Afaka mitendry izany aho!
Fanilo ho ahy i Jesoa
Amim-pifaliana [naoty mainty]=116–126
1. Rehefa maizina ny efitranoko,
Tsy ilaiko ny matahotra.
Sainiko ny fitiavan’i Jesoa
Izy dia tsy lavitra
2. Raha alaim-panahy aho,
Katsahiko ny hazavany.
Ary noho ny maro izay nataony,
dia iriako ny ho tsara hatrany.
Fiverenana: Jesoa no tena fahazavako.
Arovany ny fiainako.
Ny tsara hatrany no fidiko.
Satria Izy no arahiko.