2023
Misolo tena an’i Jesoa
Janoary 2023


Misolo tena an’i Jesoa

Natahotra ny hizara ny fanasan’ny Tompo i David tamin’ny volaohany.

Sary
Panel 1 of 3 1. Boy’s hand holding sacrament tray. 2. Two boys sitting next to each other on church bench. One boy is smiling and talking to the other. 3. A young man is passing the sacrament to an elderly couple. He is being reverent. The elderly man is taking the sacrament with his right hand. The elderly woman has her head bowed, arms folded and eyes closed.

Nipetraka teo amin’ny laharana voalohany tao amin’ny trano fiangonana i David ary nangovingovitra ny tongony. Natahotahotra izy. Vao niala tao amin’ny Kilonga izy ary lasa diakona. Handeha hampiseho an’i David sy ireo ankizilahy hafa 11 taona ny fomba fizarana ny fanasan’ny Tompo ireo ankizilahy zokiny.

Ny autisme an’i David indraindray dia nahatonga azy ho sarotra nianatra zava-baovao. Sarotra taminy ny niala avy tao amin’ny Kilonga. Ary izao dia toa nampatahotra ny nizara ny fanasan’ny Tompo. Ahoana raha manao zavatra tsy mety izy ka ihomehezan’ny olona?

Nipetraka teo akaikin’i David i Jacob, iray amin’ireo ankizilahy zokiny. “Faly izahay manana anao miaraka aminay,” hoy i Jacob. Nomeny “paika tanana” i David. “Ho mety tsara ny hataonao.”

Nitsiky i David. Nahatonga azy hahazo aina kokoa izany.

Nampiseho ny zavatra atao tamin’ireo ankizilahy 11 taona ireo ankizilahy hafa. Nasehony azy ireo izay aleha sy ny laharana hizarana. Nanao fanazaran-tena nandeha teny amin’ireo lalantsara tao amin’ny trano fiangonana izy ireo. Nasehon’izy ireo an’ireo ankizilahy ireo ny fihazonana ny lovian’ny fanasan’ny Tompo.

“Neny, jereo ange e!” Hoy i David rehefa tonga tany an-trano. Nampiakariny ny sandriny. “Toy izao no nihazonako ny lovia. Am-pitandremana tahaka izao. Satria misolo tena an’i Jesoa aho, ary te haneho ny fanajako aho.”

Nanao fanazarana niaraka tamin’i David sy ireo ankizilahy hafa ireo zatovolahy taorian’ny fotoam-bavaka tamin’ny alahady sy nandritra ireo fiaraha-mientana amin’ny hariva. Nandeha tamin’izay tokony nalehany izy ireo. Nanao fampiharana ny fihazonana ny lovia i David.

Tsy ela dia tonga ny andro hizarany ny fanasan’ny Tompo voalohany indrindra.

“Inona no tsapanao momba izany?” Hoy i Dada nanontany.

“Mbola matahotra aho,” hoy i David.

“Andeha horesahana ny zavatra nataonao hiomanana,” hoy i Dada.

“Namaky ny soratra masina momba ny fisoronana isika mianakavy,” hoy i David. “Ny hoe mihazona ny fisoronana dia midika hoe misolo tena an’i Jesoa aho. Notapahiko ny hohoko mba ho tsara jerena ny tanako. Ary nanao fanazarana betsaka aho!”

“Tena tsara omana ianao izany,” hoy i Dada.

Rehefa tonga tany am-piangonana izy dia nipetra teny amin’ny laharana voalohany i David niaraka tamin’ireo diakona sasany. Nipetraka teo akaikiny i Jacob. Nieritreritra momba ny fomba hisoloany tena an’i Jesoa i David rehefa nizara ny fanasan’ny Tompo. Ary ahoana raha mbola nanao zavatra tsy araka ny tokony ho izy izy? Nanopy ny masony tany amin’i Jacob izy dia nitsiky taminy i Jacob. Nitsiky koa i David dia nisento mafy.

Rehefa tonga ny fotoana nizarana ny fanasan’ny Tompo dia nanampy an’i David nanolotra ny lovia tamin’ny laharana vitsivitsy voalohany i Jacob. Faly i David fa nisy olona niaraka taminy.

Sary
Panel 3 of 3 1. Boy’s hand holding sacrament tray. 2. Two boys sitting next to each other on church bench. One boy is smiling and talking to the other. 3. A young man is passing the sacrament to an elderly couple. He is being reverent. The elderly man is taking the sacrament with his right hand. The elderly woman has her head bowed, arms folded and eyes closed.

Nijery ireo olona i David raha nizara ny fanasan’ny Tompo. Maro tamin’izy ireo no niondrika eo am-pitoerany naneho fanajana. Ny sasany toa mieritreritra lalina. Nahatsapa fiadanana i David. Nisolo tena an’i Jesoa izy. Feno fankasitrahana izy fa afaka nanampy ny hafa hieritreritra momba an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy