Namana
Mizara ny fitiavan’ Andriamanitra
Mey 2024


“Mizara ny fitiavan’ Andriamanitra,” Namana, Mey 2023, 32–33.

Mizara ny fitiavan’ Andriamanitra

Tsy hain’i Thais izay nolazaina na natao, saingy te hanampy izy.

Tany Bolivie no nitrangan’ity tantara ity.

Maraina nafana tamin’izay. Niresaka sy nihomehy i Thais sy i Claudia namany raha nandeha namakivaky ny toerana filalaovam-baolina izy ireo. Vao avy nahavita kilasin’ny fanatanjahan-tena izy ireo, ary izao izy ireo handeha hamonjy ny kilasin’ny matematika.

Fakandrivotr’ireo ankizy madinika tamin’izay. Nijery azy ireo nilalao i Thais.

Avy eo dia nahita ankizivavy kely nipetraka irery teo amin’ny tohatra izy. Rehefa nihananakaiky azy izy ireo dia hitan’i Thais fa nitomany izy.

Sary
Ankizivavy mitomany eo amin’ny tohatra

Niantso an’i Claudia mba hanatona ho eo amin’ilay ankizivavy kely i Thais.

Nikentrona i Claudia ary nihivinkivin-doha nandà. “Ho tara isika.”

Tsy nahavita niteny na inona na inona akory i Thais dia lasa i Claudia.

Nijery ilay ankizivavy kely i Thais. Teo amin’ny dimy taona teo izy. Takona tao anelanelan’ny lohaliny ny tarehiny ary nasarony ny lohany ny tanany.

Nipetraka teo akaikiny i Thais. Nikisaka kely ilay ankizivavy.

Sary
Ankizivavy lehibebe mametraka ny tanany eo an-tsoroky ny ankizivavy kelikely kokoa

“Ao tsara ve ianao?” Hoy i Thais nanontany moramora.

Tsy namaly ilay ankizivavy. Tsy hain’i Thais izay nolazaina na natao.

“Afaka manampy anao ve aho?” hoy izy avy eo.

Nanainga soroka ilay ankizivavy.

“Thais no anarako. Iza no anaranao?”

Nijery an’i Thais ilay ankizivavy nony farany. “Nicol.”

“Fa maninona ianao no mitomany Nicol?”

“Esoin’ny olona aho fa bota,” hoy izy sady nitomany.

Nofafan’i Thais ny tarehin’i Nicol. “Azafady raha niteny izany izy ireo. Tsy maninona izay eritreretin’ny olona.”

“Lazain’izy ireo fa ratsy tarehy aho.”

“Tsy marina izany!” Hoy i Thais sady nitsiky. “Mahafatifaty ary tena miavaka ianao. Fantatrao ve izany?”

Nieritreritra ny iray amin’ireo hiran’ny Kilonga tiany indrindra i Thais. Fantany izao izay tokony holazaina.

“Zanak’ Andriamanitra ianao,” hoy i Thais, sady nandray ny tanan’ilay ankizivavy.

Sary
Ankizivavy lehibebe mitazona tanana ankizivavy kely

Niresaka kely tamin’i Nicol i Thais. Nohazaviny fa manan-danja amin’ny Ray any An-danitra, sy ny fianakaviany, ary ny maro hafa izay tena tia azy i Nicol. Nanomboka nitsiky tsikelikely i Nicol.

Afaka minitra vitsy dia nitsangana i Nicol ary namihina mafy an’i Thais. “Misaotra,” hoy izy.

Nijery an’ilay namany vaovao nihazakazaka sady feno tsiky i Thais. Nanana fahatsapana tsara aho nanampy an’i Nicol hanana fahatsapana tsara kokoa sy hahafantatra fa tia azy Andriamanitra.

Dia nitsambikina ihany koa i Thais. Mila mihazakazaka toa an’i Nicol aho raha tsy izany dia tara amin’ny matematika! hoy izy anakampo, sady nitsiky no nandeha haingana namonjy ny kilasiny.

Sary
Ankizivavy kely mihazakazaka am-pifaliana
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Flavio Remontti

Hamoaka printy