Namana
Afaka manara-dia an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo
Mey 2024


“Afaka manara-dia an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo,” Namana, Mey 2024, 44–45.

Afaka manara-dia an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo

Sary
Tanana mandray mofo amin’ny lovian’ny Fanasan’ny Tompo

Rehefa mankany ampiangonana aho dia afaka mandray ny fanasan’ny Tompo.

Sary
Ankizilahy mikimpy maso

Nanome antsika ny fanasan’ny Tompo i Jesoa satria tia antsika Izy.

Sary
Sandry mikombona

Afaka mipetra amim-panajana aho rehefa mihinana ny mofo sy misotro ny rano.

Sary
Ankizilahy miaraka amin’ny endrika feno fiadanana

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo!

Fotoana ho an’ny fiaraha-mientana

Nampianatra antsika momba ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy. Manaraka izany lamina izany isika isan-kerinandro. Tondroy izany mandeha aloha! Inona avy eo ny manaraka?

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Jess Smart Smiley

Hamoaka printy