2023
“Mivavaha ry Helamán”
Janoary 2023


“Mivavaha ry Helamán”

Sary
Miguel and his friends blessing their food at school.

Andro voalohany nandehanan’i Helamán tany an-tsekoly tamin’io. Nanao ny akanjony tiany indrindra izy, ary nanana pensilihazo vaovao izy. Navelan’ilay mpampianany vaovao izy mba hipetraka amin’ny dabilio niaraka tamin’i Sylvester sy i Jorge ary i Miguel namany. Tsara ny andro tamin’izay.

“Ampirimo ny entanareo,” hoy Señora Martínez. “Fotoana fisakafoana izao.”

Miara-mivavaka foana ry Helamán mialoha ny hisakafo. Nanangana ny tanany izy. “Señora Martínez, hivavaka ve isika alohan’ny hisakafo?”

Nitsiky tamin’i Helamán Señora Martínez. “Afaka mivavaka ho an’ny sakafonao ianao raha tianao.”

Nosokafan’i Helamán sy ireo namany ny sakafon’izy ireo.

“Fa inona no atao hoe vavaka?” hoy i Sylvester nanontany.

“Miresaka amin’ny Ray any An-danitra izany,” hoy i Helamán. “Izany no fomba hisaorantsika Azy noho ny sakafontsika.”

“Afaka mivavaka ho antsika rehetra ve ianao?” hoy i Miguel.

Navokon’i Helamán ny sandriny. Navokon’ireo namany telo ihany koa ny sandrin’izy ireo. Nakipin’i Helamán ny masony ary nanondrika ny lohany izy. Nanao toy izany koa ireo namany.

Avy eo dia nivavaka i Helamán, tahaka ny ataon’ny fianakaviany. Nisaotra ny Ray any An-danitra izy noho ny andro tsara izay lalovan’izy ireo sy noho ny sakafon’izy ireo. Nangataka fitahiana ho an’ny sakafon’izy ireo izy. Nofaranany tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy izany ary hoy izy hoe: “Amena.”

Niandrandra i Sylvester sy i Jorge ary i Miguel.

“Afaka miteny hoe amena koa ianareo” hoy i Helamán.

Nitsiky izy ireo ary nilaza hoe “Amena.”

Ny ampitson’io, tamin’ny fotoana fiasakafoana, dia hoy i Sylvester hoe: “Mivavaha ry Helamán a.”

“Eny, mivavaha ry Helamán a,” hoy i Miguel. Nanetsika ny lohany i Jorge nanaiky.

Dia nivavaka indray i Helamán. Tamin’ity indray mitoraka ity izy dia nilaza izy fa tena feno fankasitrahana loatra fa nanaovan’ny neniny sandwich amin’ny henan-kisoa sy frômazy, izay tena tiany. Nangataka ny Ray any An-danitra izy mba hanampy azy ireo mba hianatra tsara ao an-dakilasy tamin’io andro.

Isan’andro rehefa misakafo dia miteny ireo naman’i Helamán hoe “Mivavaha ry Helamán a.” Ary dia mivavaka isanandro i Helamán. Nivavaka niaraka tamin’ireo namany izy isan’andro tao anatin’ny herinandro.

Ny alatsinainy taorian’io tamin’ny fotoana fisakafoana dia hoy i Miguel hoe: “Androany dia izaho no hivavaka.”

Sary
Close up of two boys, Miguel and Helaman saying a prayer.

Gaga i Helamán. Navokony ny sandriny, nakipiny ny masony, naondriny ny lohany, dia nihaino izy raha nivavaka i Miguel.

Natombok’i Miguel tamin’ny filazana hoe: “Ry Ray any An-danitra ô.” Nisaotra Azy izy noho ny sakafon’izy ireo ary nangataka Azy mba hitahy izany. Nofaranany tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy izany ary hoy izy hoe: “Amena.”

“Amena!” hoy i Helamán sy i Jorge.

“Amena,” hoy i Sylvester. “Tsy fantatro hoe mahay mivavaka ianao.”

“Nianatra aho tamin’ny alalan’ny fihainoana an’i Helamán,” hoy i Miguel. “Nangataka ny ray aman-dreniko aho raha toa ka afaka mivavaka rehefa misakafo izahay ao an-trano. Nilaza izy ireo hoe eny, koa dia nivavaka toy ny nataon’i Helamán aho.”

“Izany ve!” hoy i Sylvester. “Angamba hangataka ny ray aman-dreniko koa aho raha toa ka afaka mivavaka aho rehefa misakafo izahay.”

“Izaho koa,” hoy i Jorge.

Sary
Miguel smiling as he thinks about sitting with his family at dinner. Miguel is saying a prayer for their dinner.

Nitsiky i Helamán. Faly izy fa afaka nanampy ireo namany hianatra hiresaka amin’ny Ray any An-danitra. Fantany fa tia azy ny Ray any An-danitra, ary tia an’ireo namany ihany koa ny Ray any An-danitra.

Hamoaka printy