Namana
Fotoan’ny tantara ao amin’ny soratra masina
Mey 2024


“Fotoan’ny tantara ao amin’ny soratra masina,” Namana, Mey. 2024, 30–31.

Fotoan’ny tantaraao amin’ny soratra masina

“Misy olona manana boky tiany hovakiako ve androany?” Hoy Ramose Otoo nanontany.

Tany Ghana ity tantara ity no nitranga.

“Fotoan’ny famakian-teny izao,” hoy Ramose Otoo.

Nipetraka nahitsy i Nyameye. Nahafinaritra ny fotoana famakian-teny!

Isan’andro any an-tsekoly dia mamaky mafy boky iray amin’ny mpianatra ny mpampianatra azy ireo. Indraindray izy mamaky momba ny biby. Indraindray izy mamaky momba ny olona any amin’ireo firenena hafa. Ary indraindray izy mangataka ny kilasy raha manana boky tian’izy ireo hovakiany izy ireo.

“Misy olona manana boky tiany hovakiako ve androany?” Hoy Ramose Otoo nanontany.

Nanangan-tànana i Nyameye. “Izaho manana!” Naka ny kitapony izy ary namoaka ny boky tiany indrindra. Boky misy tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany! Nentiny mba hovakiana rehefa mirava izany eo am-piandrasany ny reniny haka azy. Ny fahitana ireo sary dia nanampy azy hahatakatra ireo tantara ao amin’ny soratra masina.

Hoy Ramose Otoo rehefa nahita ilay boky be. “Tsy hanana fotoana hamakiana an’io rehetra io isika. Misy ampahany tianao hovakiako ve ao?

“Eny,” hoy i Nyameye. Navadibadiny ny pejy mandrapahitany ny tantara tiany indrindra. “Azonao vakiana ve ity iray ity azafady? Ny nofin’i Lehia izany.”

“Inona no resahin’ity tantara ity? Hoy Ramose Otoo nanontany.

“Miresaka momba ny mpaminany iray izay nahita fahitana izany. Nahita hazo tsara tarehy izy izay misy voany mampilendalenda.” Notondroin’i Nyameye ny sarin’ilay hazo. “Naniry ny hihinanan’ny fianakaviany ny voany miaraka aminy izy. Azonao vakiana ve izany?” Natolon’i Nyameye ny mpampianany ilay boky.

“Mazava ho azy,” Hoy Ramose Otoo. Dia nanomboka namaky mafy izy. Namaky momba ilay lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ilay hazo izy. Namaky momba ny anja-by izy. Ary namaky momba ny fitandremana ny didy izy.

Sary
Mpampianatra mamaky boky amin’ny ankizy

Nanangan-tanana i Selorm naman’i Nyameye. “Karazana hazo toy ny ahoana izany?” hoy izy nanontany an’i Nyameye.

“Tsy fantatro,” hoy Nyameye. “Saingy tena tsara ny voany. Mety ho tsara noho ny manga izany!” Avy eo dia tsy nieritreritra intsony i Nyameye. “Tany am-piangonana aho dia nianatra fa ny dikan’ilay voany dia ny fitiavan’ Andriamanitra. Noho izany dia rariny raha tena matsiro sy miavaka izany!”

Rehefa tapitra ny fotoam-pianarana dia nipetraka teo ivelany i Nyameye niandry ny reniny. Navoakany ilay bokiny misy tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hamakiany misimisy kokoa.

“Tantara nahafinaritra izany,” hoy i Selorm. Nipetraka teo akaikin’i Nyameye izy. “Afaka mamaky iray hafa miaraka aminao ve aho?”

“Eny!” Navadik’i Nyameye any amin’ny tantara hafa izany. Namaky momba an’i Abinadia sy i Noà Mpanjaka izy ireo.

Maro tamin’ireo mpiara-mianatra aminy no tonga nihaino. Rehefa nanana fanontaniana izy ireo dia novalian’i Nyameye. Nametraka fanontaniana ho fitsarana azy ireo momba ny tantara vakiany imihitsy aza izy.

Tsy ela dia hitan’i Nyameye ny reniny nandeha nanatona azy ireo. “Misaotra niaraka namaky tamiko,” hoy izy tamin’ireo ankizy hafa. Nakatony ilay boky dia nitsiky izy. Faly izy fa tian’ireo namany ireo tantara tena tiany

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Zhen Liu

Hamoaka printy