Namana
Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe
Mey 2024


“Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe,” Namana, mey 2024, 5.

Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe

Ireo fanolorantena rehefa manao fanekempihavanana

Sary
Dallin H. Oaks

Nampianatra ny Filoha Oaks fa ny fanekempihavanana dia fanolorantena hanao zavatra sasantsasany. Ohatra hoe ny dokotera sy ny mpamonjy voina dia mivoady ny hanompo ny olona eo amin’ny fiarahamonina misy azy ireo. Rehefa manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra isika, toy ny amin’ny fotoana hanaovana batisa antsika, dia mampanantena ny hanompo Azy sy hankatò ny didiny. Mitahy antsika Izy rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika.

Mampianatra ahy izany fa:

Sary
Satroka mpamonjy voina sy stéthoscope

Voizo hatrany

Sary
Dale G. Renlund

Nitantara momba ny fanaovana dia tamin’ny kayak ny Loholona Renlund ary lasa aloha be nihoatra ny fianakaviany izy rehefa nivoy. Rehefa nijanona izy dia nisy onja nandòna azy hianjera tao anaty rano. Nasain’ilay mpitari-dalana nanohy nivoy izy mba hahafahany mandroso sy tsy mianjera. Raha manohy “mivoy” manatona ny Mpamonjy isika dia ho voaro sy tsy ho tandindomin-doza hatrany.

Mampianatra ahy izany fa:

Sary
Kayak sy fivoy

Nahazo fijoroana ho vavolombelona

Sary
Mark L. Pace

Nizara ny fomba nanontanian’ny reniny azy ny Filoha Pace raha tena fantany manokana tokoa fa marina ny filazantsara fony izy 11 taona. Nanapa-kevitra ny hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy hivavaka izy mba hahafantatra. Rehefa nanao izany izy dia nahatsapa fiononana sy fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina. Nanampy azy hahazo fijoroana ho vavolombelona azy manokana izany.

Mampianatra ahy izany fa:

Sary
Boky misokatra

Vato dimy

Sary
Andrea Muñoz Spannaus

Nitantara ny tantaran’i Davida sy i Goliata Rahavavy Spannaus. Tahaka an’i Davida izay nanana vato dimy hiadiana tamin’i Goliata, dia misy “vato” dimy hanampiana anao hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana. Izany dia ny fitiavana an’ Andriamanitra, finoana an’i Jesoa Kristy, fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra ianao, fibebahana isan’andro, ary fahazoana ny herin’ Andriamanitra.

Mampianatra ahy izany fa:

Sary
Antsamotady sy vato
Sary
Pejy PDF

Sary nataon’i Josh Talbot

Hamoaka printy