Namana
Madio indray
Mey 2024


“Madio indray,” Namana, Mey 2024, 18–19.

Madio indray

Tsy afaka nisafidy ny tsara mihitsy aho na dia indray andro aza! Hoy i Emily tao an-tsainy.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Nijoro tao anaty rano i Emily niaraka tamin’i Dada ary nitsiky. Efa niandry io andro izy nandritra ny herinandro maromaro! Nidobodoboka be ny fony satria mbola niditra tao anaty rano mihitsy izy hatrizay. Saingy nampientanentana azy tokoa ny hatao batisa tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy.

Nakimpiny ny masony ary nihaino an’i Dada nilaza ny vavaky ny batisa izy. Avy eo dia notampenany ny orony, nakimpiny ny masony, ary natolefiny ny lohaliny raha nasitrik’i Dada tao anaty rano izy.

Navoakan’i Dada niverina haigana izy ary niraradraraka avy taminy ny rano. Tsy maintsy nofafan’i Emily hiala amin’ny masony izany, saingy nitsiky izy. Nahatsapa ho niavaka izy zao. Nisy fahatsapana ho sambatra vaovao nameno azy. Niriany ho tsapany foana izany!

Sary
Zazavavy iray atao batisa

Namihina azy mafy i dada. Fantatro ny fomba hihazonana izany fahatsapana izany,, hoy Emily anakampo. Tsy misy afa-tsy ny misafidy ny tsara no tokony hataoko ary manao tahaka an’i Jesoa Kristy! Natoky tena izy fa afaka nanao izany.

Rehefa tonga tany an-trano izy ireo dia nivoaka haingana avy tao amin’ny fiara i Emily ho eo anoloan’ny varavarana. Toy izany koa no nataon’i Jonah zokiny lahy. Vao tonga teo amin’ny varavarana i Emily ka hanokatra izany dia nosintonin’i Jonah mafy tamin’ny akanjony izy hiverina.

“Aza manao an’izao!” Hoy i Emily nivazavaza. Nosintoniny hiala tamin’ny tanany ny akanjony. Dia nobahanany ny lalany mba tsy hahafahany miditra voalohany. Tezitra mafy izy!

Sary
Ankizivavy mivazavaza amin’ny zandriny lahy

Tampoka teo dia tsy nihetsika intsony izy. Nisy fahatsapana ratsy be nanenika azy. Niala teo amin’ny lalana izy ary namela an’i Jonah hiditra.

“Azafady!” hoy izy taminy. Nanao safidy ratsy sahady izy. Tsy ho nivazavaza tamin’i Jonah mihitsy ny Mpamonjy. Ahoana ary no nanaovany fahadisoana sahady? Lasa ilay fahatsapana fifaliana vaovao nananany.

Nopotehiko izany, hoy izy. Tsy afaka nisafidy ny tsara mihitsy aho na dia indray andro aza!

Alahady ny ampitson’io. Rehefa niomana ny handeha hiangona i Emily dia nieritreritra ny fomba nivazavazany tamin’i Jonah izy. Mbola nanana fahatsapana ratsy foana izy.

Nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nangataka an’i Emily ny eveka mba ho eny anoloana. Noraisina ho mpikambana izy. Nidika izany fa handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy. Nipetraka tamin’ny seza izy. Napetrak’i Dada moramora teo amin’ny lohany ny tanany.

Sary
Ankizivavy mandray ny tsodrano fandraisana ho mpikambana

Nanakipy ny masony i Emily rehefa nanomboka i Dada. Nahare azy nilaza hoe: “Raiso ny Fanahy Masina” izy.

Nihaino foana i Emily.

“Emily, tsarovy lalandava fa noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka ianao rehefa manao safidy diso,” hoy i Dada. “Isaky ny mandray ny Fanasan’ny Tompo ianao dia afaka mieritreritra ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny ianao natao batisa. Afaka mampanantena Azy indray ianao fa hanara-dia Azy.”

Rehefa vitan’i Dada ilay tsodrano dia nahatsapa fifaliana sy fiadanana i Emily. Fantany fa nilaza taminy ny Fanahy Masina fa hilamina ny zava-drehetra. Tsy maninona na tsy tonga lafatra aza izy. Noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia afaka mibebaka sy ho voavela heloka izy! Nanenina izy nivazavaza tamin’i Jonah ary fantatry ny Ray any An-danitra fa hiezaka hatrany izy.

Nitsiky i Emily rehefa niverina teny amin’ny sezany izy sy i Dada. Nanaraka izany ny fanasan’ny Tompo, ary niandrandra izany i Emily.

Sary
Lovian’ny Fanasan’ny Tompo
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Audrey Day

Hamoaka printy