo fa raha nanana finoana izy ireo dia harovan’ Andriamanitra.” Nitsiky tamin’i Mariana izy. Nahafinaritra ny niaraka nandalina ny soratra masina.

Tamin’io alina io nandritra ny sakafo hariva, dia nanontany i Neny hoe “Nanao ahoana ny tao amin’ny Kilonga?”

“Tsara!” Hoy i Antonella. “Nanampy ahy hianatra zavatra betsaka kokoa momba ny soratra masina ny fanaovana ireo horonan-tsary.”

“Izaho koa,” hoy i Mariana. “Afaka mamaly fanontaniana maro aho ao amin’ny Kilonga. Ary hainay bebe kokoa ireo tantara ao amin’ny soratra masina.”

“Faly aho fa nanampy anareo ireo horonan-tsary,’ hoy i Dada. “Mino aho fa nanampy olona maro hafa ihany koa izany!”

“Marina izany,” hoy i Neny. “Ny fizarana ny zavatra nianaranareo sy ny fahatsapanareo momba ny filazantsara dia fomba iray tena tsara hanompoana!”

Nitsiky i Mariana. “Tiako hoe afaka manompo amin’izany fomba izany isika,” hoy izy. Dia nitodika tany amin’i Antonella izy. “Andeha hanomana ny horonan-tsary ho an’ny herinandro manaraka!”

Hamoaka printy