Namana
Mihaino ny Fanahy Masina
Mey 2024


“Mihaino ny Fanahy Masina,” Namana, Mey 2024, 39.

Nosoratanareo

Mihaino ny Fanahy Masina

Sary
Ankizilahy manao ny tanany eo amin’ny sofina

Indray andro nandritra ny takarivan’ny mpianakavy dia niresaka momba ny Fanahy Masina ny reniko. Nilaza izy fa matetika ny Fanahy Masina dia miresaka amin’ny alalan’ny fanomezana eritreritra ao an-tsainao.

Gaga be aho rehefa nilaza izany izy. Vao haingana mihitsy aho no nivavaka sy nangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy ahy handre ny Fanahy Masina. Saingy tsy nahafantatra aho hoe afaka miteny amiko ao an-tsaiko toy izany ny Fanahy Masina. Nandritra ny fiainako aho dia nanana eritreritra izay nitarika ahy nifidy ny tsara. Nahafantatra aho izao fa ireo eritreritra ireo dia avy amin’ny Fanahy Masina!

Nanomboka tamin’izay dia nahatsapa ny Fanahy Masina bebe kokoa aho. Vao tamin’ny alahady farany teo dia nanao takarivan’ny mpianakavy indray izahay. Tamin’io fotoana io dia mikasika ny fijoroana ho vavolombelona ny resaka. Tsy tena fantatro loatra hoe inona izany fijoroana ho vavolombelona izany ka nanontany ny dadako aho. Nilaza tamiko izy fa ny fijoroana ho vavolombelona dia zavatra fantatrao na inoanao fa marina. Nilaza izy fa mahazo fijoroana ho vavolombelona isika avy amin’ny Fanahy Masina. Dia noeritreretiko ny fomba nanombohako nahatsapa ny Fanahy Masina bebe kokoa, dia IZAY! Nanana fijoroana ho vavolombelona ihany koa aho.

Nahatonga ahy hahatsapa fifaliana bebe kokoa ny fahafantarako izany. Te ho mpanara-dia tsaratsara kokoa an’i Jesoa Kristy aho sy hihaino lalandava ny Fanahy Masina.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Brenna Vaughan

Hamoaka printy