2023
I Jesoa no fahazavantsika
Janoary 2023


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

I Jesoa no fahazavantsika

Nalaina avy tamin’ny “The Light and Life of the World,” Ensign, Nov. 1987, 63–66.

Sary
Jesus Christ standing among the Nephites

Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty dia nandeha nitsidika ireo vahoaka tany Amerika i Jesoa. Nanao akanjo fotsy Izy nidina avy tany an-danitra. Naninjitra ny tanany izy dia nilaza hoe: “Indro, Izaho ny Jesoa Kristy. … Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.” (3 Nefia 11:10–11).

I Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao satria manazava ny lalantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra ny fampianarany sy ny ohatra nasehony.

Manazava ny lalantsika

Sary
Page from the January 2023 Friend Magazine. Lighting Our Way

Nilaza fomba 4 izay hanazavan’i Jesoa ny lalantsika ny Filoha Oaks. Tadiavo ireo soratra masina izay mifandraika amin’ny lalana tsirairay.

  1. Maneho antsika ny zavatra tokony hataontsika ny ohatra nasehony.

  2. Manampy antsika hahafantatra ny mety sy ny tsy mety Izy.

  3. Manampy antsika hanana faniriana hanao ny tsara ny heriny.

  4. Mitarika antsika mandritra ny fotoana sarotra ny fahazavany.

  1. Môrônia 7:16–17

  2. 3 Nefia18:16

  3. 1 Nefia 17:13

  4. Etera 4:11–12

Sary hosodoko nataon’i John Scott; sary fanehoana nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy