2023
Mikatsaka ny talentako
Janoary 2023


Ankizy sy Zatovo

Mikatsaka ny talentako

Sary
A young boy smiles as he looks up at a bird that is in a tree. He is holding a book about birds.

Rehefa nanomboka nametraka tanjona aho ho an’ny Ankizy sy Zatovo dia niresaka momba ny talenta vaovao tiako hianarana izaho sy ny reniko. Naniry hanao fanazarana ny fihirana sy ny fandihizana ary ny fitendrena piano aho. Naniry hianatra momba ny biby ihany koa aho ary naniry hianatra mahandro sakafo. Naniry hamaky ny Bokin’i Môrmôna ihany koa aho.

Nampianatra zavatra maro ahy ny reniko momba ny fampiroboroboana ny talenta. Sarotra be ilay izy tamin’ny voalohany. Saingy nanao fanazaran-tena hatrany hatrany aho. Izao aho afaka mitendry ny “Zanaky ny Ray aho,” sy ny “Do, Re, Mi,” ary ny “Mary avait un petit agneau” amin’ny piano. Nianatra ny fomba fahandrahoana vary sy ny hot dogs aho ary ny fomba fanaovana biscuit. Namaky boky vitsivitsy momba ny biby aho. Izao aho dia mahafantatra anarana vorona maro toy ny bruants, sy ny grimpereaux, ary ny moqueurs. Ary afaka namita ny famakiana ny Bokin’ i Môrmôna aho mialoha ny nahafeno sivy taona ahy. Nahafinaritra ny nahavita ilay boky manontolo tao anatin’ny roa taona.

Manantena aho fa hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny talenta izay ananany ireo ankizy hafa ao amin’ny Kilonga.

Sary fanehoana nataon’i Kylah Garcia

Hamoaka printy