Namana
Inona no atao hoe batisa sy fandraisana ho mpikambana?
Mey 2024


“Inona no atao hoe batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?” Namana, Mey 2024, 46–47.

Ireo fototry ny filazantsara

Inona no atao hoe batisa sy fandraisana ho mpikambana?

Sary
Zazavavy iray atao batisa

Sary nataon’i Apryl Stott

Natao batisa i Jesoa Kristy. Azo atao batisa ihany koa ianao rehefa feno valo taona!

Miditra ao anaty rano ny vatano iray manontolo rehefa atao batisa ianao. Mampahatsiahy antsika izany fa azo sasana ny fahotana sy ireo safidy ratsy noho i Jesoa Kristy.

Mampanantena ny Ray any An-danitra ianao fa hanao izay vitanao mba hanaraka ny didiny.

Sary
Ankizivavy mandray ny tsodrano fandraisana ho mpikambana

Arian’ny batisa ny fandraisana ho mpikambana. Io no fotoana handraisanao ny fanomezana ny Fanahy Masina. Midika izany fa afaka ny hiaraka aminao foana ny Fanahy Masina! Afaka manampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Izy.

Hamoaka printy