2023
Be tabataba!
Janoary 2023


Be tabataba!

Mitabataba be daholo ny zava-drehetra! Aiza no ahafahan’i Luke mahita fiadanana?

Sary
Boy with hands over his ears in loud house

Nitaraina i Luke. Mitabataba be daholo ny zava-drehetra! Nifamaly indray ireo rahalahiny, dia i Tadd sy i John. Na dia avy eo amin’ny faran’ny lalantsara aza dia mahare ny tabataban’izy ireo avy amin’ny varavaran’ny efitranon’izy ireo. Ary i Lizzie zokiny vavy dia nampiakatra mafy indray ny mozikany. Tom. Tom. Tom. Reny foana ny fitempon’ireo naoty ambany.

Niezaka nangataka ireo rahalahiny mba hijanona i Luke. “Mandehana any,” hoy i Tadd taminy. Avy eo dia nangataka an’i Lizzie i Luke mba hanena ny hamafin’ny mozikany. Vao mainka nampiakariny mafy ilay mozika.

Te hivoaka i Luke fa any no hahafahany mieritreritra. Kanefa avy ny orana.

Nisy toerana iray mangina izay anefa azon’i Luke naleha. Omaly ny ray aman-dreniny dia nanome efitrano iray izay azy manokana, izay tsy iarahany amin’i Tadd sy i John. Tao amin’ny lakavy izany. Fandriana sy latabatra ihany no antonona ao. Saingy ao amin’ilay efitranony i Luke dia afaka manidy varavarana sy miala amin’ilay tabataba.

Nidina tany ambany nankao amin’ny efitranony i Luke. Nierikerika izy nijery ireo baoritra nentiny nidina teo aloha. Nahita sarin’i Jesoa nipoitra avy tamin’ny baoritra iray izy. Tamin’ny andro nanaovana batisa an’i Luke no nahazoany izany sary izany. Mahatonga azy hahatsapa fiadanana foana ny mijery izany.

Nalain’i Luke avy tao amin’ilay baoritra ilay sary. Napetrany teo amin’ny latabatra izany. Avy eo dia nandohalika izy nivavaka. “Ray any An-danitra ô!” hoy i Luke, “Be tabataba loatra ato indraindray. Mba hampio aho hahita fiadanana.”

Nandry teo amin’ny fandriany i Luke. Nieritreritra momba an’i Jesoa izy. Nianatra izy tao amin’ny Kilonga fa afaka ny ho akaiky azy foana i Jesoa. Ary ny Fanahy Masina dia afaka mitondra fiadanana foana.

Sary
Boy looking at a picture of Jesus

Tsy ho ela dia ho tonga avy niasa i dada sy i neny. Hiresaka amin’i Tadd sy i John izy ireo. Hitsahatra ilay ady. Mandritra ny fotoana fohy. Hiresaka amin’i Lizzie izy ireo. Hoampidinin’i Lizzie ny mozikany. Mandritra ny fotoana fohy. Mandrapahalasa an’i dada sy i neny indray.

Fa amin’izao aloha dia mandry eo am-pandriany i Luke. Nijery an’ilay sarin’i Jesoa izy. “Ray any An-danitra ô!” hoy i Luke nibitsibitsika. “Mba ampio aho hahatsapa fiadanana na inona na inona mitranga ato anatin’ity trano ity.”

Avy eo dia nisy nandondona ny varavaran’ilay efitrano fatoriany. “Afaka mandroso ve aho?” Hoy i Neny nanontany. “Manao ahoana ianao izay?”

“Niady indray i Tadd sy i John,” hoy i Luke. “Ary nalefan’i Lizzie mafy be ny mozikany.”

“Fantatro mihitsy! Sarotra e, sa tsy izany?” Hoy i Neny. “Miresaka amin’ireo rahalahinao i dada amin’izao. Ary hiresaka amin’i Lizzie anio hariva. Fa te hahita aloha aho hoe manao ahoana ianao izay.”

“Tsy maninona aho. Faly aho fa nahazo ity efitrano ity,” hoy i Luke.

“Izaho koa,” hoy i neny. “Hitako fa nasianao sarin’i Jesoa eo amin’ny latabatra.”

Nitsiky i Luke. “Ie. Ary hanao ity efitranoko ity ho toerana misy fiadanana Izy.”

Hamoaka printy