Namana
Hatsaram-panahy eo am-pisakafoana
Mey 2024


“Hatsaram-panahy eo am-pisakafoana,” Namana, Mey 2024, 36–37.

Hatsaram-panahy eo am-pisakafoana

Handrabiraby azy koa ve ireo ankizilahy hafa?

Tany Philippines no nitrangan’ity tantara ity.

Ren’i Dave ny reniny nandondòna teo amin’ny efitrano fatoriany. Fotoana hifohazana tamin’izay. Niala teo am-pandriana izy ary nanasa tarehy. Avy eo dia nankao amin’ny efitrano anoloana izy hanatona an-dry Neny sy Dada ary ireo mpiray tampo aminy.

“Manahoana,” hoy i Neny. Nitsiky i Dave sady mbola te hatory. Nandohalika ny fianakaviana ary nivavaka entina manomboka ny tontolo andro.

“Te hizara soratra masina lehibe iray aho izao maraina izao,” hoy i Neny. Nosokafany ny Bokin’i Môrmônany. “ Môrônia 7:45izany. ‘Ary ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy.’”

Nieritreritra ilay soratra masina i Dave rehefa niomana ny ho any an-tsekoly. Mialoha ny nivoahany ny varavarana dia nivavaka izy. “Mba ampio aho ho tsara fanahy androany,” hoy izy nivavaka.

Tany am-pianarana dia nahatsapa ho faly izy nanao ireo asa atao any an-tsekoly. Nihaino tsara izy raha nanome fanononana teny vaovao hianarany i Frida mpampianatra azy ireo.

Tsy ela dia fotoana fisakafoana. Nividy vomanga nasiana siramamy sy ranom-boankazo mangatsiaka i Dave. Niara-nipetraka tamin’ireo namany izy ary nanomboka niresaka.

Tsy ela dia nahare ankizy vitsivitsy teo amin’ny latabatra akaiky teo izy. Nisy ankizilahy roa aneso ankizilahy iray vaovao antsoina hoe Jose. Kely i Jose raha oharina amin’ny taonany, saingy tsara fanahy amin’ny hafa izy ary miasa mafy ao am-pianarana. Nisakafo ireo ankizilahy sasany, fa i Jose kosa tsy nisakafo.

“Maninona ialahy no kely izaitsizy? Angaha tsy misy sakafo any an-tranon’ialahy?” hoy Antonio nanontany.

Nitodika tany amin’ireo ankizilahy i Dave tamin’ny fotoana nakan’i Joaquin ny kitapon’i Jose mihitsy ka natsipiny tany amin’i Antonio. Nenjehin’i Jose i Antonio mba hamerina ny zavany.

“Mba avereno ny kitapoko,” hoy i Jose.

Sary
Nijery indray i Dave rah nalain’ireo ankizilahy hafa ny kitapon’i Jose.

Saingy tsy nihaino i Antonio sy i Joaquin. “Tota be sady ratsy ny kitapon’ialahy!” hoy i Joaquin.

Henon’i Dave avokoa ireo teny mahatezitra ireo saingy niahotra izy ny hanampy an’i Jose. Inona no hoeritreretin’ireo ankizilahy hafa? Handrabiraby azy koa ve i Joaquin sy i Antonio?

Avy eo dia noeitreretiny ilay soratra masina novakian’i Neny ny marainan’io. Ny fiantrana dia mora fanahy. Tian’iJesoa Kristy raha mba ho tsara fanahy izy. Izay no zavatra tokony natao.

Nitsangana i Dave ary niatrika ireo ankizy hafa. “Atsaharo ny fanarabianareo an’i Jose. Mba avereno aminy ny kitapony.”

“Inona ny olanao?” hoy i Joaquin nanontany.

“Maninona ianareo no dia ratsy fanahy amin’i Jose? Tsy nanao zavatra tsy nety taminareo izy,” hoy i Dave. Avy eo dia nisento lalina izy. “Tia antsika rehetra i Jesoa, ary tiany ho tsara fanahy isika. Mba atsaharo azafady ny fanarabianareo an’i Jose. Ratsy ny fietraketrahana. Raha mbola ataonareo izany dia hoantsoiko Madama Frida.”

Niondrika nijery ny kirarony i Antonio. Naveriny tamin’i Jose ny kitapony. “Azafady,” hoy izy ningonogonona. Niverina teny amin’ny sezany izy sy i Joaquin.

“Misaotra,” hoy i Jose.

Nokapohin’i Dave ny sorok’i Jose. “Mpinamana isika izao.”

Hoy i Jose nitsiky.

Rehefa tany an-trano dia notantarain’i Dave tamin’ny fianakaviany ny zavatra nitranga.

“Tsy mora izany, saingy nety ny nataonao,” hoy i Dada.

“Mirehareha ny amin’ny hatsaram-panahinao aho,” hoy i Neny.

Ny ampitson’iny, rehefa nanampy tamin’ny fanangonana ny sakafo antoandrony i Neny, dia nanontany i Dave hoe: “Afaka manao sandwich roa ve isika azafady?”

“Fa nahoana? “Angaha tena noana be ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Nihomehy i Dave. “Tsy izany fa tsikaritro tsy nanana sakafo i Jose omaly. Te hizara ny ahy aho.”

“Hevitra tena tsara izany!” Namoaka mofo fanampiny i Neny dia nanao sandwich iray hafa i Dave.

Tamin’ny fotoana fisakafoana dia niara-nipetraka i Dave sy i Jose ary niara-nihinana ny sandwich an’izy ireo. Narisika aho nanakana ireo ankizy hafa nietraketraka tamin’i Jose. Saingy tian’i Dave ilay namany vaovao, ary fantatr’izy ireo fa faly ny Ray any An-danitra satria nisafidy ny ho tsara fanahy izy.

Sary
Dave sy Jose miara-misakafo
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Mark Robison

Hamoaka printy