Namana
Mivavaka ao am-pony ny vahoakan’i Almà
Mey 2024


“Mivavaka ao am-pony ny vahoakan’i Almà,” Namana, Mey 2024, 26–27.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Mivavaka ao am-pony ny vahoakan’i Almà

Sary
Almà mampianatra vahoaka

Sary nataon’i Andrew Bosley

Sary
Almà manao batisa olona

I Almà dia mpaminany nampianatra ny vahoaka. Ireo izay nino dia natao batisa. Nanao fanekempihavanana hanaraka an’ Andriamanitra izy ireo.

Sary
Amiolôna mibedy mpiasa eny an-tsaha

Nisy lehilahy ratsy fanahy nantsoina hoe Amiolôna lasa mpanapaka teo amin’ny vahoakan’i Almà. Tena ratsy fanahy tamin’izy ireo izy. Nampitondrainy enta-mavesatra izy ireo.

Sary
Olona mivavaka

Nivavaka i Almà sy ny vahoakany mba hahazo fanampiana. Saingy namoaka lalàna i Amiolôna fa izay rehetra mivavaka dia hovonoina.

Nijanona tsy nivavaka mafy intsony ny vahoaka. Saingy mbola nanohy nivavaka tao am-pony sy tao an-tsainy izy ireo. Novalian” Andriamanitra ny vavaka nataon’izy ireo!

Sary
Vahoaka mivavaka maneho endrika feno fiadanana

Fantatr’ Andriamanitra fa nanao fanekempihavanana taminy izy ireo. Napanantena Izy fa ho atanjahany izy ireo. Nankahereziny izy ireo ary nohamaivaniny ny entamavesatr’izy ireo. Taty aoriana dia nanampy azy ireo hitsoaka an’i Amiolôna sy ho tsara dia mihitsy aza Andriamanitra.

Hamoaka printy