Miara-manara-dia an’ i Jesoa
Gabriel N., 8 taona, Dumfries, Écosse
Gustavo N., 8 taona, Dumfries, Écosse
Vivian H., 10 taona, California, Etazonia
Janessa J., 6 taona, Tamil Nadu, Inde
“Tempoly,” Maelle N., 7 taona, Alberta, Kanadà
“Matt sy Mandy,” Lucy W., 12 taona, Utah, Etazonia
Manampy ny namako amin’ny kajy aho any an-tsekoly. Miezaka manara-dia ny Mpamonjy aho amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa.
Alžběta N., 8 taona, Pardubice, République Tchèque
Niomana tamin’ny batisako aho tamin’ny alalan’ny fihainoana ny soratra masina, sy famakiana ny Namana, ary ny vavaka. Rehefa vita batisa aho dia nahatsapa fifaliana bebe kokoa noho ny taloha.
Benyamine B., 8 taona, Arica, Chili
Tiako ny manao lesona amin’ny takarivan’ny mpianakavy.
Ann-Catleen A., 9 taona, Ouest, Haiti
Narary aho nandritra ny dia iray nataoko. Nivavaka ho ahy ny fianakaviako, nihinana fanafody aho, ary nomen’ny dadako tsodranon’ny fisoronana aho. Izany rehetra izany no nanampy ahy ho salama!
Sylus B., 6 taona, Texas, Etazonia
Nanampy tamin’ny fampidirana ireo vatomamy tao anatin’ny piñata aho ho an’ny fetin’ny tsingerin-taonan’ny zandriko vavy. Faly aho fa afaka nanampy.
Milla Y., 6 taona, Alaska, Etazonia
Tsara fanahy amin’ireo namako sy ny zandriko lahy aho satria mahafaly azy ireo izany, ary mahafaly ahy ihany koa!
Beckham S., 7 taona, Alabama, Etazonia