Namana
Inona no atao hoe ôrdônansy sy fanekempihavanana?
Mey 2024


“Inona no atao hoe ôrdônansy sy fanekempihavanana?” Namana, Mey 2024, 22.

Karatra sarina tempoly

Inona no atao hoe ôrdônansy sy fanekempihavanana?

Ny ôrdônansy dia asa masina atao amin’ny fahefan’ny fisoronana, toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo. Ny fanekempihavanana dia fampanantenana ifanaovanao amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana. Ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana dia manampy antsika hitombo ho tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa. Mbola afaka manao fanekempihavanana bebe kokoa ianao any amin’ny tempoly indray andro any.

Tempolin’i Port Vila Vanuatu

  • Io no ho tempoly voalohany ao Vanuatu!

  • Eo amin’ny Nosy Efate no hisy izany izay iray amin’ireo nosy 80 ao amin’ilay firenena.

  • Ny tempoly akaiky indrindra manaraka azy dia any Fiji, mihoatra ny 1.127 km miala eo.

Tempolin Neiafu Tonga

  • Io no ho tempoly faharoa ao Tonga.

  • Tamin’ny 1891 no nahatongavan’ireo misiônera voalohany tao Tonga. Ankehitriny dia misy mpikamban’ny Fiangonana maro any.

  • Nanatrika ny fihadiana fototry ny fanamboarana ny tempoly ny mpanjakan’i Tonga sy ny vadiny.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Rachel Erickson

Hamoaka printy