2023
Manampy amin’ny asan’ny Ray any An-danitra
Janoary 2023


Avy amin’ny namana mankany amin’ny namana

Manampy amin’ny asan’ny Ray any An-danitra

Avy amin’ny fanadihadiana iray niarahana tamin’i Richard M. Romney.

Fantatrao ve fa asaina ianao hanampy ny Ray any An-danitra amin’ny asany manan-danja? Izany asa izany dia ny hanampy ny zanany rehetra mba hiverina sy hiaina miaraka Aminy (jereo ny Mosesy 1:39). Afaka manampy ianao rehefa manao zavatra efatra: miaina, mikarakara, manasa, ary mampiray.

Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Miaina ny filazantsara ianao rehefa manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa. Azonao atao ny mivavaka, mamaky ny soratra masina na boky misy tantara avy ao amin’ny soratra masina, mamela heloka ny hafa, ary mandeha miangona.

Mikarakara ireo sahirana. Afaka mipetraka eo akaikin’olona iray izay irery ianao. Na afaka miantso namana iray izay marary ianao ary mampifaly azy.

Manasa ny hafa handray ny filazantsara. Afaka manasa namana ho any am-piangonana na any amin’ny fiaraha-mientan’ny Kilonga ianao. Afaka manasa namana hanatrika ny batisanao ianao.

Mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay. Afaka miresaka amin’ny ray aman-drenibenao ianao mba hianatra momba ny fianan’izy ireo. Afaka ny ho mpampihavana ao anatin’ny tokantranonao ianao. Afaka miomana ny ho any amin’ny tempoly ianao.

Mampanantena aho fa hahatsapa fifaliana ianao rehefa miezaka ny miaina, mikarakara, manasa, ary mampiray ao an-trano sy any an-tsekoly ary ao amin’ny Kilonga. Tian’ny Ray any An-danitra ianao! Ary afaka manampy amin’ny asany lehibe ianao.

Sary nataon’i Augusto Zambonato

Hamoaka printy