Namana
Sahanasa mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
Mey 2024


“Fiaraha-mientana mifandray amin’nyAvia, hanaraka Ahy ,” Namana, Mey 2024, 28–29.

Sahanasa mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

Manaraka ny dian-tongony

Sary
Ankizy manaraka sarina tongotra

Ho an’ny Môzià 4–6

Nitandrina ny didy ny Mpanjaka Môzià ary “nandeha tamin’ny lalan’ny Tompo” (Môzià 6:6). Eo amin’ny tapa-taratasy iray dia manaova sarina tongotra ary hetezo izany. Soraty eo amin’ny dian-tongotrao ny fomba ahafahanao manara-dia an’i Jesoa. Apetraho amin’izay toerana ahafahanao mahatsiaro ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ny dian-tongotrao.

Manaraka ny mpaminany

Sary
Ankizivavy manao sary eo amin’ny birao

Ho an’ny Môzià 7–10

Nampianatra i Amôna fa ny mpaminany dia afaka mahita ny zavatra ho avy (jereo ny Môzià 8:16–17). Avadiho any amin’ny pejy faha 2 mba hamakiana ny hafatry ny Filoha Nelson avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Inona no nampianariny antsika? Ataovy sary izany ary alefaso aminay amin’ny Namana.

Hazavana ao anatin’ny haizina

Sary
Ankizy mitondra jiro

Ho an’ny Môzià 11–17

Nampianatra i Abinadia fa i Jesoa Kristy no “fahazavana tsisy fiafarany izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana” (Môzià 16:9). Afeno ao anatin’ny trano ny zavatra iray. Piho ny jiro dia asaivo mitady izany ao anatin’ny haizina ny tsirairay. Avy eo dia afeno ilay zavatra ary andramo tadiavina amin’ny jiro mirehitra na lampe de poche izany. Iza no mora kokoa? Amin’ny fomba ahoana no anampian’i Jesoa antsika tahaka ny nanampian’ilay jiro anao?

Fo mifamihina amim-piraisan-kina

Sary
Ankizy miaraka amin’ny fo taratasy

Ho an’ny Môzià 18–24

Nampianatra antsika i Almà mba hananantsika fo “mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiava[na].” (Môzià 18:21). Midika izany fa mila miaraka miasa isika sy maneho fitiavana ny hafa. Manaova kofehy misy kisarina fo mifampitohy ho fampahatsiahivana anao! Maneteza fo vita amin’ny taratasy ary soraty eo amin’ny tsirairay amin’izany ny anaran’ny fianakaviana. Lavaho ny fo tsirairay ary ampidiro kofehy izany mba hampifampitohy ireo fo. Ahantony ny kofehy misy fo anao amin’ny toerana izay ahitanao izany mazàna!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Katy Dockrill

Hamoaka printy