Namana
Iza moa ny Mpanjaka Benjamina?
Mey 2024


“Iza moa ny Mpanjaka Benjamina?” Namana, Mey 2024, 24–25.

Fantaro ny momba ny Bokin’i Môrmôna

Iza moa ny Mpanjaka Benjamina?

Sary
Ny Mpanjaka Benjamina teo amin’ny tilikambo

Ny Mpanjaka Benjamina dia mpaminanin’ Andriamanitra ary mpanjaka marin-toetra. Namory ny vahoakany izy mba hampianatra azy ireo. Nijoro teo ambonin’ny tilikambo iray izy mba hahafahan’ny olona maro mahare azy. Namelatra trano lay nanodidina ny tilikambo ny olona mba hihaino. Tahaka ny fihaonambe maneran-tany izany!

Sary
Jesoa Kristy

Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa ho teraka eto an-tany i Jesoa Kristy. Hanao fahagagana i Jesoa Kristy. Hijaly sy ho faty Izy ho an’ny fahotan’ny olona rehetra. Avy eo Izy dia hitsangana amin’ny maty mba hahafahantsika rehetra ho velona indray.

Sary
Olona mihaino ny Mpanjaka Benjamina

Nanasa ny vahoaka hitondra ny anaran’i Kristy ny Mpanjaka Benjamina. Midika izany fa nanao fanekempihavanana, na fampanantenana, ny hanaraka an’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny izy ireo

Sary
Ankizilahy iray atao batisa

Ankehitriny isika dia maneho fa vonona ny hitondra ny anaran’i Kristy rehefa atao batisa.

Fanamby momba ny Soratra Masina

  • Rehefa avy nihaino ny Mpanjaka Benjamina ny vahoaka dia tamin’iza izy ireo no nanao fanekempihavanana? (Môzià 5:5)

  • Inona no nolazain’i Abinadia ny Mpanjaka Noà fa nilainy natao mba ho avotra? (Môzià 12:33)

  • Rehefa nivoaka ny rano i Almà sy i Helama dia heniky ny inona izy ireo? (Môzià 18:14)

Afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho!

Rehefa avy mamaky ianao dia lokoy ny ampahany amin’ilay sary. Azonao atao ny mamaky ireo soratra masina ireo miaraka amin’ny vakiteny isan-kerinandro avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Simini Blocker

Hamoaka printy