Namana
Manara-dia an’i Jesoa any Vanuatu
Mey 2024


“Manara-dia an’i Jesoa any Vanuatu,” Namana, Mey 2024, 6–7.

Manara-dia an’i Jesoa any Vanuatu

Fantaro i Emma!

Ny fomba fanarahan’i Emma an’i Jesoa

Sary
Emma sy ny rahavaviny eo ambany elo

Manara-dia an’i Jesoa Kristy i Emma rehefa tsara fanahy. Te ho naman’ny olon-drehetra izy! Tia miresaka aman’olona sy milalao miaraka amin’ireo ankizy hafa izy. “Tiako ny milalao miaraka amin’ireo namako sy manome fanomezana azy ireo satria tiako ny olona,” hoy i Emma. Indraindray izy dia manamboatra karatra ho an’ireo namany sy fianakaviany.

Manampy ny reniny ihany koa i Emma mikarakara ireo anadahiny kely kambana. Manampy mahandro sakafo ho an’ny fianakaviany izy ary manome sakafo ireo anadahikeliny. “Manana fahatsapana tsara ary faly aho rehefa manampy. Fantatro fa hitahy ahy ny Ray any An-danitra,” hoy i Emma.

Sary
Emma sy ny fianakaviany

Mombamomba an’i Emma

Sary
Sarin’i Emma

Taona: 10

Avy any: Shefa, Vanuatu

Fiteny: Anglisy, Bislama, Fijiana

Tanjona: 1) Hitory ny filazantsara. 2) Ho lasa mpanamory fiaramanidina.

Fialamboly: Milomano sy karaoke

Fianakaviana: Emma, Neny, Dada, rahavavy iray, ary anadahy anankiroa

Ireo zavatra tian’i Emma indrindra

Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Lehia sy ny fianakaviany mandao an’i Jerosalema (jereo ao amin’ny1 Nefia 2)

Fomba fanao amin’ny fialan-tsasatra: Manome vatomamy sy karatra ho an’ny namana amin’ny Paska.

Voankazo sy legioma: Akondro, paoma, voasary, voanketsihetsy, salady, ary karoty

Loko: Mavokely

Hiran’ny Kilonga: “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98)

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Hamoaka printy