2023
Ny nahatonga an’i Siedeh ho lasa sahy
Janoary 2023


Ny nahatonga an’i Siedeh ho lasa sahy

Natahotra be i Siedeh hiresaka amin’ireo mpiara-mianatra aminy.

Sary
Girl standing at the front of a classroom

Nisento be i Siedeh ary niditra tao amin’ny efitrano fianarany vaovao. Androny voalohany tao amin’ny kilasy fahefatra tamin’io.

Tamin’ny taon-dasa dia tao amin’ny kilasy faharoa i Siedeh. Tsara loatra ny nataony ka navelan’ny sekoliny nandingana kilasy izy. Tsy andrin’i Siedeh ny hanaovany matematika sarotra kokoa sy ny hamaky boky maro kokoa ao amin’ny kilasy fahefatra. Saingy tsy nahafaly azy ny handao ireo namany taloha.

Raha nijery tao amin’ilay efitra i Siedeh dia nahatsapa ho kely dia kely. Toa lehibe kokoa sy lava mihoatra azy avokoa ireo mpiara-mianatra aminy vaovao. Ahoana raha tsy voaray tsara izy?

Nisafidy dabilio iray izy dia nipetraka. Ankizivavy iray lava be no nipetraka teo akaikiny. “Manahoana,” hoy i Siedeh.

“Inona no ataonao ato?” hoy ilay ankizivavy. “Noheverika fa tokony ho ao amin’ny kilasy fahatelo ianao.”

“Nampiakarin’ny sekoly kilasy iray aho,” hoy i Siedeh sady natahotra.

Nanao tarehy ratsy masiaka ilay ankizivavy. “Tsy raharahiako izay faharanitan-tsainanao. Zazakely foana ianao.”

Tsy nahazo aina mihitsy i Siedeh tao anatiny. Nandritra ilay herinandro dia natahotra be izy ny hiresaka tamin’ireo mpiara-mianatra aminy. Isaky maheno olona mihomehy na mibitsibitsika izy dia nikentrona. Mety ho miteny zavatra ratsy momba azy izy ireo.

Raha teo am-pieritreretana iny izy hoe tsy hisy zavatra ratsy kokoa noho izany hitranga aminy dia nahazo ny valin’ny fanadinana matematika izy. Te hitomany izy raha nijery ny naotiny. Ny matematika no taranja tena tiany indrindra. Tsy mbola nahazo naoty ambany tahak’izany izy tamina fanadinana.

Rehefa tonga tany an-trano izy dia tsy tanany ny ranomasony. “Tsy manana namana aho,” hoy izy tamin’ny ray aman-dreniny. “Tsy toerako ny ao amin’ny kilasy fahefatra. “Tsy tena maranin-tsaina aho.”

“Azafady raha tena sarotra izany,” hoy ny renin’i Siedeh. “Saingy tena maranin-tsaina ianao. Ary mbola mianatra ianao.”

Nofafan’i Siedeh ny ranomasony. “Aleoko kokoa mankao amin’ny kilasy fahatelo.”

Nangina kely aloha i Dada. “Tianao ve raha omena tsodranon’ny fisoronana ianao?” hoy izy nanontany.

Nanetsika ny lohany i Siedeh nanaiky. Mety hanampy azy ho tsara kokoa angamba ny tsodrano avy amin’i Dada.

Nipetraka teo amin’ny seza iray i Siedeh dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohany i Dada.

“Mitsodrano anao aho mba tsy hatahotra ianao,” hoy i Dada. “Ary mitsodrano anao aho mba hitia ireo mpiara-mianatra aminao. Rehefa mihamahafantatra anao izy ireo, dia ho tia anao ihany koa.”

Sary
Father giving daughter a priesthood blessing

Nisy fahatsapana malefaka nanenika an’i Siedeh. Tsapany fa ireo teny izay nolazain-drainy no tian’ny Ray any An-danitra ho reny.

Taorian’ilay tsodrano dia nanampy an’i Siedeh i Neny tamin’ilay olana matematika. Vetivety dia nihatsara kokoa i Siedeh.

Ny ampitson’io tany an-tsekoly dia tsaroan’i Siedeh ny tsodranony ary niezaka ny ho sahy izy. Nitsiky tamin’ireo mpiara-mianatra aminy izy. Rehefa naneho fitiavana izy, dia nihena ny fatahorany azy ireo! Tsara fanahy mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo. Niasa mafy izy mba hianatra, ary tsy ela dia nihatsara ny naotiny.

Tamin’ny faran’ny taom-pianarana dia nanana namana maro i Siedeh. Faly izy fa nanampy azy ho sahy ny Ray any An-danitra. Ary feno fankasitrahana izy fa afaka nahazo foana ny fitahian’ny herin’ny fisoronana mba hanampy azy.

Hamoaka printy