Namana
Finamanana amin’ny échecs
Mey 2024


“Finamanana amin’ny échecs,” Namana, Mey 2024, 14–15.

Finamanana amin’ny échecs

Ahoana no ahafahan’izy ireo milalao raha tsy mifankahazo?

Tany Alemaina no nitrangan’ity tantara ity.

“Ce jour, au coeur j’ai du soleil!” Nihira i Matvii. Niara-nihira taminy ny reniny sy i Tymofii rahalahiny. Maizina ny teo ivelan’ny fitaratr’ilay fiara. Saingy nahatonga ny zava-drehetra ho namiratra kokoa ilay hira.

Fotoana nampahatahotra an’i Matvii sy ny fianakaviany tamin’io. Nifindra tany Alemaina izy ireo satria tsy azo antoka intsony ny fonenany. Naharitra roa andro ny dian’izy ireo ary efa ho tonga izy ireo izao. Eveka iray avy eto Alemaina no nitondra azy ireo ho amin’ny toerana iray hipetrahan’izy ireo.

Faly i Matvii fa nanampy azy ireo ho tonga soa aman-tsara tany Alemaina ny Ray any An-danitra. Saingy nalahelo an’i Dada izy. Tsy maintsy nijanona tany amin’ny firenen’izy ireo izy noho ny ady. Niahiahy mafy momba azy i Matvii.

Najanon’ny eveka teo ivelan’ny trano iray ny fiara. “Tongasoa ato an-tranoko.”

Norambesin’i Matvii ny kitapony ary nanaraka ny fianakaviany tao anatiny izy. Nangina tamin’izay. Mety efa lasy any am-pandriana sahady angamba ny fianakavian’ny eveka.

“Afaka mipetraka ao amin’ny efitranon’i Mat sy i Lore ianareo aty,” hoy ny eveka.

“Andraso,” hoy i Neny. “Tsy voatery hamela ny efitranony ho anay anie izy ireo e.”

Nitsiky ilay eveka. “Mahafaly azy ireo ny manao izany. Tianay hahazo aina ianareo.”

Nanaiky tamin’ny lohany i Neny. “Misaotra.”

Ny maraina dia nandeha tao an-dakozia i Matvii sy i Tymofii hisakafo maraina. Nipetraka teo an-databatra ilay eveka niaraka tamin’ny zazalahy sy zazavavy iray. Nitovitovy taona tamin’i Matvii ihany izy ireo.

“Ireto no zanako Mats sy Lore,” hoy ilay eveka.

“Faly mahafantatra anareo,” hoy i Tymofii.

Somary sahiran-tsaina kely i Mats sy i Lore.

“Tsy miteny ny fiteninareo izy ireo” hoy ilay eveka. “Saingy azoko antoka fa ho mpinamana tsara ianareo.”

Nikentrona i Matvii. Ahoana no haha mpinamana azy ireo raha tsy afaka mifampiresaka? Tsapany toa lasa ilay tara-masoandro nohirainy omaly alina iny.

Rehefa avy nisakafo izy ireo dia nasehon’i Mats sy i Lore azy ireo ny efitrano filalaovana. Nisy ankizy kely anankiroa nilalao kilalao. Zandrin’i Mats sy i Lore angamba ireo hoy i Matvii.

Nilaza zavatra i Mats. Ohatra ny fanontaniana ilay izy saingy tsy fantatr’i Matvii izay nolazainy. Nipetraka i Mats dia nanokatra boaty misy karatra. Nozarainy izany. Avy eo dia naka ny karany avy izy sy i Lore. Te hilalao i Matvii. Saingy tsy nahay izy!

Nametraka karatra iray i Matvii dia nijery an’i Matvii. Nilaza zavatra indray izy.

Te hitomany i Matvii. Tsy te hipetraka tany Alemaina raha tsy mahazo izay lazain’ny olona.

Nilaza zavatra tamin’i Mats i Lore ary avy eo dia nihazakazaka nankany an’efitra. Niverina izy ary nametraka kilalao iray hafa vaovao teo amin’ny tany.

Hain’i Matvii io kilalao io. Mitovy amin’ireo ananany any an-trano ireo vatony vita amin’ny hazo. Echecs izany! Niara-nilalao échecs tamin’i Dada izy nandritra ny ora maro. Nanetsika ny lohany tamin-kafaliana i Matvii. Hainy ny filalaovana izany.

Nitsiky be i Lore ary nanomboka nandahatra ireo vato.

Namindra ny vatony nanaraka efamira roa i Matvii ary nijery an’i Lore namindra ny cavalier-ny. Avy eo dia nafindran’i Matvii teo amin’ny cavalier an’i Lore ny fou-ny. Nifaly izy sy i Tymofii. Namoaka feo kivy i Lore fa nitsiky izy.

Sary
Ankizy milalao échecs.

Nilalao naharitra izy ireo. Tsy ela dia nihomehy izy ireo. Tsy nifankahazo teny izy ireo saingy mbola nahita fahafinaretana izy ireo.

Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy taorian’izay dia nahita kilalao hafa hain’izy rehetra izy ireo. Nilalao baolina tany ivelany niaraka tamin’ireo ankizy hafa tao Alemaina izy ireo. Nianatra teny alema vitsivitsy ihany koa i Matvii. Manao fahadisoana izy indraindray fa niezaka hatrany.

Mbola nalahelo ny dadany sy ny tranony i Matvii. Saingy feno fankasitrahana izy fa nanampy azy hanana namana vaovao ny Ray any An-danitra.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Hannah Li

  • Cantiques, no. 144.

Hamoaka printy