Namana
Arahaba avy aty Vanuatu
Mey 2024


“Arahaba avy aty Vanuatu!” Namana, Mey 2024, 12–13.

Arahaba avy aty Vanuatu!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

Vanuatu dia nosy firenena tropikaly iray ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika. Olona mihoatra ny 3 hetsy no monina any!

Fiteny

Ny fiteny bislama, anglisy, ary frantsay no fiteny ôfisialy. Saika ny rehetra no miteny bislama!

Ny bokin’i Môrmôna

Sary
Mpikamban’ny Fiangonana sy Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny Bislama

Tamin’ny 2004 no voadika tamin’ny fiteny Bislama ny Bokin’i Môrmôna. Hatramin’izay dia olona maherin’ny 8.000 no lasa mpikamban’ny Fiangonana ao Vanuatu!

Nosy tropikaly

Sary
Morontsiraka sy sambo

Ireo morontsiraka tsara tarehy sy rano manga madio no mampalaza an’i Vanuatu. Ny sasany amin’ireo morontsiraka aza dia ahitana fasika mainty!

Vola maroloko

Sary
Vola any Vanuatu sy vorona tropikay

Miloko marevaka ny vola any Vanuatu izay maneho ireo trangam-piainana eo amin’ireo nosy sy ireo zavamaniry sy biby miaina ao.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Anna Oldroyd

Hamoaka printy