2023
Miara-mahatsiaro amin’i Bebe
Janoary 2023


Mahatsiaro miaraka amin’i Bebe

Nahoana i Mari no tsy nanam-paharetana bebe kokoa tamin’i Bebe?

Sary
Panel 1 of 3 1. Illustrated background with flowers. 2. Mari is sitting on a couch alone and looks back at her grandmother. She is sad or irritated. Her grandmother is walking away. 3. Mari and her grandmother are sitting on a couch together and are happy.

Nikentrona i Mari. Tantara iray mitovy ihany no notantarain’i Bebe. Naveriny indray.

Tonga niara-nipetraka tamin-dry Mari i Bebe volana maromaro lasa izay. Tian’i Mari izy, saingy mandreraka indraindray ny miaraka amin’i Bebe. Tantara mitovy foana no averiny ombieny ombieny Indraindray averiny hatramin’ny voalohany indray ilay tantara nefa mbola tsy vita akory ny fitantarany azy.

Nisento i Mari. “Bebe a,” hoy izy, “efa notantarainao ahy izany tantara izany.”

Niondrika i Bebe. “Izany ve?”

“Eny,” hoy i Mari. “Vao minitra vitsy lasa teo no nitantaranao azy tamiko.”

“Tsy tsaroako,” hoy i Bebe. Toa nalahelo sy very hevitra izy. Avy eo dia nitsangana izy ary niverina tany an’efitranony.

Nalahelo i Mari fa nampahatezitra an’i Bebe. Hatry ny nahafatesan’i Dadabe dia lasa niha-tsy mahatadidy zavatra hatrany hatrany i Bebe. Indray mandeha aza dia navelany nirehitra teo ny fatana ka niteraka firehetana tao amin’ny lakoziany. Tamin’izay no nitondran’i Dada sy i Neny azy hipetraka miaraka amin’izy ireo.

Hitan’i Mari tao an-dakozia i Dada. “Tena tiako i Bebe, saingy reraka mihaino tantara miverimberina aho. Nahoana izy no tsy mahatsiaro hoe efa notantarainy tamiko efa ho indimampolo tapitrisa izany tantara izany?”

Nitsiky i Dada. “Heveriko angamba fa tsy indimampolo tapitrisa izany. Saingy fantatro fa sarotra ilay izy. Misy aretina ao amin’ny atidohan’ny bebenao izay mahatonga azy manadino zavatra. Ireo tantara izay ataony no fomba hiezahany mahatadidy hoe iza izy.”

Nitanondrika i Mari. Nahoana izy no tsy nanam-paharetana bebe kokoa tamin’i Bebe? Tamim-pitiavana foana no nandraisan’i Bebe azy. “Mari keliko” no fiantsony azy. Noeritreretin’i Mari ny fotoana izay nanampiany an’i Bebe mamboly voninkazo sy manala ahi-dratsy amin’ny zaridaina.

Nandondona teo amin’ny varavaran’i Bebe i Mari.

“Mandrosoa,” hoy i bebe.

Nosokafan’i Mari ny varavarana. Nipetraka tamin’ny seza iray i Bebe niaraka tamin’ny soratra masina teo am-pofoany.

“Bebe a, azonao tantaraina amiko ve hoe tamin’ny fomba ahoana no nidiranao sy i Dadabe tato amin’ny Fiangonana?” Hoy i Mari nanontany.

Nijery ambony i bebe. “Te hihaino ny momba ahy sy Dadabe ianao?” hoy izy nanontany tamin’ny feo feno fanantenana.

Nipetraka teo akaikin’i Bebe i Mari. “Eny. Tiako henoina daholo.” Noraisin’i Mari ny tanan’ny bebeny. “Olona miavaka amiko ianao ry Bebe. Ary ho izany foana.”

Sary
Panel 3 of 3 1. Illustrated background with flowers. 2. Mari is sitting on a couch alone and looks back at her grandmother. She is sad or irritated. Her grandmother is walking away. 3. Mari and her grandmother are sitting on a couch together and are happy.

Nitsiky i Bebe, niverina nipetraka teo amin’ny sezany, ary nanomboka nitantara.

Efa henon’i Mari imbetsaka ilay tantara, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy monamonaina na tsy nahandry izy. Nahatsapa fitiavana sy fahatalanjonana kosa izy. Fantany fa nahafoy zavatra betsaka i Bebe sy i Dadabe rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Alemana. Tsy maintsy nifindra lavitry ny tranony ny Ray aman-drenibeny mba ho afaka niaina akaikin’ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa.

Nofaranan’i Bebe ilay tantara dia nitsiky izy. “Zazavavy mahafinaritra ianao, ry Mari keliko.”

Nofihinin’i Mari ny bebeny. “Misaotra Bebe. Tiako ianao.”

Hamoaka printy