Namana
Tafatafa niarahana tamin’i Isabela momba ny fanekempihavanana
Mey 2024


“Tafatafa niarahana tamin’i Isabela momba ny fanekempihavanana,” Namana, Mey 2024, 40–41.

Tafatafa niarahana tamin’i Isabela momba ny fanekempihavanana

Avy any Alajuela, Costa Rica i Isabela. Nametrahanay fanontaniana vitsivitsy momba ny dikan’izany hoe mitandrina ireo fanekempihavanany tamin’ny batisa izany izy.

Sary
Sarin’i Isabela

Lazao aminay ny mombamomba anao.

Sary
Ankizivavy miaraka amin’ny alika
Sary
Pizza sy spaghetti

13 taona aho. Tiako ny milalao baolina, mahandro sakafo, manjaitra, milomano, ary manompo ny hafa. Ny nofinofiko dia ny ho lasa mpitsabo biby satria tiako ny manampy ireo biby. Ny spaghetti sy ny pizza no sakafo tena tiako, ary volomparasy no loko tena tiako.

Ahoana no hitandremanao ireo fanekempihavananao tamin’ny batisa?

Sary
Ankizivavy mametraka ny tanany eo amin’ny saokany sady mandinika

Mibebaka sy mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro aho. Manana antso ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy misy ahy aho, ary miezaka mandray izany amim-pahamatorana aho. Mitandrina ny fanekempihavanako amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa ihany koa aho.

Inona no ataonao mba hanompoana ny hafa?

Sary
Ankizivavy milalao miaraka amin’ny ankizy kely kokoa

Tiako ny manampy ny fianakaviako. Matetika aho no milalao miaraka amin’i Lina havako izay telo taona rehefa mandeha miasa ny ray aman-dreniny. Tiako ny manampy ireo ray aman-drenibeko. Manampy ny mpiara-mianatra amiko mianatra ihany koa aho amin’ny fanadianana frantsay any an-tsekoly.

Lazao aminay misimisy kokoa ny momba ny antsonao.

Sary
Ankizivavy miara-mijoro manao fitafy any am-piangonana

Izaho no mpanolotsaina voalohany ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy. Ny andraikitro dia manompo ireo zatovovavy. Midika izany fa manampy azy ireo amin’izay rehetra ilain’izy ireo. Mandeha any amin’ny kilasy sy ireo firaha-mientana aho, ary miezaka ny ho naman’ireo ankizivavy hafa ao amin’ny kilasy izay tsy tonga.

Inona no torohevitra omenao ny olona iray momba ny antsony voalohany?

Sary
Ankizivavy mihaino ny mpampianatra azy ireo ao amin’ny Zatovovavy

Holazaiko izy ireo fa tsy tokony hatahotahotra izy ireo. Ny antso dia fomba iray azonao hanampiana amin’ny asan’ny Ray any An-danitra fotsiny. Ny fomba tsara indrindra hanampiana ny hafa dia amin’ny alalan’ny ohatra asehonao!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’ Vivian Mineker

Hamoaka printy