2023
Avia, hanaraka Ahy Asa atao ho an’ny ankizy madinika
Janoary 2023


Testamenta Vaovao

Avia, hanaraka Ahy Asa atao ho an’ny ankizy madinika

Sary
A brother and sister play with sticks and dead grass while playing outside.

Ho an’ny Matio 1; Lioka 1

Hazavao fa ny Testamenta Vaovao dia momba an’i Jesoa Mianatra momba ny anarany isika ao amin’ny toko voalohany indrindra (jereo ny Matio 1:21). Soraty amin’ny tapa-taratasy iray ny teny hoe Jesoa Kristy ary omeo fitaovana fanaovana zavakanto ny zanakao mba handravaka ilay taratasy!

Ho an’ny Matio 2; Lioka 2

Mampisehoa sarin’ny Fahaterahana izay ahitana an’i Jesoa sy i Maria ary i Josefa. Hazavao fa efa avy zazakely ihany koa i Jesoa. Lazao azy ireo fa tena tia Azy tokoa ny ray aman-dreniny, tahaka ny itiavanao azy ireo. Fihino ireo zanakao kely ary lazao azy ireo ny zavatra tianao momba azy ireo.

Ho an’ny Jaona 1

Ento mandehandeha any ivelany ireo zanakao kely. Jereo ireo zavatra mahatalanjona eny amin’ny natiora, toy ny hazo, na vorona, na rivotra, na lanitra. Avelao ny zanakao hitsimpona vato na hamofona voninkazo. Lazao izy ireo hoe: “Tia anao i Jesoa ary nanamboatra ity tontolo tsara tarehy ity ho anao.”

Ho an’ny Matio 3; Marka 1; Lioka 3

Hirao ny “When Jesus Christ Was Baptized” (Children’s Songbook, 102). Hazavao fa natao batisa i Jesoa mba hankatavana ny Ray any An-danitra. Indray andro ireo zanakao kely dia afaka misafidy ny hatao batisa ihany koa! Tantarao amin’ireo zanakao ny momba ny batisanao. Nahoana izany no niavaka taminao?

Hamoaka printy