2023
Manara-dia an’i Jesoa any Angletera
Janoary 2023


Manara-dia an’i Jesoa any Angletera

Fantaro i Lucia sy i Vivie ary i Zac

Ny momba azy ireo

Sary
Vivie and Lucia Jenkins (sisters) smile as they stand next to a miniature pony.
Sary
Zac Jenkins smiles as he stands next to a very tall sunflower.

Anarana: Lucia, 7 taona; Vivie, 9 taona; ary i Zac, 9 taona

Fiaviana: Herefordshire, Angletera

Fiteny: Anglisy

Tanjona sy nofinofy: Ho namana tsara (Lucia), manao tsianjery ireo Fanekem-pinoana (Vivie), ary manampy ireo ankizy hafa hanao fanatanjahantena (Zac)

Fianakaviana: Mpianadahy i Lucia sy i Zac, ary i Vivie dia zanaky ny mpiray tampo amin-drainy

Manao ahoana ny fanarahan’izy ireo an’i Jesoa

Sary
Two boys pushing a lawn mower

“Mipetraka ao amin’ny toeram-piompiana iray misy an’i Bebe sy Dadabe ny fianakavianay,” hoy i Lucia. “Be ny asa atao saingy manana fahatsapana tsara izahay rehefa manompo. Fantatray fa tian’i Jesoa hanompo izahay.”

“Manampy an’i Bebe mikarakara ireo soavaly izahay,” hoy i Vivie. “Entinay mankeny an-tsaha izy ireo mba hihinana ahitra. Manadio ny fitoeran’izy ireo izahay, miborosy ny volony, mamahana azy ireo ary mameno rano ny siny fisotroan-dranony. Tianay ny manampy an’i Bebe.”

Manara-dia an’i Jesoa ihany koa i Zac amin’ny alalan’ny fanompoana. “Nisy fandidiana natao teo amin’ny tanan’ny dadaben’ny reniko. Tsy afaka nikarakara ny zaridainany izy. Nanampy tamin’ny fanapahana ny bozaka sy ny fanalana ireo ahi-dratsy ny fianakaviako sy ireo zanaky ny mpiray tampo amin’ny reniko ary ny ray aman-drenin’ny reniko. Faly ery ny dadaben’ny reniko!”

Ireo zavatra tena tian’izy ireo

Sary
1. A map of Great Britain: With the Preston England Temple, London England Temple, and Icon landmarks around the country to create an England feel. The background would extend behind the blocks of type, see rough layout. The dimensions include the background. 2. An Envelope 3. Two girls, Lucia (age 7) and Vivie (age 9), riding horses together. 4. Collage of Mangos, Sweet potatoes, Broccoli 5. Queen Elizabeth 6. Three colored pencils: (Turquoise, purple and yellow)

Toerana: I Lucia sy i Vivie dia tia miaraka amin’ireo soavaly

Tantara ao amin’ny Soratra Masina: Ny tena tian’i Zack dia tamin’i Jesoa nandeha teo ambony rano

Voankazo na legioma: Manga (Lucia), vomanga (Vivie), broccoli (Zac)

Loko: Volomparasy (Lucia), turquoise (Vivie), ary mavo (Zac)

Taranja any an-tsekoly: Zavakanto (Lucia sy Vivie) ary tantara (Zac)

Hamoaka printy