Namana
Fampanantenana amin’ny batisa
Mey 2024


“Fampanantenana amin’ny batisa,” Namana, Mey 2024, 8–9.

Fampanantenana amin’ny batisa

“Nahoana ianao no te hatao batisa?” Hoy i Dada nanontany.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

“Dada ô, azo atao batisa ve aho rehefa valo taona?” Hoy i Keaton nanontany.

Nitraka i Dada raha niara-nilalao kilalao izy ireo. “Safidy lehibe izany. Tsy tsara kokoa ve raha miandry 18 taona?”

Nieritreritra momba izany i Keaton. “Ka efa ho feno valo taona ange aho izao e. Mbola ho ela be izany 18 taona izany!”

Nangina kely aloha i Dada. Nakisany ny tokon-kilalaony. “Nahoana ianao no te hatao batisa?”

“Tiako i Jesoa,” hoy i Keaton “Dia te hanara-dia Azy aho”

“Antony lehibe hanaovana batisa izany,” hoy i Dada. Nitsiky izy. “Hotohanako ianao raha izany no safidinao Na valo na 18 taona ianao.”

Nofihinin’i Keaton i Dada. “Misaotra!”

Tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Dada. Saingy mbola nandeha niangona niaraka tamin’i Keaton sy i Neny ihany anefa izy indraindray. Ary rehefa nanao lahateny na niara-nihira tamin’ireo ankizy hafa tao amin’ny Kilonga i Keaton mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tonga foana i Dada.

Rehefa vita ny kilalao nataon’izy ireo dia hitan’i Keaton tao an-dakozia i Neny.

Hoy izy: “Azo atao batisa hono aho rehefa valo taona hoy i Dada.”

Nitsikitsiky Neny. “Tsara kosa izany! Efa noeritreretinao ve hoe iza no tianao hanao batisa anao?”

Nandahatra ireo lovia teo ambony latabatra i Keaton. “Mety ho afaka manao izany ve i Dadabe?” Nanao asa fitoriana tany amin’ny tanàna iray hafa i Dadabe sy Bebe.

“Azontsika anontaniana izy,” hoy i Neny.

Rehefa avy nisakafo hariva dia nanao antso an-tsary tany amin’i Dadabe sy Bebe tamin’ny telefaonin’i Neny i Keaton. Rehefa avy naneno fohifohy dia niseho teo amin’ny efijery ny endrika falifalin’izy ireo.

“Manahoana Bebe! Manahoana Dadabe!” Hoy i Keaton. “Mba fantatrareo ve? Hatao batisa aho amin’ny tsingerintaonako amin’ity taona ity.”

“Mahafinaritra izany!” Hoy i Bebe.

“Afaka manao batisa ahy ve ianao ry Dadabe?” Hoy i Keaton nanontany.

Vao mainka nihangeza ny tsikin’i Dadabe. “Tena tiako izany.”

Rehefa tonga ny andro hanaovana batisa azy dia efa vonona i Keaton. Nentin’i Neny sy Dada tany amin’ny efitrano fiangonana kely iray akaikin’ny toerana nanompoan’i Dadabe sy bebe izy.

Nanao akanjo fotsy i Keaton sy i Dadabe. Niara-nipetraka izy ireo raha niara-nihira ny rehetra. Dia nanao vavaka i Neny.

Avy eo dia nizara lahateny i Dada. “Rehefa atao batisa ianao dia mampanantena fa hanara-dia an’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny didiny. Nampianatra antsika Izy mba hifankatia. Ny fitiavana no fomba tsara indrindra enti-miaina,” hoy izy.

Nijery an’ilay sarin’i Jesoa nohazonin’i Dada i Keaton.

“Rehefa mitia ny hafa isika dia mahatsapa tena ho misy miraharaha izy ireo. Manampy antsika ho faly sy hanana fiadanana ihany koa izany.” Nijery tany amin’i Keaton i Dada. “Faly aho androany noho ny aminao noho ny nampanantenanao ny hanaraka an’i Jesoa Kristy. Antenaiko fa ny batisanao dia hampahatsiahy anao foana ny hitia an’ Andriamanitra sy ny hafa.

Namihina an’i Dada mafy i Keaton. Avy eo dia nanaraka an’i Dadabe tao amin’ilay dobo kely izy. Nametraka ny tanany ilany teo amin’ny hatotanan’i Dadabe i Keaton ary ny ilany iray tao an-tanan’i Dadabe. Notononin’i Dadabe ireo teny amin’ny vavaky ny batisa. Avy eo dia nasitriny tao anaty rano i Keaton.

Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Keaton dia nitsikitsiky. Vitany ilay izy! Nanara-dia an’i Jesoa Kristy izy. Horaisina ho mpikambana sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany koa izy tsy ho ela. Ary ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy.

Vonona ery i Keaton hitandrina ny fampanantenany hahatsiaro an’i Jesoa sy hitandrina ny didiny.

Sary
Lehilahy zokinjokiny manao batisa zazalahy
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Alyssa Tallent

Hamoaka printy