Tantara ao amin’ny soratra masina
Fanomezana ho an’i Jesoa
Rehefa teraka i Jesoa Kristy dia nisy kintana vaovao nipoitra teny amin’ny lanitra. Fantatr’ireo Magy fa ny fahaterahan’i Jesoa no dikan’ilay kintana. Narahin’izy ireo ilay kintana. Nanao dia nandritra ny andro maromaro izy ireo.
Rehefa nahita an’i Jesoa ireo Magy dia nanome fanomezana ho Azy izy ireo. Nandohalika teo anatrehany izy ireo ary nitsaoka Azy. Fantatr’izy ireo fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
Afaka manome fanomezana an’i Jesoa ihany koa aho. Afaka mampiseho ny fitiavako Azy aho rehefa manaraka ny ohatra nasehony sy maneho fitiavana amin’ny hafa.