Namana
Vaovaon’ny fihaonambe
Mey 2024


“Vaovaon’ny fihaonambe,” Namana, nôv. 2023, 4.

Vaovaon’ny fihaonambe

Teny notsongaina tamin’ny fihaonambe

Mijery fihaonambe manerana izao tontolo izao

Sary
Zazavavy mitsiky

Miavaka ny fihaonambe amiko satria miaraka amin’ny fianakaviako aho. Mihaino ireo mpandahateny sy manao asa tanana izahay.

Lucy A., 10 taona, Al-Ahmadi, Koweït

Sary
Zazalahy mitsiky

Tiako ny lahatenin’ny Loholona De Feo. Nilaza izy fa afaka mahita an’i Jesoa amin’ny fahitantsika ara-panahy isika raha mihazona ny finoantsika. Dia hahatsapa fiadanana isika ary hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.

Thomas M., 7 taona, Catalogne, Espagne

Sary
Zazavavy mitsiky

Mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ny fianakaviako mba hanampy anay hiomana amin’ny fihaonambe sy ho ampianarin’ny Fanahy. Manao ny fitafy tsara indrindra fitondranay rehefa alahady izahay. Miara-mijery ny fihaonambe izahay ary miara-mihira ny hira rehetra.

Harriet O., 9 taona, État de Lagos, Nigeria

Tempoly vaovao

Sary
Russell M. Nelson

Nanambara tempoly vaovao miisa 15 ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany! Ampifandraiso ireo teboka 15 hamitana ilay sary.

  1. Uturoa, Polynésie Française

  2. Chihuahua, Mexique

  3. Florianópolis, Brésil

  4. Rosario, Argentine

  5. Édimbourg, Écosse

  6. Brisbane, Vondromparitra Atsimo ao Australie

  7. Victoria, Colombie Britannique

  8. Yuma, Arizona

  9. Houston, Vondromparitra Atsimo ao Texas

  10. Des Moines, Iowa

  11. Cincinnati, Ohio

  12. Honolulu, Hawaii

  13. West Jordan, Utah

  14. Lehi, Utah

  15. Maracaibo, Venezuela

Amin’izao sy tamin’izany

Jereo ny fitombon’ny Fiangonana hatramin’ny nahaterahan’ny Filoha Oaks!

1932

  • 7 ny tempoly

  • 700.000 ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana

2024

  • 189 ny tempoly voatokana

  • 146 ny tempoly an-dalam-pandrafetana sy an-dalam-panorenana

  • 17.000.000 ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana manerana ny firenena 170

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Hamoaka printy