Namana
Fantaro ny Loholona Patrick Kearon
Mey 2024


“Fantaro ny Loholona Patrick Kearon,” Namana, mey 2024, 7.

Apôstôly vaovao nantsoina

Fantaro ny Loholona Patrick Kearon

Notsoahina avy amin’ny Trent Toone, “The ‘beautiful’ and ‘stretching’ life experiences that prepared Elder Kearon to be an Apostle,” Church News , 23 jan. 2024.

Sary
Patrick Kearon

Ny Loholona Patrick Kearon no mpikambana vaovao indrindra ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo! Teraka sy lehibe tao Angletera izy. Nipetraka tany Arabia Saodita koa ny fianakaviany nandritra ny fotoana niasan’ny rainy tany. Nantsoina ho Apôstôly izy tamin’ny 7 desambra 2023.

Nihaona tamin’ny misiônera vitsivitsy avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao Londres ny Loholona Kearon tamin’ny fahatanorany, saingy tsy liana tamin’ny hafatr’izy ireo. Nanomboka nampianatra azy ny filazantsara ny misiônera taty aoriana dia nahatsapa ny Fanahy Masina izy. Nahazo tsodranon’ny fisoronana ny Loholona Kearon nandritra ny fotoana nianarany momba ny Fiangonana. Nilaza izy fa zavatra niainana nahafinaritra izay nanampy azy hanapa-kevitra ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana izany. Natao batisa izy ny andro nialoha ny Krismasy fony izy 26 taona.

Manan-janaka efatra ny Loholona Kearon sy i Jennifer vadiny. Maty mbola menavava ny zanak’izy ireo voalohany. Fotoana nampalahelo tokoa izany ho an’ny Loholona sy Rahavavy Kearon. Kanefa nanampy azy ireo hanamafy orina ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany. Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 2010 ny Loholona Kearon. Tiany ny mahita ireo mpikamban’ny Fiangonana manampy ireo olona sahirana manerana izao tontolo izao.

Feno fankasitrahana noho ny drafitry ny famonjena ny Loholona Kearon. Fantany fa na dia mandritra ireo fotoan-tsarotra aza dia afaka mahatsapa mandrakariva ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy isika.

Sary
Ny Loholona Patrick Kearon sy Rahavavy Jennifer Kearon

Hamoaka printy